Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka

Description
Nom : Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka
Catégorie : Ressources  Association
Description : Ivondronan'ny zanak'Andriamanitra rehetra noho ny anaran'ilay Lahitokan'Andriamanitra, Jesosy Kristy avy any Nazareta mba ifampitondrana amim-bavaka, ifampitondrana izay mavesatra, ifampizarana izay sy soa sy tsara ao amin'Andriamanitra, ifampitaizana sy ifampianarana ao amin'i Kristy, ifampitomboana ao amin'ny Fanahin'Andriamanitra, ifananarana ho amin'ny fahasoavana sy ny fiadanana...

Dia mahereza! ny fiadanan'i Jesosy Kristy anie ho aminareo tsirairay avy!
Manassé
Tags  : vavaka  fitahiana  fahasoavana  fiadanana  fahasitranana  fahombiazana  fahendrena  fitomboana 
   
Localisation : Madagascar, Antananarivo
Créé par : Adinoina le 11 Janvier 2011 08:57:23 - Vu 5978 fois
Note :
new Starbox('ratig_elmt1', 4.5, { overlay: 'pointy.png', className: 'pointy', onRate:function(element, info) { var UpdateRating = new Ajax.Request('/modules/rating/?n='+info.rated+'&vars=top_membres_groupes|group_nbvote|group_pointsvote|group_id|1780',{method: 'get'}); var indicator = element.down('.indicator'); indicator.update('Vous avez voté ' + info.rated + '/' + '5'); window.setTimeout(function() { indicator.update('Merci pour votre vote') }, 2000); new Effect.Highlight(indicator); }, indicator: '#{total} votes (note : #{average}/5)', total: 11 }); // attach the custom events on DOM loaded document.observe('dom:loaded', function() { $w('1').each(function(demo) { $('ratig_elmt' + demo).observe('starbox:changed', starboxChangedText) // observe the mouseover .observe('starbox:rated', starboxRatedText) // observe the click .observe('starbox:left', starboxLeftText); // observe the mouseout }); });
 
Dernières nouvelles (94)
Publié il y a 8 jours - le 9 Mai 2012 12:11:51 à 12h11
« Approchez-vous de Dieu, et Il s'approchera de vous. Nettoyez vos mains, pécheurs, et purifiez vos cœurs, vous qui êtes doubles de cœur. » Jacques 4:8

Le commandement de la bénédiction, quand "Dieu s'approchera de vous", quand Dieu entreprendra son Amour en vous, quand Dieu s'investira pour vous, quand Dieu interviendra en votre faveur, quand Dieu préparera tout en votre honneur, quand Dieu accordera sa miséricorde et sa grâce en votre personne, en tout ce qui vous touche et en tout ce qui vous êtes, quand Dieu vous protégera... TOUT EST ACCOMPLI... Jésus Lui-même l'a annoncé : « ...C'est accompli... » Jean 19:30

Tout est accompli en Jésus Christ de Nazareth... ainsi, pour approcher Dieu, ACCEPTEZ JESUS COMME SAUVEUR... en toute chose, en tout temps, en tout lieu, en toute circonstance... et Il viendra en vous, Il a dit : « Voici, je me tiens à la porte et je frappe : si quelqu'un entend ma voix et qu'il ouvre la porte, j'entrerai chez lui et je souperai avec lui, et lui avec moi. » Apocalypse 3:20...

Concrètement, acceptez Jésus, non le Seigneur, non Dieu le Père, non le Saint-Esprit... acceptez JESUS CHRIST DE NAZARETH en premier, et Il vous enverra son Saint-Esprit qui vous permettra de retrouver Dieu le Père, le chemin inverse est faux... sinon un autre dieu et un autre esprit, un autre seigneur se substituera à votre appel si vous n'acceptez pas Jésus comme Sauveur en premier... Jésus l'a annoncé : « ... Moi, je suis le chemin, et la vérité, et la vie ; nul ne vient au Père que par moi. » Jean 14:6... et Dieu s'approchera de vous...

Et après, sanctifiez-vous, nettoyez-vos mains de tous péchés et crimes et purifiez vos coeurs du mal et du mensonge, car si autres choses occupent encore votre coeur, le Seigneur ne peut y entrer et ne peut vous sanctifier...

Dieu nous remet son commandement ainsi, "approchons-nous de Lui", car Il a montré le chemin de la bénédiction en Jésus Christ quand Il a dit : « ...Crois ! toutes choses sont possibles à celui qui croit. » Marc 9:23

Soyez tous bénis! amen!
Bon courage!
Manassé
Publié il y a 1 mois - le 12 Avril 2012 12:00:55 à 12h00
« Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. » Isaia 46:4Isaorana Andriamanitra mbola manana hambara amiko sy aminao anio amin'ny fitiavany sy ny famindrampony lalina. Endrey ny fahatsaràn'Andriamanitra... fa na mbola tsy hary aza hianao, mbola tsy torontoronina anao akory ny reninao dia efa voaoman'Andriamanitra ny fitahiana anao manontolo... fa raha mbola tsy nahalala an'Andriamanitra akory aza hianao... fa raha mbola tsy nanam-pihavanana tamin'Andriamanitra akory aza hianao... fa raha mbola fahavalon'Andriamanitra aza hianao, mpandika ny teniny sy ny didiny ary ny sitrapony, mpandà an'Andriamanitra ary mpanenjika Azy mihitsy aza, mpitsara sy mpitsikera ny asany, tsy mino Azy ary mpiteny ratsy ny anarany mihitsy koa aza... dia efa maty hamonjy anao Izy... natolotr'i Jesosy ny tenany hisolo heloka anao sy handray ny fitsaràna sahaza ho anao, sy handray ny fanamelohana mendrika ho anao mba hahafantaranao : « Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany anao, fa fony mbola mpanota hianao, dia maty hamonjy anao Kristy. » Romana 5:8... fa toa izany koa no nataony tamiko, tamintsika rehetra. Ary amin'ity anio ity dia mbola hamafisiny aminao izany fitiavana lalina ao Aminy izany ka na mandra-pahantitrao, mandra-pahafotsy ny volonao, dia mbola Izy no hiantoka anao, hikarakara anao... satria Izy no nanao anao, dia mbola Izy koa no manome toky fa hisahirana mitondra anao. 1. Izy no hitrotro anao, hamahana anao, hampitombo anao ao Aminy, hikolokolo anao, hanadio anao sy hamelona anao... 2. Izy no hitondra anao, hitarika anao ao amin'ny fitiavana Azy, finoana Azy, fanantenana Azy, ka hiaro anao hitoetra amin'ny fahamarinany sy ny fahamasinany, hialoha sy hiafara anao amin'ny alehanao sy ny momba anao rehetra ka tsy hamela anao ho irery, na inona miseho, na inona mitranga... 3. Izy no hanafaka anao, hanasitrana anao, hanala ny aretinao rehetra, hampahery anao raha miatrika fitsapàna hianao, hanadio anao ho afaka amin'ny ota sy ny tsy fahamarinana rehetra, hanafaka anao amin'ny fatorana sy ny fahazaran-dratsy ary ny fanao ratsy rehetra ary ny endrim-pahandevozana rehetra, hampandresy anao amin'ny ady sarotra rehetra, hamela ny helokao rehetra... Ary hihazona ny anaranao ao amin'ny bokin'ny fiainana... moa misy zava-tsoa noho izany va?... fa TIA ANAO JESOSY... Ary hianao mba ahoana? hoy Jesosy aminao anio : MOA TIA AHY VA HIANAO? Mahereza hatrany!Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra fa ho aminareo mandrakariva ny fahasoavana! amenaManassé
Publié il y a 2 mois - le 30 Mars 2012 10:15:12 à 10h15
« Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. » Jeremia 24:6  Fahasoavan'i Kristy Jesosy anie ho aminareo rehetra! amena!  Raiso ho fitahiana lehibe ho anao ny andro androany satria manan-kambara aminao Andriamanitra! ary tsy zavatra tsotsotra fa tena zavadehibe hiantoka indray ny andronao anio, sy ny andronao sisa rehetra ny fandraisanao izany hafatra izany sy ny finoanao ary ny fitiavanao an'Andriamanitra!  Fa hoy indrindra Izy aminao amin'izao ora sy fotoana izao : "hojeren'ny masoko hianareo mba hanasoavako anareo...", endrey izany fitiavana sy famindrampo lehibe avy amin'i Jehovah Ray, mitodika amiko sy aminao anio, ka Izy Andriamanitra Lehibe, Tompon'ny voninahitra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, Rain'ny mandrakizay, namorona ny tany sy ny lanitra, tsy hoe tsy manan-katao, fa maro sahanina no miteny manokana amiko sy aminao izany...   Fiainan'Andriamanitra manokana mihitsy ny manasoa, mitady ahy sy hianao, mijery ny antsipirian'ny fiainako sy ny fiainanao, ary mikaroka ny fomba rehetra ny hamonjena ahy sy hianao amin'izay miseho rehetra ka mitady haningotra ny momba ahy sy hianao... raha fehezina dia ao amin'Andriamanitra ny fitiavana ahy sy hianao tanteraka... ka na ny Zanany Lahitokana sy tiany indrindra ary tsy foiny aza nomeny natolotra teo amin'ny hazofijaliana, hahavoavonjy antsika, hahatanteraka ny fiadanany sy ny fifaliany amiko sy aminao, koa moa misy zavatra hafa tsy foiny va hahatanteraka ny fifaliantsika? (Hitohy)
Publié il y a 2 mois - le 30 Mars 2012 10:12:25 à 10h12
(Tohiny) « Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. » Jeremia 24:6   Izy Andriamanitra hijery ahy sy hianao! moa misy zava-miafina Aminy va ny momba ahy sy hianao? TSIA - mibaribary toy ny eo ambony vatolampy amin'ny mitataovovonana Aminy izany satria Izy mihitsy no mpandinika ny fo sy ny voa... tsy misy miafina Aminy na izay any anaty fo lalina indrindra aza... fantany avokoa ireo afenina rehetra... na ny faniriana, na ny hatezerana, na ny hasosorana, na ny hafaliana, na ny filàna, na ny fitsiriritana, na ny fialonana, na ny fitiavana, na lolompo, na ny finoana, na ny fanantenana, na ny tsy finoana sy ny tsy fisian'ny fanantenana ihany koa, na ny fahakiviana, na ny fahoriana vokatry ny tsy rariny, na ny fahalemena, na ny hakanosana, na ny avonavona... eny na ny lalina indrindra efa hatramin'ny fahazazàna aza ka mbola voatahiry dia hitany sy mibaribary eo imasony avokoa...   Izao nefa no tsarovy, fa rehefa mijery anao Andriamanitra, dia tsy hijanona eo Izy tsy akory, fa hiditra an-tsehatra amin'ny fiainanao... ary raha vao miditra an-tsehatra Izy dia hitondra ny fahazavàn'aina amin'ny maha-Andriamanitra Azy eo amin'ny fiainanao... fa raha nahita ny tany foana Izy, ny zava-mahagaga nataony voalohany raha namorona izao tontolo izao Andriamanitra dia ny teny hoe : MISIA NY MAZAVA... ary dia toa izany ihany koa no idirany an-tsehatra amin'ny fiainanao manomboka izao ka hanova ny tantaram-piainanao amin'ny fomba hentitra sy tanteraka... dia ny hidiran'ny fahazavàna tanteraka eo amin'ny fiainanao... habaribariny aminao fa Izy no mazava sy hanazava anao ary izay rehetra endrim-pahamaizinana nanimba ny fiainanao nandritra ny fotoana ela ka nety nahatonga tsy fahalavorariana, aretina, tsy fahombiazana, fahoriana dia hiongotra avokoa satria tonga ny mazava hanaisotra ny haizina... ny poizina sy ny faka mangidy avy amin'ilay ratsy rehetra, dia hofongoran'Andriamanitra ary tsy hahajanona eo rahateo tsy hahazaka ny voninahitr'Andriamanitra sy ny teniny. (Hitohy)
Publié il y a 2 mois - le 30 Mars 2012 10:06:23 à 10h06
(Tohiny) « Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. » Jeremia 24:6 Koa amin'ny anaran'i Jesosy, velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta no anapotehana ny maizina rehetra amin'ny fiainanao! efa resy ny maizina sy ny fanjakàny fa indro tonga ny mazava lehibe, haneho ny voninahiny sy hitondra aina vao ary hameno fiainana anao satria Izy mihitsy no fiainana! amena! Ary mbola mitohy, Andriamanitra mijery anao satria nanome toky Izy fa hanasoa anao. Tsy mitsahatra eo amin'ny fijereny anao ny asany fa lasa lavitra kokoa dia ny hanasoa anao. Tsy mijery ny tsy finoanao Azy Andriamanitra, na ny faharatsiana vitanao Taminy, na ny fahalemenao, na ny nandavanao azy mihitsy aza teo amin'ny fiainanao, na ny tsy fihainoanao sy ny tsy fankatoavanao ny teniny fa mijoro amin'ny maha-Andriamanitra fitiavana Azy, ka miteny aminao hoe, "hanasoa anareo Aho"... Inona avy izany fahasoavana lehibe omen'Andriamanitra anao izany? 1. Hampodina amin'ny taniny hianao izay lasa lavitra, ka hiverina ao amin'Andriamanitra, hiverina amin'ny tany misy an'Andriamanitra 2. Haorin'Andriamanitra hianao fa tsy horavany sy tsy hotsarainy ary tsy hopotehany amin'ny fahatezerany3. Hambolen'Andriamanitra hianao fa tsy hongotany ka hampitomboany amin'ny fitiavana sy amin'ny finoana ary amin'ny fanantenana Azy ; Tsy amin'ny fanamarinan-tena sy ny avonavona, fa amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy amin'ny fahatokiana Azy tanteraka ka omeny fo vaovao, ho tonga olony ary Izy ho andriamanitrao, ka hahatonga anao hiverina tanteraka amin'Andriamanitra amin'ny fo torotoro sy fanahy mangorakoraka (Jeremia 24:7), ary hahatonga anao sahy hijoro sy hanana firaisana ary fitiavana an'Andriamanitra amin'ny andronao sisa rehetra. Koa hotanteraka aminao anie izany fahasoavan'Andriamanitra lehibe izany amin'ny anaran'i Jesosy ilay tia anao sy tsy mahafoy anao! amena! Mahereza hatrany! Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany! amena!Manassé
Publié il y a 2 mois - le 20 Mars 2012 11:17:19 à 11h17
« ... ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » Matio 28:20b Rehefa handeha hiakatra any an-danitra Jesosy handray ny fahefàna feno ka hiasa velona amin'ny maha-Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany, sy ny hita sy ny tsy hita rehetra Azy, dia nametraka hafatra lehibe ny amin'ny asa miandry ny mpianany rehetra, na iza na iza... dia ny hanao sy hahatonga ho mpianatra ny firenena rehetra... dia ny hanaovana batisa ny mpianatra rehetra amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina... dia ny hitandreman'ny mpianatra rehetra izay rehetra nandidian'i Kristy...  Ka nametrahany ny fanekena vaovao lalina sady tanteraka no tsara dia ny hoe : Indro Jesosy momba ahy sy hianao, amin'ny fotoana rehetra, amin'ny toerana rehetra, amin'ny momba ahy sy hianao manontolo, ambarapahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao! Tsy fantatro raha azonareo izany fanekena lehibe ambaran'i Kristy Jesosy izany! Izy Andriamanitra Momba anao, tsy hoe Homba anao... Izy mandray andraikitra ny aminao rehetra, Izy miantoka anao manontolo... fa Jesosy Zanany Lahitokana, Ilay Malalany indrindra aza foiny ho anao, ka mbola misalasala ihany va hianao fa momba anao Andriamanitra?!! Hoy angamba hianao, "nahoana ary aho no mijaly toa izao? votom-pahoriana toa izao? torovana toa izao? trotraka toa izao? ampijaliana toa izao?... mangidy ny fiainako... tsy hitako izay maminy amin'ny fiainana... lanjaiko avokoa ny fahoriana sy ny fijaliana mafy indrindra..."  Dia hoy Jesosy aminao : "ny fahotanao sy ny helokao no nitsaràna Ahy ka nanamelohana Ahy sy nanomboana Ahy teo amin'ny hazofijaliana... ny aretinao no nentiko ka nahatrotraka Ahy... ny fahorianao no nivesarako... ny dian-kapoka ho anao no namelezana Ahy... ny lefona hamonoana anao no natsindrona Ahy... ny fahadisoanao no nolanjaiko... ny fampahoriana rehetra ho anao no nentiko... na dia tsy nisy fahadisoana aza Tamiko... ary nataoko izany, mba hahavoavonjy anao, mba hahasitrana anao, mba hahafaka anao, mba hahazoanao fihavanana amin'Andriamanitra, mba hahavoavela ny helokao... ary tsy hitsahatra Aho... ary indro, Izaho momba anao mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao."  Mahereza ry namako isany fa momba anao Andriamanitra ary manana anjara feno amin'ny fiadanan'i Kristy Jesosy hianao satria momba anao Andriamanitra! Ho Azy irery ny voninahitra! amena! Manassé
 
441 commentaires
Vous devez être membre de ce groupe pour écrire un commentaire
hayve il y a 2 jours
Miarahaba anreo rehetra @ anaran'i Jesosy zokintsika indray, mba mangataka anareo ao mba hitondra am-bavaka ahy fa marary ny foko, midobodoboka be matetika, dia misy partie marary @ foko, rahampitso vao nahazo rendez-vous @ dokotera. Jesosy ô mamelà ne heloko Ianao, mangataka ny tananao mahery aho mba hanala ny ratsy rehetra aty amiko, mifona aho Jesosy fa mpanota indrindra, mamindrà fo amiko Ianao, Sitrano re ity foko Jesosy fa marary, simban'ny ota ny tenako rehetra. Esory ity aretina mahazo ahy ity, omeo hery ary fahendrena aho itondrako tena tsara @ fiainako. Misaotra Jesosy ô amena
Adinoina il y a 3 jours
Arahabaina isika namana rehetra!

Ny fahasoavan'i Kristy Jesosy anie handrakotra anareo tsirairay avy amin'ity herinandro vaovao, tsara sady mahasoa ity! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 8 jours
Deraina mandrakizay Andriamanitra amin'ny fitiavany tsy manam-petra, maharitra mandrakizay, amin'ny famindrampony mahagaga sy amin'ny fahasoavany ao amin'i Jesosy!

Tsara Andriamanitra! amena!
hayve il y a 8 jours
misaotra anareo nitondra am-bavak, teraka soa aman-tsara ny zaza, slama tsara izy mianaka, misaotra ani Jesosy, tahiani Jesosy ianareo rehetra.
Misaotra AdINOINA A
Adinoina il y a 9 jours
Andriamanitry ny fiadanana anie hiaro sy hitahy ary homba ny zandrinao hayve ka hanome fahasalamana azy mianaka sy hahatanteraka ny sitrapony ho azy mianaka ka hamangy azy mianaka amin'ny Fanahiny, handresy lahatra azy ireo amin'ny fitiavany mandrakizay azy amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
hayve il y a 17 jours
Hiteraka tsy ho ela ny zandriko vavy ka mangataka vavaa @reo rehetra mba hety tsara izany, ho salama tsara izy mianaka, ary koa famindram-po avy @ Jesosy hitahy azy mianaka, mbola tanora ary tsy manam-bady izy. Misaotra a, dia tahian'i Jesosy ianareo amen
Adinoina il y a 23 jours
Amena dia amena miadana!

Mankasitraka amin'ny fijoroana vavolombelona ataonao eo amin'ny ankohonanao amin'ny fitahian'Andriamanitra an'i Malala sy ny finoanao.

Dia miarahaba an'i Malala ihany koa ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka amin'izao andro lehibe anio izao. Ny fahasoavan'Andriamanitra anie handrakotra an'i Malala ka hampitombo azy hery sy fahasalamana ary fahendrena mandrakariva! amena!

Dia Kristy Jesosy anie hihaino ny vavakao miadana ka Izy hamaly fitia anao sy ny ankohonanao hampitoetra ny fiadanana sy ny fifaliana ao amin'i Jesosy aminareo anio ka ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany! Mifalia mandrakariva! amena!
Manassé
miadana il y a 23 jours
Miarahaba antsika rehetra @ anaran'izy Tompo ary mirary ny fiadanany ho antsika rehetra
Feno 15 taona anio ny zanako "Malala"ary dia faly indrindra izahay ka misaotra anao tanteraka Tompo fa ny fahasoavanao tokoa no naha toa zao azy;manome hery ,fahasalamana tanteraka azy ianao ,nahomby hatrany izy @ fianarana zay ataony satria ianao manamarina ny teninano hatrany fa lohany izy fa tsy rambony ;ary de mametraka indray ny taona manaraka rehetra eo ampelatananao ,tsy hahasaraka azy anie ianao Tompo fa hiaro azy @ fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy rehetra ary mba ho, zanaka mano hatrany io zanakao io.
De mametraka sahady ihany koa eo ampelatananao ny fanadinana atrehany atsy ho atsy ary misaotra sahady satria ianao efa manome ny toky fa hanome saina azy
Zahay RR ihany koa tariho mba ho modely tsara eo imason'ny zanakay ary mino zahay fa iano tsy hamela anay ho irery @ ho enti-manana rehetra @ fanabeazana azy reo
Izy roa lahy kely zandriny koa de apetrakay eo aminao mba ho feno ny fahasoavanao hatrany ary hambininao hatrany anie izy @ fianarana zay ataony ary dia ho ano irery anie Jeso ny voninahitra @ fiainanay rehetra.Amen
Adinoina il y a 24 jours
Amena dia amena hayve!

Mahareza hatrany! ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva ny fiadanan'i Kristy Jesosy! Mivavaha mandrakariva! amena!

Manassé
hayve il y a 27 jours
Miarahaba antsika rehetra indray e, tahian'i Jesosy avokoa isika ary koa mahareta hatramin'ny farany fa ratsy izao fiainana izao. Ho amintsika rehetra anie ny fiadanan'i Jesosy
hayve il y a 27 jours
Jesosy ô, misy olona Maro maro (fianakaviana) anananay vola efa aman-taona ny an'ny sasany, kanefa tsy mieritreritra ny hamerina mihitsy izy ireo, mangataka Anao aho Jesosy mba hanaitra azy ireo ary koa mba hotaonga saina izy ireo fa tsy mety ny ataony, mody fanina na tsy miantso intsony izy ireo. Jesosy ô, tsy misy zava-mahagaga tsy hainao, ka eo Aminao no ametrahako izany satria tena mila vola izahay @zao fotoana izao. Misaotra Jesosy ô amen
hayve il y a 27 jours
Jesosy ô, misaotra Anao raha mbola velon'aina sy ny fahasoavana rehetra omenao anay, misaotra satria tsinontsinona izahay raha misaraka Aminao. Jesosy ô, mitondra am-bavaka ny isan-taonan'ny KTLM aty Eropa aho @ ity week-end ity, miasa mahery Fanahy Masina aty anatin'ny tanora rehetra. Tahio ny fotoana rehtra, arovy ny olona rehtra @ lalana sy eo an-toarana, ny dianay mankany sy miverina. Tahio ny mpikarakara rehetra, ampio izahay maba tsy hisy hanao tsinontsinona anay @ fahatanoranay Jesosy ô, ataovy jiro, mijoro, mitory ny fitiavanao @ teotranay, fiteninay ary fihevitray. Jesosy ô, Anao ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay amena
Adinoina il y a 1 mois
Arahabaina tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka aina!

Ho aminao sy ny ankohonanao ny fitiavan'Andriamanitra Ray, ny fahasoavan'i Jesoa Kristy, ny fampiraisana avy amin'ny Fanahy Masina, ka Izy anie hampitombo anareo amin'ny finoana sy ny fifaliana mandrakariva! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
Adinoina il y a 1 mois
Amin'ny fifaliana no andraisana anao eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka ninie!

Ny fiadanan'i Kristy Jesosy anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Izy hiaro anareo sy hitahy anareo, anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
Adinoina il y a 1 mois
Tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka hianao MOSIKA!

Tononina ho aminao sy ny ankohonanao ny fiadanan'i Jesosy ka Izy hamaly fitia anareo hanome anareo izay rehetra angatahanareo Aminy anio ho voninahitry ny anarany! amena

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
TJK12 il y a 1 mois
Ho aminareo anie ny fiadanana! fiarahabana tsara indrindra nataon'ny Tompo tamin'Izy nitsangana tamin'ny maty! Dia mirary ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika rehetra! hitondra hery vao ho antsika indray anie ny fankalazantsika ny paska 2012! Voninahitra ho an'i Jesosy!!!! Amen
Adinoina il y a 1 mois
Dia mirary Paska feno fifaliana ao amin'i Jesosy Tompontsika ho anareo namana sy ny ankohonanareo rehetra!

Aza adino fa Jesosy dia tsy mihantona eo amin'ny hazo fijaliana intsony fa efa Mpanjaka Lehibe, Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany! Rain'ny fiadanana! Deraina mandrakizay ny anarany! amena!

Mahereza hatrany dia mifalia mandrakariva!
Manassé
Adinoina il y a 1 mois
Arahabaina hianao tianna tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka!

Ny fiadanan'i Kristy anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Iey hameno anareo fifaliana sy fahasoavana! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
Mameno il y a 1 mois
AMEN! dia samy ho Tahian'i Jesosy avokoa isika rehetra.
Adinoina il y a 1 mois
Mankasitraka Mameno amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fampaherezana entinao ho amin'ity herinandro masina ity, mila fandinihan-tena tokoa sy fiverenana amin'i Jesosy amin'izao vaninandro izao. Ho an'Andriamanitra ny voninahitra! amena!

Indro zaraina amintsika ny teny mahagaga nomen'i Kristy ny mpianany fony Izy mbola tsy nikatra teo amin'ny hazo fijaliana akory ka nanambarany ny tsy maintsy hilanjana ny hazo fijaliana isan'andro, tsy maintsy handàvana ny tena, ary tsy maintsy hanarahana an'i Kristy, vao azony ekeny hoe mpianany, mampieritreritra, mampandinin-tena : « Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra : Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy. » (Lioka 9:23)

Mirary soa ho anareo namana rehetra! dia tononina ho aminareo anie ny fiadanan'i Kristy Jesosy! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
Mameno il y a 1 mois
Misaotra an'Andriamanitra Avo Indrindra aho fa mbola nahatratra ity herin'andro masina fankalazana ny paska taona2012 ity.
Mba te ifampizara ny amin'ny 7 andro fanomanana ny paska teo amin'ny Zanak'Israely fahiny tany Egypta aho; hitantsika ao @ Eksodosy 12.15-17 izany ary misy ifandraisany tokoa @herin'andro masina: Fanesorana ny masirasira (hotanisaina eto ambany).
Noho izany @ity herin'andro masina, mialohan'ny vanin'andron'ny paska ity dia mitaona antsika rehetra @alalan'ny Teny Andriamanitra aho mba hanamasin-tena hatrany, fibebahana, fandinihan-tena isan'andro ary manantona an'Andriamanitra misimisy kokoa no sady mamantatra ny sitrapony ary indrindra2 mifona ho an'ny tenantsika sy ho an'ny olom-belona rehetra.
Ny Paskan'i Jehovah na koa ny fandalovan' Andriamanitra eo @fiainako(nao) @ty paska ity dia androm-pamonjena ho an'ny tsirairay izay mino. AMEN!
hayve il y a 2 mois
Midera an'Andriamanitra aho fa mandroso ny fiangonanay, misaotra Ray satria mari izay olana teo aloha ka efa novahanao, nomenao mpanompo mahasoa mazoto, mampandroso izahay, misaotra Jesosy e. Tahio ny fiangonanay mba handroso hatrany, tsy hivadika na hihemotra Aminao. mISAOTRA SATRIA TENA LASA NAZOTO BE NY VADIKO @ ASA NOMENAO AZY? MISAOTRA jSOSYÖ @ FIASANAO MAHAGAGA TSY TAKITRY NY SAINAY; aùPIVERENO IREO IZAY NIALA (nanakorontana taloha), miasà Fanahy Masina ô, mba hiverina ireo, ampio izahay tsy ho kristianina alahady fotsiny fa mba ho jiro eo @ manodidina ka tsy hitenena-dratsy ny anaranao. Ampio koa aho Jesosy @ asa napetrakao amiko, tsy hitako izay atao, tarihonao aho Fanahy Masina mba tsy hanaonao foana, deraina ny anaranao. Misaotra Jesosy malala ô amen
hayve il y a 2 mois
Misaotra Adinoina , tahian'i Jesosy ihany koa ianareo mianakavy kely
Adinoina il y a 2 mois
Mirary faran'ny herinandro feno ny fahasoavan'i Kristy Jesosy ho aminareo rehetra! amena!
Adinoina il y a 2 mois
Amin'ny fifaliana no andraisana anao Tanjona 89, eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"!

Ny fitahian'i Jesosy anie handrakotra anao amin'ny ataonao, amin'ny fihevitrao, amin'ny asanao, amin'ny fivelomanao, amin'ny momba anao manontolo! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika! tononina ho aminao sy ny ankohonanao anie ny fiadanan'i Jesosy! amena!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Tahian'i Jesosy anie hianareo namana rehetra!
Mirary herinandro feno fiadanan'i Kristy ho aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy! amena!

Mangingina ato izany!
Enga anie ka tsy hoe sahirana amin'ny fiainana sy ny atao no tsy dia mahaeto antsika fa mba manao ny an'ny Tompo sy mivavaka no tsy ahafahana misera etoana!

Mahereza hatrany! ho aminareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra! amena!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Arahabaina hianao Mameno tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"!

Andriamanitra anie hanafy hery anao ka hitahy anao sy hiaro anao amin'ny ataonao sy ny momba anao manontolo! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika isehoan'ny voninahitr'i Kristy!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Dia ho aminareo mandrakariva ny fiadanan'i Kristy amin'ity faran'ny herinandro ity! amena!

« Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma] » Filipiana 4:4
Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Tononina ho aminareo ny fiadanan'i Kristy Jesosy, handrakotra ny momba anareo namana rehetra eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka mandritra ity herinandro ity! amena!

Mahereza daholo!
Manassé
nick il y a 2 mois
Mairahaba anareo rehtra, efa elelela ihany aho no tsy tafandalo teto nohon'ny antony maro samihafa nefa tsy manadino ny mitondra amam-bavaka antsika rehetra sy misaotra an'Andriamanitra nohnon'ny nanomezany antsika ity toerana ity hahafantsika midera ny anarany!! mahereza ry namako isany, enga anie ny tanan'Andriamanitra mahery hitantana antsika sy famindr-pony hiaro antsika mandrakariva amen!
Adinoina il y a 2 mois
Mirary faran'ny herinandro eo ambany fiarovana sy fahasoavan'i Jesosy ho aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Amin'ny anaran'i Jesosy no handeha iombonantsika vavaka amin'ireo fangatahan'ny namana etsy ambany :

- Mahakasika an'i renette
- Mahakasika ny fangatahan'i hayve
- Mahakasika ny fangatahan'i richlife
- Mahakasika ny fangatahan'ny mpikambana rehetra eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"

Koa dia handeha isika hiombona amim-bavaka isaky ny amin'ny 09 ora alina mandritra ity herinandro ity ho an'ireo voatonona ireo sy ho an'ny momba antsika tsirairay avy.

« Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. » I Korintiana 15:58... « ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, » Efesiana 6:18.

Ho aminareo anie ny fiadanan'i Kristy! amena!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Faly miarahaba anao Rape tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"!

Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra Ray, ny fampiraisana avy amin'ny Fanahy Masina anie handrakotra fitahiana sy fiadanana anao sy ny ankohonanao! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Faly izahay eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" mandray anao amin'ny anaran'i Jesosy zaza201!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie hameno anao sy ny ankohonanao fifaliana sy fiadanana anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Mirary herinandro feno ny fifalian'i Jesosy ho anareo tsirairay avy!

Mahereza daholo dia aza mitsahatra mivavaka!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Am-pifaliana tanteraka no iarahabana anao amin'ny anaran'i Kristy tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka renette!

Andriamanitry ny fahasoavana anie homba anao ka hampahery anao sy hamonjy anao ary hameno fiadanana anao amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Eny tokoa, voaray ny hetahetanao ary dia hitondra amim-bavaka anao ny namana rehetra, koa mahereza ary aza mitsahatra mivavaka! aza kivy, aza matahotra fa Andriamanitra maharipo sady be famindrampo Jehovah ary mihaino vavaka sy mamaly vavaka!

Mandraisa anjara mavitrika koa dia mahereza hatrany!
Manassé
renette il y a 2 mois
Miarahaba anareo namana rehetra ao anatin'ity groupe ity,ny fahasoavan'ny TOMPO anie hirotsaka amitsika , tena nanatan-jaka ny fanahiko tokoa n fitoriana , ny vavaka s n tso-drano rehetra zay novakiko tato be de be androany zay , eny tsy haiko ny ts hizara aminao ny olako satria efa voalaza koa hoe mifampizara ny mavesatra , Izaho de renim-pianakaviana iray zay niteraka roa zay tam olona iray hafa finoana zany hoe (musulman)marihina fa tsy vita ninon'inn izahay, ny asako de maka entana any ivelany ,tamin'ny fotoana tsy naha teto ahy fa naka entana tany am-pitan-dranomasina de noentiny dadany nitsoaka reo zanako ireo, tonga tany mada aho nieritreritra fa mbol tao antoerana ry zareo kanjo efa lasa nivoaka ny ivelany taty afrique izy sy ny zaza,afak 7j aho vao nahall rehefa natao ny fanarahana rehetra, niandry ny entako tonga moa aho vao afaka nanaraka , ary tsy maintsy nanaraka aho satria mamy amiko ny zanako,eny indraindray aho otrany toa efa diso miteniteny foana satria amin'ny maha fon-dreny , ,nony tong taty afrique de l'ouest aho de itako tao anaty ny fotoana fohy ny zanako nefa tao anatin'izany de vono ,sy fijaliana, ary ranomaso foana no nihainako tao, efa mafy loatra ny nahazo ahy de nitsoaka aho nitaraina t@unicef,nanao menace ahy ny fianakaviany, hatramzay kahatramizao aho tsy mahin-janako intsony,tsy mandreha ,tsy mahazo enyfa na de mandre ny feo az,rehefa natao ny fanaraha taty @justice ny taratasy satria ny unicef sy ny ONG terre des hommes no nanampy ahy de nivoaka ny ordonn azahoako ny zaza, tong indray ny fangln ny zz denafeniny indray nyzz,ny olona rehetra de presk voavidiny vola daholo satria ny aty kou firenena tia tsolitra beeee tsisy toy zany zay biro andehann, zay biro idirana ka fantatra fa kristiana mino ani JESOSY de zay no mba manampy am marina ,efa ho 12mois zay aho no taty, tsy lefy ny fitiavan-janaka, ny fiangonn, ny cholale, ny paira mivvk aty afrique zany zao no namako mitrotro ambavvk, ankehitn d maf ary tena mafy ny ady atrehako , ny @maha olombln de mila ho kivy satria ny vola aty otrany rano ny am acovat sy huissier ny frais va et vien, ankehitriny anefa de mangataka anreo namako aho hitrotro ambavvk amiko mafy de mafy ny ady
Adinoina il y a 2 mois
Amin'ny fifaliana no iarahabana sy andraisana anao eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka rsahondra!

Mirary ho anao sy ny ankohonanao ny fahasoavan'Andriamanitra Tsitoha handrakotra ny momba anareo sy ny ataonareo manontolo amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mazotoa dia mandraisa anjara mavitrika!
Mahereza!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Arahabaina isika rehetra mahatratra izao anio izao eo ambanin'ny fiarovan'Andriamanitra!

Mirary herinandro feno fiadanana ho aminareo!

« 20 Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, 21 Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. » (Hebreo 13:20-21)

Mahereza!
Manassé
Adinoina il y a 2 mois
Arahabaina hianao diadema tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka".

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie ho aminao sy ny ankohonanao ka Izy handrakotra anareo ny fiadanana sy ny fifaliana amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany dia mandraisa anjara mavitrika!
Manassé
hayve il y a 2 mois
Jesosy ô, mbola misaotra Anao aho ny @ fitiavanao anay, mamelà ny helokay Jesosy ô, tsy mendrika izahay. Mitondra ny firenenay Madagasikara eto Aminao aho Jesosy ô, mamelà re ny helokin'ny malagasy rehetra ianao, malahelo mafy aho Jesosy satria dia mbola manjaka ao ny sampy, ny tsy finoana Anao lay Mamonjy, ny fitiavan-tena, ny tsy fitiava-namana, ny fahotana rehetra Jesosy ô, abonné @ izany ny malagasy, kanefa efa nitor tany Ianao ary mbola mamindra fo, Jesosy ô, mitalaho Aminao aho mba mamelà ny heloka, vonjeo izahay, ataovy miaray fo sy saina ary fanahy ao Aminao. Aza avela ho kivy ireo olonao Jesosy @ fitoriana Anao ao @ firenenay. Jesosy ô, ny mahantra ataovy mitodika Aminao irer, tsy hangalatra mba ahazoana ny fivelomana, ataovy babonao ny fony Jesosy ô. Ny tokatrano rehetra dia entiko eto Aminao, ataovy mifankatia ny mpivady malagasy, mahatotra Anao, hitory ny fitiavanao @ zanaka sy ny ny hafa satria miainga @ tokatrano Jesosy ny faharatsiana, mitady izay hampana-karena, sy voninahitra izahay, mifona Jesosy ô, miasa @ mpitondra fiangonana Jesosy ô, mba hitor marina ny teninao izy ireny fa tsy hampihemotra olona kosa, ampivereno koa ireo izay efa niala tAminao Jesosy ô. Ampianaro izahay hikatsaka ny fanjakanao aloha fa tsy hikely aina @ ity vola sy harena ary voninahitra lava ity izahay. Jeosy ô, maro ny tiako angatahina Aminao ny @ Madagasikara fa Ianao mahalala izay mahasoa azy ka dia eo Aminao no ametrahako sy anaovako ny fangatahana. amena
hayve il y a 3 mois
Jesosy o, misaotra ny @ fahasoavanao, mbola velon'aina.Tahio ary mamelà anay rehetra eto @ ity groupe ity. Jesosy misaotra ny @ teninao izay mampianatra anay tsy hanaratsy ny mpitondranay, fa hivavaka ho azy ireo kosa. Mangataka Aminao aho mba hamela ny helokay t@ izay teny rehetra nanaratsy ny namanay sy ny mpitondranay, arovy ny vavanay tsy hanaratsy, tsy hitsara Jesosy ô fa mba hitia ny namanay kosa, hitory fitiavana @izy ireo. Tahionao manokana Adinoina Jesosy, ampeherezo mandrakariva izy @ izay asa efa nomenao azy, ampio @ famelomanany ny fianakaviana nomenao azy, tahionao izy ireo ary ampeherezonao satria maro ny mpanenjika. vANGIO KOA jESOSY NY FON4NY MAMBRA REHETRA ATO MBA HITODIKA aMINAO? HIDERA aNAO @ FITIAVNAO AZY? AZA AVELANAO HO RESY IZAHAY? AZA AVELA HIVILY LALANA SATRIA TSINONTSINONA IZAHAY RAHA MISARAKA aMINAO; aROVY IZAHAY TSIRAIRAY AVY @ ITY ANDRO ANIO ITY KA MBA HO JIRO TOKOA ANY @ IZAY ALEHANAY 5FITENY? FIHETSIKA? FISAINANA).
Mitondra ny tokatranoko manokana Aminao aho Jesosy mba hanjakanao, mamela anay 6 mianaka, omeo fahendrena izahay mivady @ fitantanana rehetra ao(vola, fitaizana, fotoana...) ary amapaherezo @ asa Masina nomenao anay, mba aharitra @izany, tahio rangaha izay irery any an-trano, arovinao Izy, ataovy mitodika Aminao irery ihany, ary ankinay sahady Aminao ny dianay rahampitso, mialohava lalana anay Jesosy ô, ataovy mifankatia izahay mivady,. Ny havam-badiko koa entiko eto Aminao mba havelao ny helony Jesosy, ataovy mitodika Aminao izy ireo ary koa hiala @ fitiavam-bola sy ny lainga ary ny fahazaran-dratsy rehetra. Jesosy ô, tsy misy tianao ho very izahay, ka omeo fahendrena izahay ny @ fitaovana entina hanova azy ireo, mifona koa ny @ izay rehtra natao sy notenenina mety nampalahelo azy ireo(tsy nahy), ka sokafy ny fony, hibebaka, hijery Anao irery ihany. Misaotra Jesosy ô, Anao ny dera ny laza ary ny voninahitra mandrakizay. Amin'ny anaran'i Jesosy no angatahiko izany amena
PetitesoeurdeJesus il y a 3 mois
Merci Seigneur pour ton Amour! Merci merci merciiiiiiiiiiii
hayve il y a 3 mois
Jesosy o, misaotra Anao izahay fa mbola velon'aina, mamelà ny helokay, entiko Aminao ny dadan'i Richlife, izay marary, vonjeo re izy Jesosy o, mamelà ne helony, esory ny aretiny, ahinjiro ny tanana ka ahasitrana azy, vonjeo izy, esory ny rofiny rehetra. misaotra Jesosy o amena
Adinoina il y a 3 mois
Andriamanitra anie hamaly vavaka anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hamaly fitia anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hiaro ny fonareo sy ny fanahinareo ary ny tenanareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hamindra fo aminareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hampitoetra ny fiadanany aminareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hampitoetra ny fifaliany aminareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hanasitrana anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hitahy anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hampionona anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hampahery anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hamelona anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hanadio sy hanasa ary hanamasina anareo tsirairay avy!
Andriamanitra anie hifidy sy hampandeha anareo tsirairay avy mba hiasa sy hamokatra be dia be amin'ny anarany!
Andriamanitra anie hahasambatra anareo tsirairay avy!

Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta! AMENA!
richlife2006 il y a 3 mois
Merci d'intercéder par la prière pour mon père qui vient d'être hospitalisé en service de cardiologie, pour évanouissement suivi d'une faiblesse de la poitié du corps
Que Dieu vous bénisse tous !
hayve il y a 3 mois
Jesosy ô, misaotra Anao @ fitiavanao anay, misaotra aho fa namaly vavaka indray ianao, Anao ny fotoana ka misaotra Jesosy nanokatra ny mason'ny vadiko, misaotra Jesosy ô, ampio izy @ fanananarana nzy ireo, mba ahay handanjalanja ny marina sy ny tsy izy @ izay lazain'izy ireo, omeo fahendrena Jesosy ny vadiko, ary izaho koa mba ho bonne conseillère, ampio izy mba ijery lavitra, tsy ihaino ny fony intsony, ahita ny fahadisoany hatrizay, ka hibebaka. Jesosy ô meteza re ho eo anilany fa mila Anao mafy izy @ izao, vonjeo izy. Ary koa ataovy tsapany mandrakariva fa tia azy aho (fiteniko, fihetsiko)Jesosy eo Aminao no ametrahako ny vavako amena
hayve il y a 3 mois
"Maro ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy", toriteny anio tao am-piangonanay. Isika rehetra izao dia manana andraikitra lehibe @ fitoriana y fitiavan'i Jesosy @ namantsika, indrindra ireo izay tsy mety mino, na tsy mahalala izany fitiavana tsy misy pentina izany, dia Jesosy, nanaiky novonoina nohon'ny otako sy otanao. Mangataha hery avy @ Jesosy mba ahavita ny asa, hampitombo ny talenta, mba tsy ho kivy @ fanatanterahana izany satria ny devoly dia mitady izay arapany mandrakariva, ka ny ahalavo antsika no tanjony.
Koa mampahery antsika mba hanao toy ny miandry ondry rehefa nahalala fa teraka i Jesosy: HANDRAY, HANDEHA HIZARA, eny mizara fitiavan'i Jesosy @ alanan'y toetrantsika, fihetsika, fiteny.
Jesosy momba anatsika rehetra ka hanafy hery @ alalan'ny Fanahy Masina mba tsy hitenenan-dratsy ny anarany isika. Ho amintsika anie Jesosy amen
Adinoina il y a 3 mois
Arahabaina amin'ny anaran'i Jesosy hianao massariana tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"!

Tononina ho anao sy ny ankohonanao ny fiadanan'i Kristy Jesosy! Izy anie hampahery anareo itomboanareo amin'ny finoana sy ny fitiavana ka hihazonanareo ny satroboninahitry ny fiainana hatramin'ny farany! amena!

Mahereza hatrany dia mazotoa mandray anjara!
Manassé
massariana il y a 3 mois
Miarahaba anareo namana rehetra ato anatin'ny groupe dia misaotra indrindra an'izay namorona ity groupe ity mba ahafahan-tsika miara-midera sy mankalaza ny voninahitr'Andriamanitra ! Mirary ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika tsirairay avy.Mahafinaritra ny zavatra rehetra izay voambara ato, manampy be dia be amin'ny fiainana an-davan'andro ary indrindra koa mampiorina mandrakariva ny finoana, eny fa na dia vao anio aza aho no niditra mpikambano ato dia itako fa tena mahafinaritra !! mirary soa antsika dia samy ho tahin'Andriamanitra
Adinoina il y a 3 mois
Ry namana isany mpikambana eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka", mahereza hatrany ary aza mitsahatra mivavaka fa tsy miova Jesosy, omaly sy anio ary ho mandrakizay! izaho ihany koa dia tsy mitsahatra mivavaka ho anareo tsirairay avy, isam-batan'olona, isan'ankohonana, isan-tokantrano!

Matokia, fa tsy mitsahatra ny Fanahy Masina misolo vava ho anao, mivavaka eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mifona ho anao, mangataka ho anao famindrampo sy famelankeloka mandrakariva ary mivavaka mba hanaiky an'i Jesosy mandrakariva hianao amin'ny fitiavany tsy manam-petra ka hanatonanao Azy amin'ny fanetren-tena!

Aza matahotra fa miorena tsara dia raiso ny fiadian'Andriamanitra rehetra ka tohero ny devoly!

Indro ny herin'Andriamanitra efa vonona hatolotra anao amin'ny anaran'i Jesosy, koa raiso amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana : « 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. » I Tesaloniana 5:23-24. Amena!
hayve il y a 3 mois
Jesosy o, misaotra ANao @ ity andro vaovao ity, voninahitra ho Anao mandrakizay.Mamelà ny helokay fa mpanota izahay. Tahio ity groupe ity, jereo ny olan'ny tsirairay eto, vangio ny fony, ataovy mitodika Aminao irery ihany izahay. Arovy @ devoly, ny loza ihany koa. Eo Aminao no ametrahako ny andronay rehetra anio, ampeherezo izahay mba ho jiro @ity tany ity, ka tsy hitenenan-dratsy y anaranao Jesosy ô. Tahio ny membres rehetra ato ary i Adinoina izay mikarakara ity indrindra, ampionao izy, tahionao manokana izy. Amin'ny anaran'i Jesosy no angatahiko izao Amena
Adinoina il y a 3 mois
Bienvenue dans le groupe Besamba!

Que la paix de Jésus Christ te soit versée en abondance et qu'Il t'accorde sa grâce, sa miséricorde et sa joie en tout ce que tu fais et en tout ce que tu es! amen!

Bon courage et bonne participation!
Manassé
miadana il y a 3 mois
Miarahaba antsika @ anaran'i Jesosy ary mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra,izy Tompo anie hitantana @ fihazakazahantsika isan'andro ary isika mba hanao azy ho lohany hatrany am'zany.Dia misaotra koa Tompo ny amin'i Manoa kely zanakay nitahy azy ianao ka tratrin'ny faha-7 taonany izy anio misaotra satria ny fahasoavanao no naha toy zao azy ,ary de mametraka ny ho aviny rehetra eo am-pelatanao mba ho tena zanaka manoa tokoa izy ,arovy @ naman-dratsy sy ny fitaoman-dratsy rehetra izy mba ho voninahitry ny anaranao ireey ihany ny fahavelomany.Amen
Adinoina il y a 3 mois
Misaotra sy mankasitraka anao Ynnah!

Ny fiadanan'i Jesosy anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Izy hampitoetra ny fifaliany aminareo anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Ynnah il y a 4 mois
Manassé,
Mankahery anao hatrany amin' ny asa fanitarana ny fanjakan ' Andriamanitra.Izy Tompo no handrotsaka ny fahasoavany ho amin 'ny ankohonanao.
Mirary soa.
Adinoina il y a 4 mois
Je vous souhaite à tous : BONNE SEMAINE mes chers amis!

Que Dieu vous protège au nom de Jésus! amen!
Bon courage!
Manassé
Adinoina il y a 4 mois
Je vous transmets chers membres la peine de l'une de nos amis "justme71" au nom de Jésus afin que nous puissions prier et intercéder en faveur de sa fille, d'elle et de son foyer!

"Je suis ravie de faire partie de vos frères et soeurs
en Christ. Je vous demade de prier pour ma fille qui est cruellement torturée par Satan et ses démons, la maladie se manifeste par des hallucinations, les angoisses, l'agressivité, la violence, la grossiereté, la méchanceté , elle agresse sans raison les gens de l'extérieur. Nous sommes allées au Toby d'Ambohibao, ils l'ont chasssée les démons mais malheureusement elle est toujours sous la domination de Satan. Mon coeur de mère est meurtri, que faire, je prie avec elle et je continue car j'aime Dieu et JC son fils unique Dieu lui-même.
Merci de votre prière pour elle, elle va avoir 15 ans au mois de février. Je souhaiterais qu'elle sorte de l'hopital psychiatrique et vive avec moi dans le Seigneur.
Que le Seigneur vous bénisse.
Léonie."
Adinoina il y a 4 mois
Bienvenue dans le groupe justme71!

Soyez-bénis tous, à toi et aux tiens! que la paix et la grâce de Jésus Christ vous inonde et remplisse vos cœurs! amen!

Bon courage et bonne participation!
Manassé
hayve il y a 4 mois
Misaotra Anao Jesosy fa lehibe ny fitiavanao anay, mifona re @ fahotanay mandrakariva, na izany aza dia tsy avelanao ho very izahay, misaotra Jesosy o. Misaotra anao koa aho fa vita soam-tsara ny fandidiana ny zanakay, misaotra satria fantatro fa nanatrika tao Ianao, misaotra koa @ izay rehetra omenao anay tsy takatrin'ny sainay. Deraina mandrakizay ny anaranao Jesosy ô amen
lanja il y a 4 mois
Jesoa Kristy o, nanolotra ny tenanao Ianao mba hisolo vaika ny fahotako rehetra. Fantatro Tompo fa malala eo imasonao aho, fantatro Tompo fa miady ho ahy Ianao fa izaho kosa hangina, fantatro Tompo fa nanolotra ny rànao Ianao mba ho famonjena ahy ary ny dia-kapoka taminao no fanasitranana ho ahy. Jesoa o, manaiky Anao ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainako manokana aho. Ny tena faniriako Jesosy dia ny handova ny fiainana mandrakizay izay efa nomenao ho ahy. Tsy izaho ihany anefa Jesosy fa ny ankohonako sy ireo kristianina rehetra namako. AMEN
lanja il y a 4 mois
Amen! Amen! Amen
Adinoina il y a 4 mois
Au nom de Jésus Christ de Nazareth, le Seigneur des seigneurs, le Roi des rois, le Seigneur des cieux et de la terre, que je vous bénis tous, mes chers amis, pour ce nouvel an 2012!

Toutes les chaînes du mal qui vous retiennent encore, que ceux soient, les mauvaises habitudes, les mauvaises pensées, les rancunes, la peur, l'iniquité, les péchés, sont brisées par le sang précieux de Jésus!

Tous les mauvais esprits et tous les démons, qui vous hantent et ne veulent pas vous affranchir, que ce soient, la persécution, l'accusation, le mensonge, l'orgueil, les envies, les jalousies, la désobéissance, la rébellion, les maladies, le vol, l'arnaque, sont ligotés au nom de Jésus Christ et seront renvoyés en enfer! SATAN va-t-en avec tes armées dans le gouffre de l'enfer, là où sont préparés vos destinées!

Tout ce que le Seigneur Jésus Christ n'a pas planté dans vos coeurs, est anéanti par le feu purificateur du Saint-Esprit! amen!

Voici l'appel de Jésus pour vous en cet instant :
- « Si vous confessez vos péchés, Il est fidèle et juste pour vous pardonner vos péchés et vous purifier de toute iniquité. » I Jean 1:9

- « Voici, je me tiens à la porte de votre coeur et je frappe : si vous entendez ma voix et que vous ouvrez la porte de votre coeur, j'entrerai chez vous et je souperai avec vous, et vous avec moi. » Apocalypse 3:20

Si vous confessez le nom de Jésus Christ comme votre Sauveur personnel à partir de maintenant et que vous répondez, "OUI SEIGNEUR JESUS CHRIST, TU ES MON SAUVEUR ET JE CROIS EN VOUS!"

Voici ce que le Seigneur vous dit en ce jour au nom de Jésus Christ,
- « ...Aie bon courage, ...tes péchés sont pardonnés. » Matthieu 9:2

- « ...Recevez l'Esprit Saint. » Jean 20:22 ; et qu'Il vous protège, vous conseille, vous insuffle la sagesse divine, vous abonde une foi salvatrice, vous imbibe de son amour éternel et vous reconforte en une espérance inébranlables jusqu'à la venue de Jésus

- garde cette bénédiction dans la foi, avance dans la foi en Jésus et reste en communion avec Lui

- au nom de Jésus Christ de Nazareth, vous êtes guéris!

Que la paix de Jésus soit en vous tous! amen!
Adinoina il y a 4 mois
Tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" hianao Hasinjaka!

Dia mirary indrindra, ny fahasoavan'i Kristy Jesosy anie hameno anao sy ny ankohonanao, fifaliana sy fiadanana ary hampitombo ny finoanareo hananareo toky fa manana Andriamanitra tsara hianareo!

Mahereza hatrany dia mazotoa mandray anjara!
Manassé
Adinoina il y a 4 mois
Arahabaina hianao Ainatahina tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"!

Amin'ny fifaliana tanteraka no andraisana anao sy anasàna anao handray anjara mavitrika!

Dia ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha, nanao ny lanitra sy ny tany anie hameno ny fiainanao anio, ampitso ary ho mandrakizay ka Izy hiaro ny fonao sy ny fanahinao haharitra hatramin'ny farany amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Dia mahereza hatrany!
Manassé
hayve il y a 4 mois
Adinoina, ho aminao sy ny tokatranonao anie ny fiadan'i Jesosy. Misaotra @ fikarakaranao ity, @ teny fampaherezana omenao, tahian'i Jesosy manokana ianao dia tongava aminao araka izay irin'ny fonao. Amena
hayve il y a 4 mois
Miarahaba anareo indray, mba ento am-bavak are it fianakaviana 1 izay mandalo fitsapana maro, migadra ny raim-pianakaviana fa tratra nanao affaire maloto, mrary izy @ hopitaly, nisy olona nanome vola ivohanay fa nisy olona nangalatra ny ampahin'ilay vola (ao @ fianakaviany ihany io a), mba hiova, ho enjhin'ny eritreriny ka hamerina lay vola, hiala @ ratsy fanaony izy rehetra, Jesosy hamela ny helony ka hiova ry zareo mianakavy.
Somary sahiran-tsaina aho satria na dia te hanampy, y vola efa feno ve dia angalarina ndray, tsy haiko e, mivavaka no ataoko fa tena mahakivy ahy na ny mieritreritra azy aza.
Jesosy o, mifona aho @ sain-dratsiko (tsy haiko na ratsy tokoa aloha), omeo fahendrena aho ahalalako ny tokony ataoko @ ity olona ity. Misaotra Jesosy, ampeherezo ny fianakaviany, mba ho anatra ho anay rehetra izao.
Misaotra Jesosy ô Amena
hayve il y a 4 mois
Deraina Jesosy @ fahasoavany sy famindram-pony mahartitra @tsika rehetra.
Faly miarahaba anareo rehetra @ anaran'i Jesosy tratr'izao anio izao, ity taona vaovao avelatrany ho antsika ity.
Misaotra Anao Jesosy t@ fitondranao hatrizay, mamelà ny helokay, ny heloko fa tsy mendrika izahay, Jesosy ô, misaotra @ izay rehetra omenao (ainanamana...) Misaotra Anao manokana aho fa nambininao sahady na dia tsy mendrika izany aza, ampianaro aho hitanatana ny talenta rehetra nomenao, Jesosy ô tahio ity groupenay ity, ireo mpikambana rehtra ato, ambino avokoa, i Adinoina, aza avelanao tafasaraka Aminao izahay, satria maro ny fandriki satana ahavery anay, misaotra Fanahy Masina fa miasa tsy mijanona Ianao, mampahazava ny lalanay, mampahiratra ny masonay, ny fonay, mifona mampalahelo Anao matetika.
Jesosy ô, eo Aminao irery ihany no ametrahako ity taona ity, ho voninahitrin'ny anaranao iery ihany ny fahavelomanay ary koa ampio izahay mba hihamasina isn'andro arovy @ devoly, ny loza ary ny fakam-panahy izahay rehetra eto, mba tsy hitenenadratsy ny anaranao. Misaotra Jesosy malala ô Anao ny der, ny laza ary ny voninahitra mandrakizay. Amena
glorise il y a 4 mois
Chères Soeurs, Cher Frères,


Meilleurs Voeux 2012


La famille est la cellule originaire de la société. « C’est dans la famille que les enfants apprennent les valeurs humaines et chrétiennes qui permettent une coexistence constructive et pacifique. C’est dans la famille qu’on apprend la solidarité entre les générations, le respect des règles, le pardon et l’accueil de l’autre ».
Que cette nouvelle année soit pleine de sérénité, de paix, de santé, de petits plaisirs et de grandes joies..Que notre Seigneur couronne tous ses enfants de sa couronne d’amour et de paix.

Patricia
hasinjaka il y a 4 mois
Tahin'ny Tompo, mba mangatabavaka, fa tato ho ato zao dia tafihan'ny jiolahy foana ny tokatranonay ary tsy amelany fa iverenany foana isakalina, mila antsika mpianakavin'ny finoana hitondra ambavaka anay 3 mianaka. misaotra mialoha amzany ary Jesosy Tompon'ny finoantsika anie hamaly fitia anareo rehetra.
miadana il y a 5 mois
Miarahaba antsika tratry ny taona 2012 de mirary ny fitahiny ho amintsika sy ny ankohonantsika tsirai2 avy ary ny fitahiny manana amby ampy anie hitoetra amintsika noho ny indrafony irery ihany fa tsy noho ny amintsika .Amen
nick il y a 5 mois
Ho voninahitra mandrakizay anie ho an'ny anaran'Izy Tompo nohnon'ny fitantany mahery ka mbola ametrahantsika eo aminy indray ny momba antsika manontolo mandritr'ity taona vaovao ity. Tompo ô! ho deraina ny anaranao amen!
lanja il y a 5 mois
Isaorana anie ny Tompo nanome antsika ity taona 2012 ity.
Maro tokoa ny zavatra niseho tamiko tamin'iny taona 2011 iny ary raha zohina dia mazamazana ihany. Nampandalovin'i Tompo fitsapana nahery vaika aho toy ny aretina, famoizana namana sy havana,sns...Mafy tokoa ireny Jesoa Kristy ary navesatra tamiko, kanefa nentiko teo Aminao avokoa araka ny teninao hoe mankanesa aty Amiko ianareo miasa fatratra sy mavesatr'entana fa Izaho no hanome anareo ny fitsaharana. dia niasa Ianao Jesoa Kristy,. Nisy fotoana tena tsy azoko ny fitondranao ahy fa soa fa teo Ilay Fanahy Masina nampahery sy nampitraka hatrany ka nafahafako niatrika ny zavatra rehetra na nangirifiry sy nangidy aza. Tao anatin'izany no tena nahatsapako izany hoe tanan'Andriamanitra miasa izany, tamin'izany no nahatsapako izany hoe Herin'Andriamanitra izany. Ary ny tena zava-dehibe indrindra tamiko dia ny fitomboako ara-panahy. Fantatro amin'izay izany atao hoe fiadanam-po omen'i Jesoa Kristy izany, tsy voafetran'ny olana, tsy voafetran'ny aretina sy ny alahelo isan-karazany. Resy lahatra tanteraka ny amin'ny fitiavanan'Andriamanitra antsika aho ary indrindra indrindra ny amin'izany hoe fahatsaran'Andriamanitra izany. Koa amin'izao taona vaovao izao dia mirary antsika rehetra aho mba hanehoan'ilay Tompo Mpanao ny tsara ny fahatsarany rehetra eo amin'ny fiainantsika tsirairay avy.Tahian'Andriamanitra daholo o! AMENA
TJK12 il y a 5 mois
Ny fiadanan'ny Tompo Jesoa anie ho amintsika rehetra!!!
Hifarana ny taona 2011, fomba moa ny manao "bilan" rehefa tapitra tahak'izao ny taona.Raha ho ahy manokana aloha dia iny ny taona mafy indrindra tamiko hatramin'izay fa maro ny fitsapana sy ny fanafihan'ilay ratsy. Fa ny fifaliana lehibe tao anatin'izany rehetra izany dia iny ny taona nitomboako ara-panahy be indrindra sy nanaovako dingana lehibe maro ho amin'ny fahamasinana miaraka amin'ny Tompo. Tsy namela ahy ho irery ny Tompo tao anatin'izany ary raha tsy ny famindrapony sy ny fitiavany ahy dia efa potika tanteraka ny fiainako ara-panahy ohatr'izay ary mety efa lasa adala na maty mihitsy aza aho raha tsy niaraka sy nifikitra tamin'ny Jesoa ka nanaiky ho tarihin'ny Fanahy Masina. MAHERY JESOSY, TSARA JESOSY, TIA ANTSIKA JESOSY!!! misy antony ny zavatra rehetra alahany eo amin'ny fiainantsika na mafy amintsika aza indraindray. MAHEREZA DAHOLO DIA MIRARY TAOM-BAOVAO SAMBATRA HO ANTSIKA REHETRA!
AFAKA il y a 5 mois
Hifarana tsy ho ela ny taona 2011. Nifandimby tao ny soa sy ny tsara, nefa nisongadina be tamin'izany ny fahasoavana sy ny fanatrehan'ny Tompo Jesosy izay tsy nahasaraka antsika.Mino aho fa hiasa mahery ho antsika zanany indray Jesosy amin'ny taona vaovao 2012.Dia samy ho tratry ny taona vaovao daholo é! Jesosy anie haneho fahagagana amin'ny fiainan-tsika rehetra isan'andro. Amen!
Adinoina il y a 5 mois
Dia hitondra fifaliana sy fiadanana sy fahasitranana sy fahasoavana avy amin'i Kristy Jesosy, ho anareo sy ny ankohonanareo ary ny fianakavianareo avy anie izao faran'ny taona 2011 izao!

Dia mahereza hatrany fa tsy manadino anao Jesosy ary izao no fotoana hanamarinan'i Kristy indray va velona Izy ary velona koa hianao! amena!

Tsarovy fa TIA ANAO JESOSY ary tena TIA ANAO tsy toy ny fitiavan'olombelona fa tena ilay fitiavana tsy manam-petra ka nanomanany ho anao ny fanjakany sy ny seza fiandrianana ho anao hatramin'ny nahariany izao tontolo izao, eny fa na dia mbola tsy hary akory aza hianao dia efa naneho ny fitiavany anao Kristy... satria TIA ANAO JESOSY! amena!
Adinoina il y a 5 mois
Bienvenu baroelrija dans le groupe!

Merci de nous rejoindre!

Que la miséricorde et la paix de Jésus Christ te remplissent et qu'Il vous bénisse, toi et ton foyer, aujourd'hui, demain et à jamais! amen!

Bon courage et bonne participation!
Manassé
lanja il y a 5 mois
Manao ahoana daholo ianareo. Mba mangata-bavaka izahay. Nodidiana ny rafozako t@ 20 décembre teo, vita soa aman-tsara ny opération-ny efa nisy évolution be. Izaho sy ny zanako ny 22 décembre nandeha taty France fa mba hamangy fianakaviana dia izao indray vao teo dia niantso tany amin ny vadiko izaho dia henoko fa nodidiana urgent be izy tamin ny maraina. Andao isika hitoloko sy hiangavy amin'Andriamanitra mba hositraniny tsara sady haingana izy. Ny andro ry reto fety, izahay aty lavitra be aty ka famindram-pon'Andriamanitra no ilainay mianakavy. misaotra indrindra. Ny Tompo anie homba antsika mianakavy
miadana il y a 5 mois
Jesôsy ô diovy ny fonay indrindra @ zao krismasy zao mba ho toera masina itoeranao ,hiavao hatrany ny fanolora-tenanay ho anao .Amen
Dia mirary krismasy sambatra ho antsika rehetra
Adinoina il y a 5 mois
Très heureux de t'accueillir dans ce groupe AFAKA!

Nous te remercions de nous avoir rejoint.

Que la paix de Jésus Christ te soit versée en abondance et qu'Il t'accorde sa joie dans sa bonté divine sur tout ce que tu es et en tout ce que tu fais ainsi qu'à la grande mission qu'Il t'a confié! amen!

Bon courage et bonne participation!
Manassé
Adinoina il y a 5 mois
Tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka hianao zo21! Arahabaina!

Dia misaotra anao miombona aminay ka hiara-hivavaka sy hifampahery eto amin'ity groupe ity.

Ny fahasoavan'Andriamanitra Tsitoha, Rain'i Jesosy Kristy Velona anie hiaro anao sy ny momba anao manontolo ka hitahy anao amin'izay ataonao sy mahakasika anao rehetra ary Izy anie homba anao sy ny ankohonanao! amena!

Mahereza hatrany dia mazotoa mandray anjara!
Manassé
Adinoina il y a 5 mois
Amin'ny fifaliana tanteraka no andraisana anao eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka Hectorlala!

Mankasitraka nanoina ny fanasana!
Ny fiadanan'i Jesosy anie homba anao ka Izy hameno fifaliana sy fitahiana anao sy ny ankohonanao! amena!

Mahereza hatrany dia mzotoa mandray anjara. Aza misalasala raha misy tiana ambara!
Manassé
Adinoina il y a 5 mois
Tahian'i Jesosy hianao Tytah91, tonga soa eto amin'ny Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka fa dia faly tokoa izahay,

Ny fahasoavan'i Kristy anie ho aminao sy ny momba anao ary ny ataonao rehetra ka Izy handrakotra fitahiana sy fahombiazana ho anao ho voninahitry ny anarany! amena!

Mazotoa mandray anjara dia mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 5 mois
Tonga soa Ynnah!

Mankasitraka tanteraka nanohina ny fangatahako... izay raha ny tena marina dia antson'i Kristy!

Am-pifaliana tanteraka no andraisana anao ary dia mirary indrindra izahay namana rehetra raha mirary ny hahitanao ny soa sy ny tsara indrindra ao amin'i Jesosy ka anomezany anao ny fifaliany anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mazotoa mandray anjara! dia mahereza hatrany!
Manassé
Ynnah il y a 5 mois
Ny Fahasoavan ' Izy Tompo ho eto anivon ity tranonkal ity hatrany.Mbola maro ny ezaka miandry antsika ho eo anivon ny fiaraha monina fa ny fisian ny Vondrom bavaka tahaka izao no dingana manova sy manantsara ny ho avy ho mirana kokoa, misaotra betsaka an ' i Manasse nanasa ho mpikambana dia mirary soa ho antsika rehetra.
Zamaria1 il y a 6 mois
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana sy fiadanana avy @ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo!

Indro misy teny ho fampaherezana antsika rehetra:"Sal 121:1 Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy. MANOPY ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Sal 121:2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Sal 121:3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Sal 121:4 Indro, tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Isiraely.
Sal 121:5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
Sal 121:6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, na ny volana nony alina.
Sal 121:7 Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Sal 121:8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka ho mandrakizay."

Mibebaha, mivavaha ka aza mitsahatra fa izany ihany no lalana ahafahantsika mandresy ny devoly sy asaratsiny.

Mahereza daholo e!
Adinoina il y a 6 mois
Dia mirary ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha sy ny fahasoavany ho aminareo sy ny ankohonananareo tsirairay avy namana eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" amin'ny anaran'i Jesosy amin'ity herinandro vaovao ity! amena!

Mahereza hatrany!

Que la grâce et la bénédiction de Dieu Puissant soient en vous et en votre foyer, vous mes chers amis de "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" au nom de Jésus pour cette nouvelle semaine! amen!

Bon courage!
Manassé
Adinoina il y a 6 mois
Arahabaina tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" hianao Petitesoeurdejésus!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha sy ny fahasoavany anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Izy hampitoetra ny fiadanan'i Kristy aminareo, anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 6 mois
Tahian'Andriamanitra hianao dinariliva!

Arahabaina tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka"! ny fiadanan'i Kristy Jesosy anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Izy hampitombo anareo ao Aminy ho amin'ny voninahitra mahagaga! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
hayve il y a 6 mois
moarahaba ny namana rehetra e, i Adinoina koa tsy hadino e. Misaotra an'Andriamanaitra tokoa isika nohon'ny aina mbola omeny antssika e. Mirary andro feno fifaliana sy fahasoavana ho antsika rehetra e, dia tahian'i Jesosy manokana a.
Adinoina il y a 6 mois
Arahabaina mahatratra ny anio isika tsirairay avy amin'ny anaran'i Kristy!

Dia mirary ny fitahiana feno ho anao sy ny ankohonanao mandrakariva amin'ity herinandro ity!

Mahereza hatrany!
glorise il y a 6 mois
Bonjour Frères, bonjour soeurs,

Merci à vous tous de me recevoir aussi chaleureusement
Surtout au Frère Manassé.
Je ne parle pas votre Langue, mais heureuse d'être avec vous
Que notre Seigneur nous bénisse de toutes ses grâces

Fraternellement
Adinoina il y a 6 mois
Dia mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho anareo amin'ity herinandro vaovao omen'i Kristy antsika ity! amena!

Mahereza hatrany!
Adinoina il y a 6 mois
Arahabaina tonga soa eto amin'ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" hianao dinariliva!

Ny fiadanan'i Kristy anie ho aminao sy ny momba anao ary ny ataonao manontolo dinariliva ka Izy hamaly fitia anao ka handrakotra anao fahasoavana sy fifaliana, anio ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany ao amin'i Jesosy!
Manassé
Adinoina il y a 6 mois
C'est avec joie que nous membres du groupe "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" ("Groupe de prières et Exaucement de prières") que nous te recevons glorise.

Que la paix du Seigneur Jésus te remplisse et que ta communion avec Lui dans ses paroles à travers les prières soit! qu'Il exauce tous tes meilleurs vœux en Lui pour la gloire de Dieu! amen!

Bon courage sœur, et que Dieu vous protège, toi et tous ceux qui te sont chers! amen!
Manassé
Adinoina il y a 6 mois
Dia faly miarahaba antsika rehetra ato amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka amin'ny anaran'i Jesosy!
Isaorana Izy amin'ny fitiavany antsika tsy manam-petra ka mamela antsika hivavaka sy hanana firaisana Aminy amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra!

Dia mirary herinandro feno fahasoavana ao amin'i Jesosy ho anao sy ny ankohonanao mpikambana tsirairay avy sy namana tsy mahafoy noho ny anaran'i Kristy!

Mahareza hatrany, amin'ny fivavahana sy ny fisaorana ary ny fifonana fa efa akaiky Jesosy!
Ho an'Andriamanitra ny voninahitra! amena!
Manassé
nick il y a 7 mois
misaotra indrindra amin'ny fiaraha-mivavaka, Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra anie homba antsika rehetra ary ampiseho antsika ny fitiavany, mitalaho aminy koa isika mba ho tena vondrom-bavaka sy valim-bavaka no iraisantsika eto, Ho an'Andriamanitra irery ny dera sy ny laza mandrakizay. amen!
Adinoina il y a 7 mois
Ry Andriamanitra tsara sady mpanao ny tsara ô!

Misaotra anao izahay noho ny amin'ny fitiavanao anay ka amelanao anay hiombona Aminao Andriamanitra, noho ny amin'ny anaran'i Jesosy na dia tsy tanteraka eo imasonao aza izahay.

Misaotra anao izahay Jesosy ô, ny amin'ny famindramponao aminay ka anomezanao anay izao andro anio izao ahafahanay mitodika Aminao.

Mitondra aminao manokana Jesosy malala ô! ny fianakavian'i Nick, mandalo fitsapàna mafy ankehitriny, mba hamindranao fo, mba hiasanao manokana amin'ny Fanahin'ny fiononana sy ny fahononana ao Aminao, mba hantsoinao manokana ao amin'ny Fanahin'ny fibebahana, mba hodiovinao amin'ny rànao masina Jesosy malala ô ho an'izay miverina sy mibebaka Aminao... mba hiasan'ny Fanahinao Masina, Ilay Fanahin'ny faherezana...

Porofoy amin'izany fianakaviana izany Jesosy malala ô fa ny Fanahinao dia tsy Fanahy osa fa Fanahy Mahery, sy fahononam-po ary fitiavana ka izay miantso Anao sy mandray Anao dia mandray sy miray amin'izany Fanahy Mahery izany... ary izay miantso anao dia tsy mba misy lavinao mihitsy... zanakao sy asan'ny tananao izany fianakaviana izany noho ny amin'ny rànao latsaka teo Kalvary Jesosy malala ô koa dia mino aho fa raisinao ho aminao sy adidinao rahateo araka ny teninao...

Koa manantena valim-bavaka avy Aminao Jesosy koa meteza hamonjy, meteza hanasitrana, meteza hanafaka izany fianakaviana izany Jesosy ô amin'izao fitsapana mafy amin'izy ireo izao...

Misaotra sy mankasitraka Anao aho amin'izay nataonao sy mbola hataonao amin'izany fianakavian'i Nick izany!
Deraina mandrakizay ny anaranao masina Jesosy ô! amena!
Zamaria1 il y a 7 mois
Jesosy ô, io i Nick mitaraina aminao ka mamindra fo aminy sy ny fianakaviany ary mamelà ny helok'izy ireo sy ny fahotany rehetra. Ampahafantaro azy ireo Tompo ô izay rehetra mbola mampalahelo anao ataon'izy ireo ka tokony hibebahany.
Dia omeo azy ireo ny hery avy aminao mba hahazakany ireo fitsapana mandalo aminy ary ampaherezo izy ireo mba tsy ho kivy, vahao ny olana rehetra mianjady aminy.

Ianao Tompo no efa niteny fa: "Ny mpanompoko izay nofidiko dia tsy mba hariko"

"Jer 32:27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?"

Dia mahereza mivavaka ary aoreno mafy ny finoanao fa hamaly vavaka anao ny Tompo.
nick il y a 7 mois
Tompo ô! Ianao irery ihany no mahay izay mety aminay, henoy vavaka izahay fa reraka , mitalaho mba valio amen!
nick il y a 7 mois
Tompo ray masina o! miantso sy mitalaho mba hatreo izahay amin'izao olana lalovanay izao, aoka ny sitra-ponao irery no ho tanteraka aminay ary aza avelanao hisedra izay tsy zakanay izahay , mangataka fiaraha- mivavaka aminareo aho ry namako isany fa mandalo fitsapana ny fianakaviako.
ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra anie hitahy antsika tsirairay avy amen!
miadana il y a 7 mois
Jesôsy ô misaotra noho ny fitiavanao,tazony mandrakariva zahay rehetra mba tsisy haharombaka anay @ tananao,ampitomboy ny finoanay ,aoreno ny fahatokinay anao mba ho mpandresy mandrakariva zahay rehetra eto sy ny ankohonanay tsyrairay avy ary indrindra amasino satria masina ianao.Amen
Zamaria1 il y a 7 mois
Miarahaba antsika rehetra @ anaran'i Jesosy; Fiadanana anie ho amitsika!
Indro misy tenin'Andriamanitra ho fampaherezana izay rehetra manana olana na ady atrehina ankehitriny: " Sal: 27:1 JEHOVAH no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?
Sal: 27:2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
Sal: 27:3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
Sal: 27:4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny."

Dia mahereza daholo.Mibebaha. Mazotoa mivavaka ka aza mitsahatra!
Amen!
hayve il y a 7 mois
deraina Jesosy@ fitiavany antsika, mahatoky Izy na dia tsy mahatoky aza isika. Jesosy homba antsika rehetra amena
Zamaria1 il y a 7 mois
2Ti 1:6 ARY noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tànako.
2Ti 1:7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
2Ti 1:8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
2Ti 1:9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
2Ti 1:10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalovana mandrakizay;

Samia mahereza daholo dia mahefa be @ asan'ny Tompo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina @ asany!
Fiadanan'ny Tompo anie ho aminareo mandrakariva!
Amen!
asimbola il y a 7 mois
Ray ô!! Misaotra ny @ zao tombon'androm-pahaveloma,ana omenao anay izao; misaotra ny @ fitatantanao tsy misy hadisoana; misaotra fa mitranga ny zavatra iray eo @ fiainanay na de mavesatra aminay ary nefa nekenao; te hanakasitraka Anao Jesosy ny @ fitondranao ny fiainanay! Ray jereo manokana @ I Nick izay mandalo olana; tolory saina izy mba hahita vahaolana de ataovy mivoaka mandresy ao anatin'ny fitsapana izay mandalao eo aminy; tsy adinonay koa Andriamanitra ny mitalaho Aminao mba ho azon'i Nick ny fampianarana sy fanitsiana tianao atao eo @ izao fanamboaranao azy izao; Ilay Fanahin'ny faherezana Tompo no hamenohy azy hahatonga azy mihoatra noho n'ny mpandresy; misaotra Jesosy fa mihoatra noho izay voatonon'ny vavanay no efa ataonao sahady eo Nick sy ny fianakaviany. Amen
nick il y a 7 mois
Tompo ô! misaotra anao aho satria nomenao ity toerana ity ahafahako miantso sy mitalaho ny anaranao miaraka amin'ireto namako rehetra ireto, fantatatrao ny zavatra lalovanay amin'izao fotoana izao, fantatrao Ray ô ny tebitebinay rehetra, To^mpo ô! iraho ny fanahy masinao idina ao anatinay tsirairay avy ka hanazava ny sainay omeo fitiavana izahay ahafahanay mifankatia sy mifanampy, ahay hifandefitra, izay rehetra omenao anay Tompo ô dia ho etina hiderana ny anaranao irery ihany! omeo vaha- olana izahay ary atoroy anay ny tokony atao fa tena very tanteraka ao anatin'izao fitsapana mahery izao, indrnda aza avelanao ho very finoana, fafao ny ranomaso Tompo ô! hanjary ho fifaliana, Ray ô! henoy ny vavakay amen!
TJK12 il y a 7 mois
Gloire à Toi Seigneur JESUS CHRIST!!!!!!
Nous T'aimons beaucoup!!!!!!!!!!!
nick il y a 7 mois
Misaotra anao izahy Tompo fa mbola tratryy izao herinandro vaovao izao, mifona aminao izahay satria avezivezin'ity fiainana ity ka manadino ny miantso anao indraindray nefa Ianao tsy mba manadino. Dia mbola apetraka eo ambany fitantananao indray ny momba anay tsrairay avy eto, sy ny vetsom-ponay tsirairay avy ka ny sitr-ponao irery ihany Tompo ô! no aoka ho tanteraka aminay amen!
TJK12 il y a 7 mois
Dia feno fiderana anao indray ny fonay Jesosy amin'izao fotoana izao satria tontosa soamantsara ity herinandro ity. Misaotra tamin'ny zavatra rehetra nitranga tamin'iny herinandro iny, misaotra tamin'ny fitahianao sy ny fiarovanao. Ifonana Jesosy izay rehetra tsy nankasitrahanao sy tsy nanome voninahitra anao, hangatahana famelana sy ny indrafonao izany Tompo ô! Diovy ny sainay, ny fonay ary ny fanahinay; havaozy isa-tsegondra Tompo ô mba ho mendrika anao. Dia apetraka feno eo am-pelatananao indray ny tohin'ny fiainanay rehetra, arovy izahay amin'ny asa ratsin'ny satana rehetra ary fenoy ny hosotry ny Fanahinao Masina. Amen!
Adinoina il y a 7 mois
Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanana! amena!

Mirary faran'ny herinandro feno ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fiarovany ho anareo sy ny tokantranonareo tsirairay avy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
miadana il y a 7 mois
Jesosy ô, aoka ho aminay ny fifalinao mba ho tanteraka ny fifalinay ary ny fiadananao zay mihoatra noho ny fahalalana tsara rehetra anie hiaro tokoa ny fonay ,ny fihevitray AMEN
hayve il y a 8 mois
misaotra Jesosy ny @ity andro vaovao omenao anay ity indray, mangata-pihavanana Aminao JESOSY FA NANOTA IZAHAY TSIRAIRAY ETO? MAMINDRAFO AMINAY;Jesosy ô misaotra Anao @ ireto namanay izay mifampivavaka, tahionao manokana izy ireo, a
nick il y a 8 mois
Tompo ô! ho derainay mandrakizay ny anaranao! misaotra betsaka antsika namana rehetra miombom-bavaka ho an'ny fianakaviako, tena mahatsiaro fa tsy irery, Homba antsika tsirairay anie Izy Tompo izay mahay mandahatra ny zavatra rehetra amen!
miadana il y a 8 mois
Tompo ô hitanao ny momba anay rehetra ,isaoranay ny fitiavanao fa @ fotoana mety mampangirifiry anay na ahatsapanay fatiantoka de hay fiadanana tanteraka no ao ambadik'reny ko de ampianaro zahay hitoetra @ fahatokina tanteraka anao na @ mora na @ sarotra,,fantatrao fa te hiorina @ zany fahatokina anao zany zahay nefa indrisy fa matetika de latsaka anaty fihanahanana sy fisalasalana ko de ampio zahay Jesosy fa hainao zany.zahay rhtreto @ ty groupe ty ko de vangio ny fanahinao masina zahay rehetra mba hiorina tanteraka @ zany fahatokina sy finona anao zany eo anatrehan'ny mety sarotra lalovan'ny tsirai2 avy .AMEN
Adinoina il y a 8 mois
Hianao Andriamanitra Mpamonjy sy Mpanafaka ary Tompon'ny fiainana sy fiadanana mandrakizay, Ray sady Tompon'ny voninahitra rehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany, no antsoiko hijery manokana ny fianakaviana iray ao amin'ny fianakavian'i Nick, hamangy azy ireo amin'ny Fanahinao, hamindra fo amin'ny tsy fahatanterahany rehetra, na ny nataony na ny noheveriny na ny nokasainy na ny nambarany ka nanadinoany anao, nanaovany izay tsy mendrika indrindra teo imasonao, namoizany ny finoana anao... mamelà heloka Andriamanitra ô, mamindra fo Andriamanitra ô!

Ary raha mety hianao dia ampaherezo ny zanakao rehetra, feno ny Fanahinao Andriamanitra, ao anatin'izany i Nick, hijoro vavolombelonao, handeha hamangy sy hampahery ary hanambara ny tsy fiovan'ny fitiavanao izany fianakaviana izany hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.

Koa mino aho fa hiasa hianao ary hampiseho ny voninahitrao satria fantatro fa sarotiny amin'ny noharianao rehetra hianao, ary vidin'ny ràn'i Jesosy avokoa izahay rehetra, indrindra izany fianakavian'i Nick izany.

Dia ho anao irery ny voninahitra ry Andriamanitra tsara indrindra ô, maharipo sady be fampindrampo!
Amin'ny anaran'i Jesosy! amena!
Manassé
Adinoina il y a 8 mois
Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra velona no ampaherezana anao Hayve, ny fiadanany sy ny fampiononana avy amin'Andriamanitra anie ho aminao sy ny fianakavian'i Willis ary ny namany tsy mahafoy rehetra! amena!
nick il y a 8 mois
Tompo ô! misaotra Anao izahay nohon'ny nanomezanao ity sehatra ity ahafahanay mifandray sy miombom-bavaka ary hidera ny anaranao. Tompo ô! ampionony ny fon'ny havan'i Willis ary raiso ny fanahiny hiara-sambatra aminao, Ianao anie Ray homba sy hitantana ny fianakaviany sy Hayve.
Miantso ny anaranao koa aho tompo izao hariva izao ary mangataka ireto namako hiaraka amiko hanandratra vavaka aminao satria mandalo fitspana mafy ny fianakaviana iray ao anatin'ny fianakaviako. Tompo ô! henoy ny vavakay, tsy misy zavatra izay tsy hainao atao Tompo ô! very hevitra izahay ka mba ampio, ary indrindra aza avelanao ho very finoana, mafy loatra Tompo ô! ny fitsapana andalovan'izy ireo ka mangataka ny tananao mahery hitantana azy ireo mba ho avy ny andro hijoroanay sy izy ireo vavolombelon'ny anaranao Tomp ô! henoy vavaka izahay amen!
asimbola il y a 8 mois
Misaotra Jesosy ny fitondranao feno fahendrena, anao ny aina de sitrakao indrindra ny nakanao an'i Willis, misaotra koa ny @ mpanomponao Hayve afaka nizara ny famonjenao taminy, misaotra ny @ namonjenao ny fanahin'i Willis. Ray ô! ianao Ilay mpampahery, mpampionona ane no hitondra fionona tanteraka ho an'ny fon'ny vady amanjanany, ny havany ny namany. IAnao koa mbola hiasa ao ampon'ny vadiny, ny zanany hikasika ny fony handraisany famonjenao @ alalan'izao fahoriana mihatra aminy izao, taomy ny fanahiny hanaiky anao ho TOmpo sy Mpamonjy Ray ô @ izao fahavelomany izao.

Misaotra Jesosy fa mihoatra noho izany voatonon'ny vavako izany no efa ataonao sahady!! Amin'ny Anaranao no angahitana izany vavaka izany, Amen!!
hayve il y a 8 mois
Miarahaba antsika rehetra aho, maty omaly maraina i Willis ka misaotra antsika rehetra nitondra am-bavaka azy t@izany, Jesosy no hamaly fitia anareo, Izy anie no hihazona antsika rehetra eo Aminy manadra-podintsika rehetra. MISAOTRA AINDRINADRA ERAM6PO? FALY AHO MANANA NAMANA MIARA MIZARA NY MAVESATRA AMIKO;
Misaotra a, ho aminareo anie Jesosy Amen
hayve il y a 8 mois
Misaotra anareo rehetra mitondra am-bavaka an'i Willis sy izahay, miandry azy hanao arret cardiaque ny olona, izaho kosa mino fa tsy misy zavatra tsy impossible miaraka @ JESOSY, izaho 1 fa ry zareo tsy misy espoir intsony no mamerimberina hoe "tsy tianay mijaly izy, aleo maty sans douleur hono" tsy misy vidiny @zareo ny aina,
t@ izaho niresaka t@ dia mihetsiketsika izy, dia nametraka ny tanako t@ lohany aho dia nivavaka nofaranana t@ hataka nampianarin'i Tompo. tratrin'ny émotion dia maro ny zavatra tiako nolazaina tsy voalaza.
ry zareo efa herinandro tonga manao veloma any isan'andro,
Adinoina il y a 8 mois
Andriamanitra anie hampahery anao hayve hahavitanao izay anirahan'i Jesosy anao mahakasika an'i Willis! amena!

Andriamanitra anie hamaly ny vavakao ka hanome anao ny fahendrena hahafantatra sy hanaiky ary hankato ny sitrapony! amena!

Jesosy Kristy velona sy masina manan-kery avy any Nazareta, Tompon'ny hery rehetra na ny hita na tsy hita, lalana sy fiainana ary fahamarinana anie homba anao! amena!

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao,
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao,
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao ny fiadanana! amena!
hayve il y a 8 mois
Jesosy ô, mifona Aminao aho t@ fahotako rehetra, misaotra Jesosy @ zavatra rehetra, misaotra t@ nanopmezanao an'i Willis anay, mamela ny helony Jesopsy raha avy ny andro angalanao azy ka hiara-paly Aminao izy JeSOSY Ö; Ifonako Aminao etoana ny tsy finoany hatrizay, famindram-po izao ka sokafy ahita izy Jesosy, mba hino, Jesosy malala ô, vonjeo ny fanahiny, Ianao mahay zavatra rehetra ka mino aho Jesosy fa efa niasa Ianao hatrizay k ny vavaka nasandratray hatrizay efa nohenoinao, ekenay ny sitraponao.
Mangataka aho Jesosy raha azo atao dia velomy izy, ifonako Aminao ny tsy finoanay, Jesosy o, jereo ny vady aman-janany tsy mino, aza avelanao ho very, ataovy mahita ny voninahitrao, esory @ fahazaran-dratsy izahay. Misaotra Jesosy ô, eo Aminao no apetrako ny famangiako azy rahariva, mialohava lalana ahy Fanahy Masina mba hihaino sy hino Anao izy, Jesopsy ô, vonjeo araka ny haben'ny famindraponao Willis, izahay. Vonjeo ny fanahiny;
Misaotra Jesosy ô, Anao ny dera, laza ary ny voninahitra mandrakizay;
Amen
hayve il y a 8 mois
noraisina ny décision fa hoesorina ny infection, dia rehefa natao io dia afaka soa aman-tsara, kanjo sahirana @ respiration izy dia no plongendry zareo ds le coma artificiel, miandry azy ahazo aina tsara vao velomina, efa depuis début Aout izy no matory; dia efa nandraman'ny dokotera novelomina fa toa mijaly hono dia aleon-dry zareo, maty tsy manaintaina. Malahelo mafy aho satria athé izy io, efa nitory t@ matetika aho, ny andro alohan'ny coma artificiel-ny dia nitory teny an'smsazy aho ny @ Jesosy; ny finoana. Ka mino aho fa tsy very maina izay fa niasa mafy ny Fanahy Masina, anioaho hamangy azy any, mbola hitory an'i Jesosy na dia dans le coma aza izy satria mino aho fa mihaino izy ka maniry mafy aho mba ahita ny lanitra izy, olona tsara fanahy be izy io na tsy nino aza, vita batisa koa fa izy tsy nety nino. Famindram-po avy @ Jesosy izao fotoana izaoka mangataka aminareo aho mba hitondra am-bavaka ahy, mba hapetrak'i Jesosy am-bavako ny teny tokony ho lazaiko, mba hahery aho satria malahelo be aho, ny @ fanahiny, izy marary, ny adidy tsy vitako t@ fitoriana an'i Jesosy. Mba hamela ahy Jesosy t@ tsy fahombiazako;
Misaotra anareo aho
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra amen
hayve il y a 8 mois
miarahaba antsika rehetra eto aho @ anaran'i Jesosy tiantsika.
Mba ento am-bavaka ry zareo i Willis izay miandry ny andro hafatesany sisa a, namako izy io, voan'ny cancer du poumon, dia t@, nanaovana diagnostic azy dia nahitana infection hafa izay tysy maintsy tsaboina alohan'ny cancer mba hampety ny chimiothérapie.
K
Adinoina il y a 8 mois
Tsy ho ela dia averina zaraina eto ny tenin'Andriamanitra rehetra nozaraina tany amin'ny fotoam-bavaky ny "Vondrom-bavaka sy Valim-bavaka" hatramin'ny nisiany tetsy Antaninandro.

Ary dia hozaraina miaraka aminy toy izany ihany koa ny fagataham-bavaka rehetra niombonana sy ny valim-bavaka mahagaga efa nasehon'i Jesosy!

Ho aminareo ny fiadanana ary ho an'Andriamanitra irery hatrany ny voninahitra! amena!
Adinoina il y a 8 mois
Amena!

Ho an'Andriamanitra irery hatrany ny voninahitra! amena!
Zamaria1 il y a 8 mois
Ho tahin'i Jesosy anie isika rehetra!

Isa 55:1 HE! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Isa 55:2 Nahoana hianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.
Isa 55:3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atý amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
Isa 55:4 Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
Isa 55:5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Isa 55:6 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Isa 55:7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Isa 55:8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.
Isa 55:9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Isa 55:10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana,
Isa 55:11 dia ho tahaka izany ny teniko izay aloakin'ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
Isa 55:12 Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.

Ho tanteraka tokoa anie izany! Amen
nick il y a 8 mois
Dia miara-miombombavaka aminareo rehetra hatrany na dia tsy afaka mantrika izany aza, Izy tompo anie homba antsika rehetra, Izy mahalala izay vetsovetsom-pontsika tsirairay avy aoka ny sitra-pony irery ihany no ho tanteraka amintsika.
Mangataka aminareo mba hitondra amam-bavaka fianakaviana iray ao anatin'ny fianakaviako izay mandalo fitsapana mafy dia mafy amin'izao fotoana izao,mba ho tsidihan'i Tompo ny fon'Izy ireo ka ho sitrana, omeny fitivana mba hahay hifankatia, mba hiala ny devoly izay mamiravira mafy azy ireo, Tompo ô! henoy ny vavakay amen!
Zamaria1 il y a 8 mois
Ny Fiadanan'ny Tompo anie ho amintsika rehetra!

Jesosy ô! Tahio ny fotoana rehetra rahampitso mba ho eo ambany fahasoavanao, dia tahio koa ny mpikambana rehetra ato anatin'ny Vondro-bavaka sy Valimbavaka.
Tahio ity Madagasikaranay ity sy ny vahoaka Malagasy, dia apetraka aminao ny famahana ny olana rehetra eto @ firenenay.
Voninahitra anie ho Anao irey ihany. Amen!
Adinoina il y a 8 mois
Rahampitso indray no fotoanantsika Vondrom-bavaa sy Valim-bavaka etsy Antaninandro, ao amin'ny foibe Vokovoko Manga Malagasy, ambonin'ny tetezan'ny Behoririka raha sitrapon'i Jesosy, manomboka amin'ny 12 ora sy sasany tsy diso hatramin'ny 01 ora sy sasany eo ho eo.

Dia manantena hifanatrika aminareo sy hiombom-bavaka indray ho amin'ny firaisana amin'Andriamanitra, fa izay miray amin'i Jesosy ka mitoetra ao anatiny ny tenin'i Kristy dia afaka mangataka na inona na inona Aminy dia ho tonga aminy izany...

Koa mahereza, samia tahian'Andriamanitra!

Izay mazoto mamonjy izany fotoana izany hatramin'izay nisian'izany fotoana sarobidy nomen'i Jesosy izany, dia efa nanehoan'Andriamanitra ny voninahiny sahady ary mandray sy velomin'ny fahasoavan'Andriamanitra satria mijoro vavolombelona ny zanak'Andriamanitra fa velona sy miasa ary mamonjy Jesosy. Hianao koa manana anjara amin'izany...

Mandrapihaona vetivety! homba anao anie Jesosy! amena!
Manassé
Adinoina il y a 8 mois
Dia arahabaina hianao TJK12 anio mahatratra ny fitsingerenan'ny taona nahaterahanao, feno 25 taona.
Haleloia! amena!

Miaram-paly aminao izahay no mitondra anao amim-bavaka ihany koa ho feno sy ho ampoky ny fiarovan'Andriamanitra amin'ny 25 taona hitsingeringerina...

Mbola tahian'i Jesosy hianao ary mbola manana teny fikasana maro ho anao Andriamanitra ary mbola manana fahasoavana be dia be ho anao amin'ny andronao ho avy rehetra koa mahereza, raiso ny fifalian'i Kristy mba ho tanteraka ny fifalianao amin'ny andronao rehetra.

Ho aminao mandrakariva anie ny fiadanana TJK12 ary ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra! amena!
hayve il y a 8 mois
Jesosy ô, tahio ity groupe ity, ny membres rehetra, mamela ny helokay tsirairay, vangio izahay tsirairay, ataovy torotoro fo tokoa, gaga @ fitiavanao, misaotra Jesosy ô, tahio manokana i Adinoina sy izay mikarakara ny site ihany koa, jEREO NY OLANA REHETRA MEMBRES ATO. OMEO FAHENDRENA IZAHAY AHAZONAY MAHALALA NY SITRAPONAO, hanontonana ary hametraka ny fiainanay rehetra Aminao, arovy @ loza, fakam-panahy izahay rehetra ato, ataovy mahita ny voninahitrao mandrakariva @ fiainanay, ho jiro ho an'ireo namanay ka hanatonany Anao koa. Jesosy ô, vangio ireo mana-manjo, ampionony izy ireo, aza avela ho kivy, sitrano ny marary rehetra, ny fonay, aza atao zatra izahay @ fanompoana Anao fa ho fiainanay tokoa ka tsy ho diso anjara @ paradisa nomaninao ho anay, Jesosy ô mamelà ny helokin'ny olombelona rehetra, ataovy tonga saina re izay be loha fa tsy misy Ianao, ny lohalika rehtra andohalika Aminao. Maro ny tiako angatahinao Aminao fa kely ny saiko kanapetrako Aminao ny fiainanay rehetra. Misaotra Jesosy ô amen
hayve il y a 8 mois
Misaotra Anao aho ry Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina fa mbola velon'aina afaka miresaka Aminao eto, misaotra Anao tokoa fa miaro anay @ loza Ianao,misaotra satria tsy takitrin'ny sainay ny fitiavanao anay.
Mifona etoana Jesosy t@ fahotana rehetra nataonay, na ny tsy nahy aza, mamindrà fo @y Ianao, ovay ny fo vatonay ho fo nofo, matahotra sy tia Anao mandrakariva.
Jesosy misaotra @ fitiavanao anay satria, tsy misy tianao ho very izahay na 1 aza, mifona eto aho Jesosy ho an'ireo izay miady farany @ fahafatesana, Jesosy ô, mamindrà fo @izy ireo Ianao, aoka Ianao no antsoiny sy tsaroany @ izany ka ho voavonjy ireo.
Mangataka @o re aho ho an'ny namako Willis izay nampatoriana(coma artificiel) ka mbola tsy azo fohazina, efa 1 volana izay Jesosy ô, vonjeo re izy e, ataovy mahita Anao izy, hino izy sy ny ankohonany, mamelà indrindra ny helony Ianao, vonjeo re izy Jesosy ô. Tsy lisy zava mahagaga izay tsy hainao atao Jesosy ô, misaotra t@izay efa nataonao ho azy, deraina ny anaranao @ fitiavanao mahery, JESOSY Ö, ny cancer du poumony koa entiko eto Aminao, sitrano re izy e, vonjeo izy Jesosy ô.
Misaotra Jesosy fa narovanao ny zandriko teo ka tsy maty, misaotra satria tsapa tokoa fa Ianao no miaro azy, misaotra JESOSY Ö
mISAOTRA @ izay efa nataonao @ projet-nay, ampio izahay ankehitriny @ tohiny rehetra, vola, hery, aza avela ambakain'olona Jesosy ô, omeo fahendrena izahay @izany. mISAOTRA AN
Jesosy o, jereo koa ny tokatranoko, mamelà ny helokay mianakavy kely, izahay mivady, aza avela hiady2 fahatany, esory ny fahazaran-dratsinay, ampianaro hifamela mandrakariva, Jesosy ô, omeo fahendrena izahay @ fitantanana izany, aoka Ianao no ho lohan'ny tokatranonay, hanontany Anao aloha vao manao zavatra, misaotra satria mampianatra anay mandrakariva iANAO, ataovy mifankatia izahay 2, tsy ho azon'ny routine, mifampitondra am-bavaka, raha sendra misy olana dia Ianao no atoninay, ampianaro izahay ho hendry Jesosy ô. Tahio ny asam-badiko, omeo hery, tanjaka ary fahasalamana izy @ izany, arovy @ devoly sy ny loza ary ny fakam-panahy izy (vehivavy), Jesosy ô, omeo fahendrena izahay @ fitaizana ny zanakay, feno fitiavana, hanome exemple ny zanakay.misaotra Jesosy ô, amen
nick il y a 8 mois
Ry Tompo Andriamanitray mahefa ny zavatra rehetra, tonga eto indray izahay hiantso sy hidera ny anaranao, Misaotra nohon'ny fitantananao mahery ka tratry izao maraim-baovao izao indray, Tompo ô! hanomboka indray ny taompianarana vaovao, apetraka eo am-pelantananao ireo zanakay, hirao ny fanahinao masina Tompo mba hanazava ny sain'izy ireo ka ho taom-pahombiazana hatrany satria miaraka aminao, arovy tsy ho azon'ny aretina sy ny loza rehetra, tsy ho voatariky ny ratsy ary hanao mandrakariva ny sitra-ponao.
Izahay Ray amandreny Tompo dia mba tariho lalana, atoroy izay tokony hatao mba ho mendrika anao mandrakariva ihany koa. Alaharo ny fiainanay Tompo ô! mba hisy toerana mandrakariva ho Anao ao anatin'ny hazakazakay. Izany rehetra izany sy izay tsy takatry ny sainay Tompo ô dia ankinina aminao, Ianao mahalala izay fitsapana andalovanay tsirairay avy, aza avelanao irery izahay.
Dia ho voninahitry ny anaranao mandrakizay Tompo izay vitanay rehetra sy izay kasainay ihany koa Amen!
Adinoina il y a 8 mois
Arahabaina Miadana mivady sy ny ankohonanareo amin'izany fitahian'Andriamanitra mahagaga ny fiainanareo izany!

Dia Jesosy anie hiaro anareo, ka hitahy anareo sy hampitoetra anareo eo ambanin'ny fahasoavany ka Izy anie hanamafy orina ny fitiavana ao aminareo mivady sy izy telo mianadahy, hijoro amin'ny finoana sy ny fitiavana an'i Jesosy mandrakariva mandritra ny 15 taonan'ny fanambadianareo manaraka indray! amena!

Mifalia mandrakariva! amena!
Manassé
hayve il y a 9 mois
Faly miarahaba antsika mpikambana eto indray @anaran'i Jesosy.
JESOSY anie hanasitrana ny fon'i Asimbola sy ny fianakaviana rehetra @ izao manjo izao mahereza!
Miarahaba an'i Miadana mivady @ izao 15 taona fitiavana izao, Jesosy hitahy ny tokatranonareo, aza miala Aminy fa fitiavana Jesosy.
miadana il y a 9 mois
Misaotra Jesosy noho ny @ ty andro ity ,feno 15 taona ny mariazinay, raha todianay ny lasa dia fitahina mahatretrika no nasehonao anay na teo ny zavatra mety nifamahofaho tao anatin'zay fotoanan lava zay de tsapanay fa mihevitra anay ianao ary mahatanteraka ny famonjena anay hatrany,misaotra ny nanomezanao any an'izy 3 mianadahy ary indrindra ny famohazanao any tao anaty ny fahotana ka nahatonga anay mandray anao ho mpamonjy ny fiainanay.
De mametraka izahay ny ho avy manaraka rehetra mba tsy hiala @ fanarahana anao zahay sy ny ankohonana zay nomenao anay ary mahatoky fa ny fahasoavanao tsy hiala aminay de mba ampitoero @ lay fitiavana voalohany hatrany zahay na eo aminay mivady na izahay aminao.
De mametraka ny tsirairay eto @ ty groupe ty eo am-pelatananao koa ,ianao hitondra anay @ malalaka,ary hamonjy anay satri tianao zahay.misaotra Tompo ny @ famalinao vavaka anay.AMEN
TJK12 il y a 9 mois
Jesôsy ô, apetrakay eo an-tananao ny hetahetan'ny rahavavinay Nanah, Ianao anie hikasika ny fon'ny vadiny ka hampiverina azy indray ao amin'ny sahanao ary hahatonga azy ho resy lahatra tanteraka fa ao Aminao ihany no tsara sy mahafapo indrindra. Dia Ianao ihany koa no handray an-tanana ny affectation mba ho tontosa tsy ho ela izany noho ny haben'ny indrafonao sy ny fitiavanao ary ny herinao mahagaga. Ny voninahitra dia ho Anao irery ihany. Amen
asimbola il y a 9 mois
Faly miarahaba an'i Nanah @ anaran'i Jesosy!
Misaotra ny @ fampiononana, Andriamanitry ny fiadanana hamaly fitiana anao!
Mahereza ianao mivavaka ho an'ny vadinao fa tena henoin'ny Tompo manokana ny taraina ataon'ny vhv ho an'ny vadiny, sitrak'A/tra 100% ny hiverenan'ny hafanampanompona ao anatin'ny vadinao, ko dia mahereza indrindra mivavaka fa izahyay koa manohana ambavaka ho azy sy ny asany!
Adinoina il y a 9 mois
Mahereza hatrany Nanah!

Jesosy anie hiaro anao sy ny ankohonanao ka hitahy anareo hamaly ny hetahetanareo amin'ny affectation'ny vadinao ho any Moramanga mba hampifanakaiky anareo kokoa noho ny fivelomana ary hihaino ny vavakao ka hikasika ny fon'ny vadinao amin'ny Fanahy Masina hampatsiahy azy ny efa namonjen'i Jesosy anareo sy izy manokana, sy ny tenin'Andriamanitra hampibebaka azy hiverina ao amin'i Kristy ary ny rà masin'i Jesosy hanadio azy indray hananany firaisana amin'Andriamanitra indray amin'ny fahamasinana... ka haniraka ny mpanompony hampahery ny vadinao araka izay haingana raha sitrapon'Andriamanitra...

Mivavaka ho anareo aho.
Ho aminao sy ny ankohonanao anie ny fiadanana Nanah!
Manassé
FB.Nanah.F il y a 9 mois
An-kafaliana no hiarabana antsika rehetra mpikambana eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka.

Mangataka fanohanana am-bavaka aminareo aho ho an'ny vadiko mba hiverenany amin'ny Tompo indray fa misy fihemorana ara-panahy be izy ary tena mangatsiaka sy malaina amin'ny fanompoana hatramin'izay nisarahanay toerana noho ny asa.

Dia mangataka amin'I Jesosy koa mba tsy ho ela intsony dia ho affecté soa aman-tsara aty Moramanga izy fa amin'izao fotoana izao izy mbola any Antsirabe.

Misaotra indrindra, dia homba antsika hatrany anie ny Tompo Jesosy.
FB.Nanah.F il y a 9 mois
Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika mpikambana rehetra.
Mirary fiononana feno ho an'i Asimbola sy ny fianakaviany dia mahereza hatrany. Misy tenin'Andriamanitra zay manao hoe ilaozy ny vadinao ho mpitondra-tena ary ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hiahy azy. Dia mahereza hatrany fa mbola eo "DADA"
Adinoina il y a 9 mois
Tahian'Andriamanitra hianao tikoJeso!
Am-pifaliana tanteraka no iarahabana anao tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny fiadanan'i Kristy sy ny fahasoavany anie ho aminao sy ny ankohonanao, anio ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany dia mazotoa mandray anjara!
Manassé
Zamaria1 il y a 9 mois
Mahereza Asimbola fa ny Tompo efa niteny fa :2Ti 1:7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

Tsy kamboty hianao fa ao ilay Andriamanitra Ray izay velona mandrakizay miahy anao mandrakariva.
Koa mahaiza mionona fa ny Tompo homba anao
TJK12 il y a 9 mois
Jesosy ô, Ianao nampianatra anay mba hisaotra amin'ny zavatra rehetra, dia misaotra anao aho Tompo ô ny amin'izay rehetra alahatrao eo amin'ny fiainako, na tsy fantatro aza ny antony, na mbola manjavozavo amiko aza ny planinao eo amin'ny fiainako dia isaorako anao daholo zay rehetra alahatrao sy mbola halahatrao. Jesosy ô, mifona aminao aho tamin'izay rehetra tsy fahamendrehako, ny toe-poko, ny toe-tsaiko, ny fiteniko, ny fihetsiko sy izay rehetra tsy voalazako nefa nahatezitra anao. Ianao mahalala ny antsipirihany Tompo ô, ifonako daholo ireny rehetra ireny. Jesosy ô, ankiniko eo an-tananao, ny fiainako manontolo, ny hetehetam-poko rehetra dia ampianaro aho hahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Misaotra Jesosy ô, AMEN!!!
TJK12 il y a 9 mois
Dia mirary fiononana feno ho an'i Asimbola sy ny fianakaviany. "Ny zavatra rehetra dia miara miasa hahasoa izay tia an' Andriamanitra" Mahereza hatrany fa lalana tsy maintsy izoran'ny tsirairay io.Dia Ny Tompo anie hampahery anareo tsirairay avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina!!!!!!
asimbola il y a 9 mois
Misaotra betsaka!! Ny Tompo hamaly fitia anareo!
Adinoina il y a 9 mois
Andriamanitry ny fiadanana anie hampionona anareo sy hampahery anareo, hianao sy ny ankohonanao sy ny fianakaviana manontolo sy ny tapaka sy namana rehetra ary ny mpiara-monina sy ny fiangonana sy ny firenena izay tohin'alahelo tamin'ny nahalasanan'izany raim-pianakaviana izany.

Jesosy anie homba anareo sy handroso ao aminareo ka Izy ilay Lohan'ny fitsanganana amin'ny maty hitoetra aminareo hampiorina ny finoanareo fa tsy lasa aiza akory ilay nandao anareo vetivety fa lasa any amin'Ilay Nahary azy ho amin'ny mandrakizay. Fa samy handalo io lalana io avokoa isika rehetra fa nialoha lalana ihany ny azy ary tsy faran'ny lalana tsy akory ny fahafatesan'ny nofo fa varavarana hiditra amin'ilay mandrakizain'Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina anie ho aminareo ka hanavao anareo sy hampianatra anareo ny fahendren'Andriamanitra ao amin'ny fandaminany rehetra izay sady tsara no soa mandrakariva.

Mivavaka ho anareo izahay mba hahery hianareo!
Mahereza hatrany!
Ho aminreo anie ny fiadanana! amena!
"Vondrom-bavaka sy valim-bavaka"
nick il y a 9 mois
Mirary fiononana feno ho an'iAsimbola sy ny fianakaviany, Andriamanitra tompon'ny zava-drehetra anie hamafa ny ranomaso sy hitantana anareo rehetra dia mahereza fa izay no fantany fa mety ary apetraka eo am-pelantanany ny zava-drehetra. Izay vita rehetra dia ho voninahitry ny anarany avokoa.
asimbola il y a 9 mois
Misaotra ny Tompo ny @ zavatra rehetra, de isaorana Izy fa Izy no nanome anay an'i Dada, isaorana Azy koa anefa ny nangalany azy hody any Aminy ny 10 août lasa teo.
Misaotra antsika rehetra nitondra ambavaka azy t@ izy narary
Voninahitra ho an' i Jesosy irery ihany!!
Adinoina il y a 9 mois
Arahabaina Santaladie tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminao sy ny ataonao sy ny kasainao ary ny momba anao manontolo ka Izy anie hiaro anao sy homba anao ka hameno fitahiana sy fahombiazana ny fiainanao eo ambanin'ny famindrampony mandrakariva amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Dia mazotoa mandray anjara!
Manassé
Adinoina il y a 9 mois
Am-pifaliana tanteraka no iarahabana anao Verohanta, tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny fifaliana sy ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao sy ny ankohonanao ka hampitombo ho anareo amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana! amena!

Mahereza hatrany dia homba anareo anie Jesosy!
Mazotoa mandray anjara!
Manassé
richlife2006 il y a 9 mois
Je loue le Seigneur pour toutes ses grâces infinies et ses bénédictions à nos égards. A lui seul soit la gloire !
Adinoina il y a 9 mois
Dia rahampitso indray no fotoanantsika amin'i Kristy hiombona Aminy etsy Antaninandro...

Koa dia mahereza daholo hianareo namana rehetra ka Andriamanitra anie hitahy anareo sy hiaro anareo ka hamaly vavaka anareo mandrakariva mba ho voninahitr'i Kristy Jesosy! amena!
hayve il y a 9 mois
MISAOTRA anao aho ry Andriamanitra Ray sy zanaka sy Fanahy Masina, fa mbola velon'aina @izao andro izao, misaotra @ famindram-ponao lehibe sy mahagaga. Misaotra Jesosy fa tsy mamela anay ho very Ianao.
Mamelà ny heloko Ianao, ny helokay rehetra eto, ary miangavy Anao aho Jesosy mba hamangy an'i Willis, namako izay dans le coma artificiel, vangio izy @izao Jesosy mba hinoany Anao @izay, hangataka @ fianakaviany aho Jesosy ny mba hanaovana batisa ho azy ka mialohava lalana ahy Jesosy satria sarotra ny lalana, tsy misy mpino izy ireo, mamela ahy Jesosy, mamela azy ireo ihany koa, vonjeo ity fianakaviana ity, torotoroy ny fo vato Jesosy ^^o, mba hino Anao @izay, apetraho eto am-bavako ny teny handresen-dahatra azy ireo. Misaotra @izay efa nataonao sy hataonao Jesosy ô, anao ny dera, laza ary voninahitra mandrakizay, misaotra Jesosy ô, @ anaranao no anagatahiko izao vavaka izao AMEN
Adinoina il y a 9 mois
Isaorana mandrakizay hianao Jesosy malala fa mamindra fo aminay, mihaino ny vavakay, mamaly ny vavakay ary mitarika anay ho amin'ny fiadanana mandrakariva.

Endrey ny hafaliako Jesosy malala ny amin'ny fitahianao ireto namana rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" araka ny haben'ny hasoavanao ka anomezanao ny tsirairay avy izay soa sy tsara ary sahaza avy!

Ary ireo izay mbola miandry ny fitahianao sy ny valim-bavaka avy aminao dia efa eo an-tananao sahady ny momba azy ireo ary miasa hianao ka iza tokoa moa no mahasakana anao?

Misaotra Jesosy malala fa mihaino vavaka sy mamaly vavaka hianao ary tsy mamela anay ho irery fa mitsinjo anay amin'ny momba anay manontolo...

Indro apetrako aminao ary ny mpikambana rehetra eto amin'ity "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" ity mba iasan'ny Fanahinao Mahery ka hovangian'ny Fanahinao Masina, ka hovalianao vavaka hanana firaisana aminao Andriamanitra, hiombona aminao ary hihavana aminao amin'ny androm-piainana manontolo, handray an'i Jesosy ka hampandroso Azy ho tena Mpanjaka sy Mpamonjy mahatoky...

Dia ho anao irery ny voninahitra Jesosy malala ô! haleloia! amena!
Manassé
mimikeliko il y a 9 mois
Midera sy mankalaza ny anaran'i Tompo indray aho amin'ity maraina vaovao ity. Misaotra an'i Tompo satria mbola omeny tombon'andro indray isika rehetra eto. Ary mbola misaotra Azy koa satria nomeny fahasoavana be dia be isika rehetra.Feno fisaorana ny Tompo ny foko noho ireo olana, fitsapana sy fahoriana maro lalovako satria mihoatra lavitra noho ireny rehetra ireny mitambatra ny fitahiana sy fahasoavana atosany eo amin'ny fiainako.

Apetraka Aminao Jesosy Malala o, ny fiainanay mianakavy eto izay tsy ho voatonoko tsirairay, fa Ianao no mahalala ny kely sy ny bitika aminay indrindra.Aoka Ianao irery no hanjaka sy hitahy anay rehetra eto sy ny fiainakavianay. Ianao no mahalala izay mahasoa anay tsirairay avy ary indrindra aza avelanao hanjaka sy hahazo laka amin'ny fiainanay ny asa ratsin'ny devoly.

Hanomboka asa vaovao aho Tompo amin'ny herinandro ambony, iriko Tompo o, mba Ianao irery no hitarika ny lalako amin'nizany. Mbola misaora Anao ihany aho ary tsy ho sasatra ny hanao izany ny amin'ireo soa be dia be azoko sy ny fianakaviko taminao. Deraina mandrakizay anie ny Anaranao Tompo o, amen!
hayve il y a 9 mois
miarahaba antsika namana eto indray, misaotra anareo nitondra am-bavaka fa ny vadiko indray ary no nanambitamby ahy, efa miresaka izahay, ataon'ny devoly fitaovana tokoa ny hampiady anay @izay tsy misy ny vavaka rhf hariva iarahanay @ zanakay, misaotra an'i jESOSY @LESONA NOMENY SY NY FAMINDRAMPONY tsy hita lany, misaotra anareo koa mivavaka ho anay , jESOSY HITAHY ANAREO SY NY FIANAKAVIANAREO; DERAINA jESOSY AMEN
Adinoina il y a 9 mois
Ry namana rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka",

Rahampitso indray ry havako malala isany ao amin'i Kristy no fotoanantsika etsy Antaninandro koa dia isikino hery, tongava miaraka amin'ny ankohonana fa fahasoavana lehibe no horaisinao amin'ny fanatrehanao izany fotoana izany...

Tena sarobidy izany fotoana izany... tsy maty antoka hianao raha manatrika izany fa hahazo tombony... tombony be dia be amin'ny fanatrehan'Andriamanitra anao amin'izany fotoana izany... eny tokoa, Izy no hanatrika anao amin'ny fitiavany tsy mety ritra fa tsy hianao no hiatrika Azy...

Mbola lafo vidy noho izay fotoana heverinao ho maika sy sarobidy izany satria Jesosy ilay nahafoy ny ainy mihitsy no hihaona aminao sy hahita anao indray koa dia mahereza daholo... rahampitso indray isika mihaona raha sitrapon'Andriamanitra!

Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanana! amena!
Manassé
hayve il y a 9 mois
Miarahaba antsika rehetra eto indray ny tenako, salama tsara izahay mianakavy kely, mangataka anareo namana eto mba hitondra am-bavaka anay mivady, ny tokatranonay fa resin'ny routine izahay, tsy mahatsapa tia ny vadiko intsony aho, mifampitsikera no mba resaka ataonay, tsy miresaka afa tsy ny zanakay, ny hafa izahay, fa dia mampalahelo ahy, tiako mba hiverina toy ny taloha (mifampizara izay mahafinaritra sy mampalahelo), matahotra aho satria manjary mitarika azy hampirafy ahy ny fiainanay ato.
Misaotra anareo @izay vavakareo, ho tahian'i Jesosy ianareo rehetra amen
hayve il y a 9 mois
Misaotra Jesosy @ fitiavana lehibe sy mahagaga, misaotra fa tsy misy toa Anao tokoa, deraina mandrakizay ny anaranao. Misaotra @ ity andro vaovao omenao anay ity indray ho famindrampo, mamela ny heloko rehetra Jesosy ôi, very aho raha tsy misy anao, mamngataka Aminao aho Jesosy mba hitahy ity groupenay ity, jereo izahay tsirairay ato, mamela ny helokay, tahio ny mpikaraka azy ity, fenoy ny Fanhinao Masina mba hanamabara tokoa ny sitraponao. Jesosy ô, miangavy anao aho, mba hiasa ao am-ponay mivady satria lasa resin'ny fahazarana ny fifankatiavanay, esory ny devoly izay manimba ny tokatranonay, vonjeo @ tsy fatantarehanay izahay roa Jesosy ô, mandroso @ asanao izahay ka ataon'ny devoly izay handravana ny tokatranonay, ny fifankatiavanay. Jesosy ô, mamonje anay Ianao, misaotra Jesosy o Amen
miadana il y a 9 mois
Misaotra Tompo ny @ ty herinandro vao2 omenao anay ty ndray ary de mametraka feno zany eo am-pelatananao
Mametraka ny asa aman-daharahanay ,ny zanakay ,ny fikasanay sy ny tahotray , ny fanahianay rehetra eo aminao zahay , ary koa ny fianakavinay tsirai2 avy.
Mitondra am-bavaka manokana ihany koa an'i Kanto sy Avotra miatrika fanadinana
Mangataka ihany koa fanasitranana ho an'dadan'Asimbola a,amarino Tompo ny teninao noho ny @ anaranao masina sy noho ny indrafonao irery fa ny dia kapoka taminao no fanasitranana anay
Mangataka ihany koa ny @ anadahiko zay mbola tsy manam-bady na dia efa mandroso aza ny taona ,ao aminao tsy misy fahatarana fa hainao ny zavatra rehetra sady sitrakao koa ny ananany zany vady sahaza izany satria ianao mihitsy no niteny fa hanamboatra vady sahaza azy ko dia miandry zahay Jeso ary mino fa tsy hitaredretra ianao fa hanome rariny faingana
Mangataka ihany koa ny a@ Dada itanao ny aretina mahazao azy ,mitaraina aminao andro aman'alina izy koa dia mba omeo rariny noho ny @ fitiavanao azy zay efa nivoadinao fa mandrapa antitra sy fotsy volo de ianao no hisahirana koa dia mahatoky zahay fa mamaly azy ianao
Zay tsy voatoninay de ianao fanahy masina no hanoy azy @ vavaka tsy azo tononina fa ny angatahinay de ny hitarihan'ny fanahinao masina hatrany ,mba hitombonay @ finoana sy @ fahatokina tanteraka fa ny vavaka asandratray de efa voarainao ary efa mamaly sahady ianao .AMEN
asimbola il y a 9 mois
Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika mpikambana eto "vondrom-bavaka sy valim-bavaka". Mangataka ambavaka amintsika tsirairay avy ho an'ny dadanay, marary tsy afaka mitsangana eo ampandriana intsony izy, fa mino ny tenin'i Jesosy aho hoe: "Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany."Mihoatra ny 2 isika no eto fa mino aho fa ra isika rehetra izao no mangataka fanasitranana ho azy de ho sitrana tokoa izy, misaotra indrindra!
Adinoina il y a 9 mois
Isaorana Jesosy mbola maneho ny voninahiny isanandro isanandro amin'ny fitahiany sy ny fiarovany ary ny fihainoany vavaka eo ambanin'ny famindrampony maharitra mandrakizay ho ahy sy ho anao ary ho antsika rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" - deraina mandrakizay anie Hianao Andriamanitra amin'ny fitiavanao anay tsy manam-petra! haleloia amena!

Dia am-pifaliana hatrany no iarahabako anareo namana rehetra eto no sady irariako ny soa sy ny tsara indrindra avy amin'Andriamanitra ho aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy! Andriamanitra anie hitoetra aminareo sy hanadio anareo mandrakariva amin'ny teniny ka hamaly vavaka anareo sy hamindra fo aminareo hanome anareo izay angatahanareo Aminy na inona na inona amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Dia mirary koa aho raha mirary, herinandro feno ny fahasoavan'Andriamanitra ho aminareo tsirairay avy ary mivavaka manokana aho :
- ho anareo izay miatrika fanadinana sy ho an'ny ray aman-dreny manan-janaka miatrika fanadinana mba hahery sy hahatoky ary hino an'Andriamanitra sy ny asany sy ny fomba fiasany ary hahita fahombiazana amin'ny anaran'i Jesosy!
- ho anareo tsy salama rehetra hahita ny famindrampon'Andriamanitra, ho sitrana sy ho salama ary ho voadio amin'ny ràn'i Jesosy
- ho anareo miatrika ady manokana amin'ny andavanandro hovangian'ny Fanahin'Andriamanitra ka hahery hiatrika ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy ary hahatoky fa mpandresy no anaran'Ilay inoantsika dia Jesosy Kristy avy any Nazareta
- ho anareo manana olana ara-tokantrano rehetra mba hovangian'i Jesosy ny tokantranonareo mba hanjakan'ny fifamelan-keloka sy fifandeferana ary ny fitiavana marina, ilay Andriamanitra velona fototry ny tena fiadanana sy ny fiainana
- ho anareo mpikambana rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hahita izay sahaza sy ny tsara indrindra ao amin'Andriamanitra amin'ny firaisantsika sy ny fifankatiavantsika ao amin'i Jesosy!

Mahereza daholo! ny fiadanana anie ho aminareo! amena!
Manassé
Adinoina il y a 9 mois
Dia am-pifaliana tanteraka no iarahabana anao Itobyh tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"...

Ny fiadanana sy ny fifaliana ao amin'i Jesosy anie ho aminao sy ny momba anao manontolo ka hahatanteraka ny fifalianao ao Aminy, anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Dia manantena ny fandraisanao anjara mavitrika eto amin'ity vondrona ity!

Mahereza hatrany!
Manassé
miadana il y a 10 mois
Misaotra Tompo ny @ valim-bavaka nomenao, fantatray fa tena mandray an-tanana ny momba anay ianao.
De mbola mametraka eo am-pelatananao zay mbola fanahianay zahay ary misaotra sahady fa efa mamaly zany ianao .Amen
Adinoina il y a 10 mois
Rahampitso indray no fotoanantsika dia samia tahian'Andriamanitra daholo!

Mehereza hatrany!
nick il y a 10 mois
androan maraina tsy dia misy fotoana loatra anoratana nefa na izany aza dia hanoratra kely ihany, hidera mandrakariva ny anaran'Andriamanitra nohon'ny fahasoavana rehetra izay nomeny antsika, indrindra fa ho an'i mimikeliko. Tompo ô! tena tsy takatry ny sainay tokoa ny fandaharanao, hidera anao izahay fa nomenao valim-bavaka i mimikeliko, tantano ity fikamabananay ity mba hitondra ny anarany tokoa "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" ka ny anaranao irery ihany no ho derainay rehetra eto, misaotra anao nanomezanao anay an'i Manassé hitarika anay eto, tahio koa izy Ray o iraho ny fanahy masinao hibitsika aminy izay tokony ho ampitainy aminay amen amen amen!
FB.Nanah.F il y a 10 mois
Ray Masina o, misaotra Anao aho noho ny fitiavanao sy ny indrafonao ka mbola tratr'izao anio izao, nomenao fahasalamana ary indrindra fotoana mbola hahazoako miantso ny Anaranao.
Mivavaka aho ankehitriny Tompo malala o, ho an'ny mpikambana rehetra eto amin'ity vondrom-bavaka ity mba hotehirizinao eo ambany fahasoavanao, dia Ianao anie hampahery ny tsirariray ka hiaino sy hamaly vavaka ho voninahitry ny Anaranao. Dia tahio mba ho tia Anao ka hatoky Anao mandrakariva izahay tsirairay avy. Amin'ny Anaran'I Jesosy. Amen!
Adinoina il y a 10 mois
Velona Jesosy - miasa Jesosy - mihaino vavaka Jesosy - mamaly vavaka Jesosy - marina Jesosy- masina Jesosy - mitahy Jesosy - miaro Jesosy - mamelona Jesosy - haleloia! amena!

Hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsy miova Andriamanitra! Izy ilay tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay! haleloia! amena!

Hatramin'ny namoronana izao tontolo izao dia mbola mitoetra Izy sy ny fahamarinany ka mandrak'izao!

Hatramin'ny namonjeny an'i Noa sy ny ankohonany dia mbola mitoetra ny fitiavany an'izao tontolo izao!

Hatramin'ny nanafahany ny Zanak'Israely tamin'ny fanandevozana, tsy indray matetika fa imbetsaka, na tany Egypta, na tany Babylona... dia mbola mitoetra ny famindrampony maharitra mandrakizay

Hatramin'ny nandalovan'i Jesosy teto an-tany ka mandrak'izao dia mbola mitoetra ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao! indrindra fa ny fitiavany anao manokana, hatramin'ny fotoana akory mbola tsy hary hianao dia efa nomanin'Andriamanitra ny itahiana anao amin'ny momba anao manontolo

Hatramin'ny nanomezany ny Fanahiny Masina ho an'ny fiangonana tsirairay avy dia mbola mitoetra ny faharipon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra!

Hatramin'izay ka ho mandrakizay dia mitoetra ny fitahian'i Jesosy ny olony rehetra!

Hatramin'ny nitsanganan'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" dia efa zava-mahagaga tsy hita pesimpesenina no nasehon'Andriamanitra ahy, nasehon'Andriamanitra anao manokana, nasehon'Andriamanitra antsika rehetra - tsy takatry ny saina fa feno ny voninahitr'Andriamanitra - ka nitahiany antsika tsirairay avy amin'ny antsipiriany mihitsy ny fiainantsika sy ny momba antsika!

Koa manasa anareo aho ry havako isany - ambarao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka", amin'ny namana hafa rehetra ny vitan'Andriamanitra taminao sy ny ankohonanao ary tamin'ny fiainanao rehetra isehoan'ny voninahitr'i Jesosy Kristy avy Nazareta!

Mijoroa vavolombelona fa mbola haneho zava-mahagaga tsy takatry ny sainao aminao Jesosy! ambarao izay rehetra niseho!

Ary misaora Azy dia mankalazà ny anarany fa maharipo sady be famindrampo Izy no Rain'ny fitahiana maharitra mandrakizay!

Ho an'i Jesosy Kristy anie ny voninahitra, anio ampitso ary ho mandrakizay! amena!
Manassé
mimikeliko il y a 10 mois
Efa nanoratra lava be aho teo fa toa tsy hitako indray izay nalehany.

Fisaorana be dia be no atolotro anareo tapaka sy namana rehetra eto, tamin'ny fitondrana ahy sy ny fianakaviako am bavaka nandritra ny fotoana sy sedra mafy nianjady taminay. Nohon'ny sitrapon'Andriamanitra dia niravona ny olana, nomen'i Tompo asa koa aho ary novaliany avokoa ireo fangatahana nodongiko taminy.

Misaotra anareo. Ny Tompo anie hamaly fitia anareo ary homba anareo mandrakariva.
Misaotra tompoko
asimbola il y a 10 mois
Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy. Nahoma 1:7
Fampaherezana ho an'izay rehetra mandalo olana, tsy miova ny hatsaran'A/tra na de mandalo ady sarotra aza ianao, Izy no tompon'ny teny farany eo @ fiainan'zay mahatoky Azy, ary navelany hitranga io fiainana lalovanao io satria tiany ianao, miharo anao ao anatin'io olana io Izy ary manefy anao hahatonga anao hahatratra ny ohatry ny fahafenoany, fantany ny aminao ary Izy ihany no manome ny lalana hivoahanao @ zav manahirana anao io. Mahereza hatrany fa eo anilanao tsy mahafoy anao ny Tompo!!
Adinoina il y a 10 mois
Ry namana rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka", tonga indray anio ny fotoanantsika hiombonana amim-bavaka, hitahiana ny momba anao manontolo, hamonjena anao sy ny ankohonanao, hanasitranana anao amin'ny aretina rehetra, hamahana ny olanao rehetra na inona na inona amin'ny anaran'i Jesosy!

Koa am-pitiavana no anasana anao ho tonga hamonjy izany fotoana izany rehefa avy eo, amin'nny 12 ora sy 15 mn ao antaninandro! mitondra amim-bavaka anao aho ka ny Fanahin'Andriamanitra anie hiaro ny fonao sy ny fanahinao ary ny tenanao! amena!

Mahereza hatrany!
Ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao sy ny ankohonanao! amena!
Manassé
Adinoina il y a 10 mois
Rahampitso indray no fotoanantsika eo Antaninandro ao amin'ny foibe vokovoko manga, manomboka amin'ny 12 ora sy fahefany ka hatramin'ny 02 ora latsaka fahefany, amin'ny fivoriam-bavaka koa dia am-pifaliana no anasana anareo tsirairay avy ho tonga fa fotoam-pahasoavana lehibe izany!

Ho aminareo mandrakariva sy ny ankohonanareo anie ny fiadanan'i Jesosy! amena!
Mahereza hatrany!
miadana il y a 10 mois
Misaotra Jesosy ny @ fitahiana rehetra omenao anay ,ny tombon'andro ,ny fahasalamana,satria avy aminao zany.
Mitondra manokana ny namanay eto@ ty groupe ty eo am-pelatananao zahay tononinay manokana mimikeliko ,hitanao ny zavatra entiny fantatray fa tsy sitrakao ny mahazo azy fa kosa te haneo ny voninahitrao aminy ianao ary hitondra azy @ malalaja ianao ka hamonjy azy satria tinao izy reo ko de mahatoky zahy fa ao aminao rery ny vaha olany .
Misaotra sahady satria efa voarainao ny fivavakay sady efa mamaly sahady ianao.Amen
nick il y a 10 mois
Tompo ô enga anie ny tombon'andro izay omenao anay rehetra dia ho entinay hiderana ny anaranao irery ihany, misaotra anao izahay amin'izay zavatra rehetra nomenao anay , mifona aminao izahay amin'ireo zavatra rehetra tsy nety nataonay esory ny helokay mba ho mendrika hiantso ny anaranao.
Tompo ô! Ianao mahalala izay zavatra rehetra mianjady aminay, mangataka sy mitalaho Ray ô! mba tantano tsy hivily lalana sy ho very finoana. Henoy ny vavakay tsirariaray avy indrindra fa i mimikeliko izay mitalaho, mafy ny zavatra entiny nefa mino izahay Tompo fa Ianao hanampy azy hizaka izany , aza avelanao ho reraka sy ho kivy Izy Tompo fa hatrakao hidera ny anaranao mandrakariva. Vahao ny olany Ray ô! ary izay rehetra ho vita dia ho voninahitry ny anaranao irery ihany Tompo ô! henoy vavaka izahay ry Ray masinay amen!
mimikeliko il y a 10 mois
Tompo o, mbola misaotra Anao, midera Anao ary mankalaza Anao aho amin'ity maraina vaovao ity. Misaotra satria mbola notahianao, mbola nomenao hery, nomenao fahasalamana ary nomenao tanjaka entina miatrika ity andro anio ity.

Fantatrao Tompo ny ahiahy, ny tolona, ny fijalina iananay 3 mianaka amin'izao fotoana izao. Tsy misy afa tsy ny fametrahana ny fiainanay ary ny tokantranonay eo Aminao no vahaolana Tompo o. Aza avelanao ho resy aho, aoka ny hatsaranao Irery no hanjaka ankehitriny raha mbola sitrakao ihany koa no hiravonan'ny tokantranoko.
Omeo hery aho Tompo o, mba afahako mitaiza irery ireto zanako mamiko indrindra ireto, aza avelanao ho kivy aho satria mila ahy tokoa izy 2 lahy kely ireo ankehitriny. HOy Ianao hoe, aoka ny zanakao sy ny asan'ny tananano, ho adidinao samirery. Jereo izahay, vimbino ary tantano Tompo o, amin'izay lalana atoronao fa tokony alehanay.

Entiko am bavaka koa Jesoa Malala, ny resaka ho ataoko amin'i Pasitera rehefa avy eo. Hitondra jiro anazava ny lalana alehako anie izany.

Misaotra Anao sahady aho Tompo o, amin'izay mety ho valim-bavaka omenao anay. Deraina sy ankalazaina mandrakizay anie ny anaranao masina. Amen
Adinoina il y a 10 mois
Isaorana mandrakariva Jesosy fa tanteraka soamantsara ny fihaonana "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" natao tao Antaninandro anio antoandro. 6 mianadahy izahay no tao ary dia niombona amim-bavaka tao amin'i Jesosy.

Velona Jesosy, miasa Jesosy, mitahy Jesosy... izany no zavatra tsapa avy hatrany tamin'ny fifampizarana vaovao tao anatin'ny herinandro fa mihaino vavaka Andriamanitra ary mamaly vavaka Izy... deraina mandrakizay anie Kristy!

Ny lohahevitry ny tenin'Andriamanitra anio dia : "fiainana ao amin'Andriamanitra", notsongaina avy tamin'ny IJaona 4:11.

Dia am-pitiavana no anasana antsika tsirairay avy hatrany amin'ny herinandro indray, ny alakamisy faha-28 jolay 2011, manomboka amin'ny 12 ora sy fahefany.

Ho an'Andriamanitra irery ny dera sy laza ary ny voninahitra anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!
Adinoina il y a 10 mois
Arahabaina isika tsirairayavy amin'ny anaran'i Jesosy,

Ny fitahian'Andriamanitra tsy manam-petra anie ho aminareo tsirairay avy! amena!

Anio indray no hitohy ny vondrom-bavaka ao Antaninandro, afaka fotoana vitsy raha ny tena marina koa mampahery anareo rehetra ho tonga fa fotoana sarobidy tokoa tena andraisanao fahasoavana izany amin'ny fiombonana amin'i Jesosy.

Ho aminareo mandrakariva anie ny fiarovana sy ny fahasoavan'Andriamanitra! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
mimikeliko il y a 10 mois
Isaorana be dia be ianao Tompo o, mbola nomenao maraim-baovao indray izahay androan ary mbola notantanao sy novimbininao tamin'izay andro rehetra efa lasa izay. Misaotra Anao koa ny amin'ny soa maro isankarazany nomenao Anay.
Tompo o, be dia be ireo toetra ratsy, lainga, fahatezerana ary fahotana tsy tambo isaina, izay tsy mifanaraka am sitraponao akory, vitanay. Ifonanay tanteraka aminao izany Tompo o, ary angatahinay famindrapo aminao mba ho fafanao ka tsy iverenan'izany intsony eo amin'ny andavanandronay.
Tompo o, fantatrao ny lalana sarotra diavin'ny tokantranoko amin'zao fotoana izao. Mafy tokoa raha ny zavatra hiainako, ny teny mafy, ny teny ratsy, ny latsa, ny fandroahana anay hiala ao antrano sns... izay lazain'ny vadiko ahy. Mahakivy ahy tanteraka izany Tompo o, ary mahatonga ahy te hitsoaka io tokantrano izay mamiko sy lalaiko io. Tompo malala o, tokantrano nahorina teo Aminao izy io, nentina teny amin'ny alitaranao masina, aza avela viravirain'ny devoly toy izao, aza avela simbain'ny olon-kafa toy izao. Raha mbola sitrakao tokoa Tompo o ny ifankatiavanay dia maneke mba ho Ianao irery no hanjaka ao amin'io tokantranoko io. Tariho ny vadiko mba hahalala Anao bebe kokoa, ary ampahafantaro Azy fa tsy mendrika ary tsy Tianao ny tokantrano mikorontana.

Ry namako eto amin'ny vondrom-bavaka, raha sitrakareo dia mba ento ambavaka ny tokantranoko. Mafy tokoa ny iainako amin'izao fotoana izao fa mino aho fa Jesosy tsy hanary ahy mandrakizay.

Deraina sy ankalazaina ny anaranao ry Andriamanitra be fitiavana o, ary ny Tompo anie hamaly fitia anareo rehetra eto. Misaotra!
Adinoina il y a 10 mois
Isaorana Jesosy fa tanteraka soamantsara ny fihaonana voalohan'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" natao tao Antaninandro omaly antoandro. 9 mianadahy izahay no tao ary dia niray fo sy saina tao amin'i Jesosy.

Deraina Kristy fa ny fiombonam-bavaka tao dia tamin'ny firahalahiana sy ny fifankatiavana tanteraka ka na dia izay aza vao nihaona dia nisokatra tsara ny tsirairay hiombona sy hivavaka ary hifampahery. Hita avy hatrany ny asan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra ka niseho ny voninahiny, na ny vavaka vao natao omaly aza dia nivaly sahady ny sasany ny hariva omaly ihany. Deraina mandrakizay Jesosy.

Ny lohahevitry ny tenin'Andriamanitra omaly dia : "velona ao amin'Andriamanitra", notsongaina avy tamin'ny Romana 5:8.

Misy ny fangataham-bavaka sy ny fangatahana asa sy fampaherezana sahady nanomboka omaly koa dia Jesosy anie hihaino sy hamaly vavaka araka ny sitrapony ka haneho ny voninahiny.

Dia am-pitiavana no anasana antsika tsirairay avy amin'ny herinandro indray, ny alakamisy faha-21 jolay 2011, manomboka amin'ny 12 ora sy fahefany.

Ho an'Andriamanitra irery ny dera sy laza ary ny voninahitra anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!
nick il y a 10 mois
Izahay aty antany lavitra aty dia tsy afaka hanatrika ny fanompom-pivavahana miaraka aminareo nefa dia miara-mivavaka aminareo ary hanandratra avo hatrany ny anaran'ilay Raintsika. Ho derina mandrakizay anie ny anaran'Izy Tompo amen!
SUZETTE il y a 10 mois
Aty Toliara a d tsy afaka hiaraka aminareo. Koa dia mirary anareo hahavita soa. Mba ho saina iray sy vava iray no iarahanareo midera sy manandratra vavaka amin'io fotoana io. Araka izay azo atao dia hiombona fo sy fanahy aminareo izahay.
Raha misy ny azo ampitaina eto rehefa vita ny vondrombavaka dia misaotra anareo mizara izany.
Mirary Soa e !
Adinoina il y a 10 mois
Mirary herinandro heniky ny fifaliana sy fiadanana ao amin'i Jesosy ho anareo sy ny ankohonanareo rehetra!

Amin'ny alakamisy amin'ny 12 ora sy fahefany ny fotoanantsika! aza adino ny mitondra amim-bavaka izany fotoana izany.
Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 10 mois
Arahabaina hianao Olive tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka",

Tononina ho anao sy ny ankohonanao ny fiadanana sy ny fitahiana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta Olive Ka Izy anie homba anareo amin'ny fikasanareo sy ny momba anareo manontolo ho voninahitr'Andriamanitra Ray! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
asimbola il y a 10 mois
Faly manonona ny fiadanan'i Jesosy ho amintsika membre tsirairay avy.
Andao hiray fo sy saina hifona sy hivavaka ho an'ny firenena mba i Jesosy Kristy no hanjaka tanteraka ao ampon'ny malagasy tsirairay avy, de ho tanteraka eto amintsika ny fanasitranana @ lafiny rehetra izay mahazo ny tanindrazantsika @ zao.
Zamaria1 il y a 10 mois
Misaotra anao izahay Jesosy fa mbola notahianao sy namindranao fo ka mbola afaka mivavaka aminao mandran-kariva ary mbola mandray ny fahasoavanao isan'andro isan'andro.
Mamindra fo aminay mpikambana ato @ vondrombavaka ka mamela ny helokay sy ny fahotanay rehetra, dia omeo anay ny Fanahy Masinao mba hitoetra ao anatinay sy hitaridalana anay isan'andro isan'andro ary hiaro anay tsy ho azon'ilay ratsy.

Jesosy ô jereo koa ity firenenay ity ka afaho ho afaka amin'izao krizy lehibe izao, vangio ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy rehetra ka ampibebao hiala @ ratsy fanao. Fa mijaly loatra ny vahoaka.

Dia misaotra Jesosy. Voninahitra anie ho Anao irery ihany. Amena!
Adinoina il y a 11 mois
Arahabaina mimiko tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka".

Andriamanitra anie hitahy anao sy ny ankohonanao sy ny akaikin'ny fonareo rehetra sy ny momba anao manontolo ka hiaro anareo Izy hahatanteraka ny fiadanan'i Jesosy efa nomaniny ho anareo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 11 mois
Am-pifaliana tanteraka Suzette ny handraisana anao sy iarahabana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka".

Ny fitahian'Andriamanitra ombam-pahasoavana anie handrakotra anao sy ny ankohonanao amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
nick il y a 11 mois
Ry Tompo mahery loharanon'ny zavatra rehetra miantso ny anaranao indray izahay amin'izao maraim-baovao izao, misotra Tompo ô! amin'ireo soa maro izay nomenao anay, mifona aminao izahay amin'ireo zavatra rehetra tsy mifanaraka amin'ny sitra-ponao. Dia mbola mamerina ny fitokisana aminao indray izahay Tompo ka mba tantano vimbino mba hahavita ny adidinay tsirairay avy, alaviro anay ny zava-dratsy rehetra. Iraho ny fanahy masinao Tompo ô! hiasa ao anatinay tsirairay avy ka hidera ny anaranao izahay amin'izay zavatra rehetra ho ataonay anio. Amen!
Zamaria1 il y a 11 mois
Miarahaba antsika rehetra ato @ vondombavaka. Fiadanana anie ho antsika rehetra.

Mivavaka ho antsika rehetra aho mba tsy ho levona ny finoan-tsika an'i Jesosy Kristy Tompotsika.

Mivavaka ihany koa ho an'izay tsy salama mba ho sitrana ary izay manana olana mba hivaha ny olana.

Samia mibebaka fa izany ihany no fanalahidy hamahana ny olana rehetra sy hanasitranana ny aretina rehetra. Angataho ny Fanahy Masina hitaridalana anao @ izay rehetra ataonao dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra mamirapiratra!

2Ti 1:6 ARY noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tànako.
2Ti 1:7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

Mahereza daholo! Amena!
SUZETTE il y a 11 mois
Miarahaba izay rehetra ato amin'ity groupe ity. Vao niditra membre ka mbola vao manavao.
Manatena fifampaherezana ho antsika rehetra. Mitomboa amin'ny finoana daholo.
miadana il y a 11 mois
isaotra Jesosy fa mpamaly vavaka ianao ka nataonao lohany tokoa ny zanakay fa tsy rambony t@ fanadinana zay nataony ary misaotra koa ny @ iny taom-pianarana iny fa ianao no nomba anreo zanakay reo,nanome hery sy fahasalamana azy reo ka nahatonga azy @ zao toerana zao,nanome zay rehetra nilainy t@ zany.
Ary de mametraka sahady eo am-pelatananao ny taom-pianarana vao2 hatrehan'izy reo,arovy @ naman-dratsy sy ny fitaoman-dratsy rehetra ny zanakay Jesosy
Mametraka eo am-pelatananao ihany koa ny olona rehetra eto @ ty groupe ty sy ny ankohonany rehetra ,ny fitahinao manana amby ampy anie ho aminay tsirai2 avy.AMEN
Zamaria1 il y a 11 mois
Crois seulement, sans te poser de questions et tu seras béni.
Notre plus grand problème est que nous ne croyons toujours pas que DIEU puisse nous ouvrir une fenêtre d'immenses et abondantes bénédictions.

Je te défi de tenter DIEU, mets-Le à l'épreuve !

Il est fidèle à Sa Parole,
Trois choses vont se produire cette semaine dans ta vie:
1 - Tu trouveras faveur auprès de quelqu'un de qui tu ne ne t’attendais pas.

2 - Tu seras aussi très pertinent et ne pourras être ignoré;

3 - Tu rencontreras DIEU, et tu ne seras plus jamais le même.

Ma prière pour toi aujourd'hui:

- Que tous yeux lisant ce message ne voient plus jamais le mal.
- Toute main qui enverra ce message à d'autres ne travaillera pas en vain,
- Toute bouche qui dirait « Amen » à cette prière rira toujours.

Il faut avoir confiance à notre Seigneur et croie en Lui de tout ton cœur et Il ne te manquera jamais, parce qu'il est Digne!
Amen !


Seigneur, je t’envoie cette demande de prière pour la bénédiction,
Non seulement de la personne qui m'a envoyé ce mail,
Mais pour moi et tous ceux à qui je transmets ce message aujourd'hui.

Je sais que le pouvoir, de la chaîne de prière, de ceux qui croient et espèrent en Toi, est plus puissant que tout.

Je Te remercie d’avance pour Ta bénédiction. Seigneur, délivre la personne qui lit cette prière maintenant de toute dette et de tout fardeau de la dette.
Accorde-moi ta sagesse divine afin que je sois un bon gestionnaire sur tout ce que Tu m'as donné, oh mon Dieu, car je sais combien Merveilleux et Puissant Tu es, et comment si nous t'obéissons seulement et marchons dans Ta Parole, nous avons la foi d'un grain de sénevé, Tu vas déverser sur nous d'abondantes bénédictions.
Je Te remercie aujourd'hui Seigneur pour les bénédictions récentes que j'ai reçu et pour les bienfai
Adinoina il y a 11 mois
Faly miarahaba antsika tsirairay avy eto amin'ny vondrom-bavaka!

Hitahy anareo anie Andriamanitra! mirary herinandro mahafinaritra sy tsara ary soa ho anareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Adinoina il y a 11 mois
Arahabaina mahatratra ny fetim-pirenena faha-51 taonan'ny fahaleovantena ry namana isany!

Ny fiadanan'i Jesosy anie ho amin'ny vahoaka Malagasy sy ho aminareo tsirairay avy! amena!
nick il y a 11 mois
Tompo Ray mahefa ny zavatra rehetra misaotra midera mankalaza ny anaranao izahay amin'izao maraina izao. Tonga eto izahay mitondra ny vetsovetsom-ponay tsirairay avy, Ianao nefa Tompo mahafantatara izay mety sy tsy mety ho anay ka ankininay tanteraka aminao ny fiainanay.
Ho tapitra ny taom-pianarana, amiko manokana Tompo dia midera ny anaranao aho satria nohon'ny fitantananao masina dia nety ny taom-pianaran'ny zanako, iderako ny anaranao mandrakizay izany, mangataka amainao ho an'ireo Ray amandreny izay mandalo fitsapana aza avelanao irery.
Ampianaro izahay Tompo mba hahay hisaotra sy hidera anao mandrakariva. Apetrakay eo ampelantananay ihany koa ity vondrom-bavaka sy valim-bavaka izay sehatra hihaonanay sy iarahanay manonona ny anaranao, arovy izahay mpikambana eto sy Manassé mpitarika anay.
Ho anao mandrakizay anie ny voninahitra ny dera sy ny laza amen!
miadana il y a 11 mois
Misaotra Tompo fa nomenao zao maraina zao indray,misaotra fa na teo ny vola very de afaka nanonitra izany aho.
Mamela ny helokay t@ zay mety tsirambina nahatonga zany ary satria fantatray fa ny zavatra rehetra de misy antony avokoa ko de ampahafantaro anay Tompo zay tianao ambara aminay @ alalan'ny fanahinao masina ary ampio sy tariho zahay hiala @ zay tsy fahatanterahanay
De manankina tanteraka eo ambany fahasoavanao ny andronay sisa rehetra zahay Jesosy ary de misaotra sahady satria mpamaly vavaka ianao.Amen
Adinoina il y a 11 mois
Tsy mitsahatra ny misaotra sy mankasitraka anao Jesosy malala amin'ny asa mahagaga rehetra asehonao anay tsirairay avy eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka", amin'ny asa fanompoana omenao anay, amin'ny fiainan-tokantranonay tsirairay avy, amin'ny fivelomanay, amin'ny andavanandronay, ka amindranao fo anay, iarovanao anay, itahianao anay, itiavanao anay, na dia tsy mendrika izany akory aza izahay...

Feno fifaliana ny fonay satria Rain'ny mandrakizay hianao ka maneho aminay ny zava-mahagagan'ny fiainana mandrakizay izay efa santarinay sahady ankehitriny... misaotra Jesosy ô!

Indro mametraka feno ny momba anay tsirairay avy aho Jesosy malala ô, fa voaisanao na dia ny volon-dohanay tsirairay avy aza, fantatrao ny zava-miafin'ny fonay rehetra, mihanjahanja eo imasonao ny any anatin'ny sainay lalina rehetra, fantatrao ny fihevitray sy ny ambaran'ny vavanay ary ataon'ny tananay, hainao ny alehan'ny tongotray sy jeren'ny masonay... ary na dia ny kasainay ho amin'ny ho avy aza dia tsy misy miafina eo imasonao... koa mametraka izany rehetra izany eo imasonao Jesosy malala ô, tendreo amin'ny rànao ny momba anay manontolo, sasao madio izay rehetra loto sy ota, hareno izay rehetra fahalavoana sy fahalemena, ampaherezo izay rehetra fahosàna, vangio izay rehetra ao anatin'ny fahoriana sy irery, ataovy tafaverina aminao izay lasa lavitra anao... sitrano izahay Jesosy malala ô ka diovy amin'ny rànao masina, aza avela misy hahakasika anay izay ratsy ary arovy ny momba anay manontolo mba haneho ny fahazavanao, ny fahamarinanao ary ny fahamasinanao Jesosy malala ô!

Mahatoky anao izahay Fanahy Masina ô fa hiasa hianao ka haneho anay ny fahagagànao ary hampiorina ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana ao anatinay!

Ho anao ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay, mandrakizay ry Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ô! amena!
Adinoina il y a 11 mois
Andriamanitra ô, Andriamanitra tsara hianao sady mpanao ny tsara mandrakariva. Misaotra anao izahay ny amin'ny fitahiana mahagaga nasehonao ny malalanao i mimikeliko!

Tsy mitsahatra ny maneho aminay tsirairay avy hianao ny fitiavanao anay ka nitahianao an'i mimikeliko manokana ary namindranao fo taminy sy ny ankohonany. Mankasitraka sy midera Anao izahay fa na tamin'ny antsipirian'ny fiainany aza dia teo am-pelatananao izany ka nahatsiarovany ny fahasalamana, ny andro vaovao sy ny maro tsy tambo isaina niarovanao azy ireo.

Manoloana ny andavanandrony sy ny fiainam-panompoan'izy ireo nefa dia mametraka azy manokana eo am-pelatananao izahay mba hainoinao ny hetahetany ka hamindranao fo izy ireo hahita fitia sy fiarovana avy aminao ka tena hanjakanao tanteraka izany tokantrano izany, mba hifalian'izany ankohonanao izany Jesosy malala ô, satria fantatray fa novidianao tamin'ny rànao koa izy ireo.

Raha mety hianao dia vonjeo ny olonao fa miantso anao Jesosy ô!
Ho anao irery ny voninahitra anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!
Adinoina il y a 11 mois
Arahabaina mihamina tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka",

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha sy ny fiadanany anie handrakotra ny fiainanao ka hampitoetra ny fifaliana ao amin'i Kristy Jesosy, anao sy ny ankohonanao ! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
amourfraternel il y a 11 mois
Vaovao lehibe tokoa ny fahenoana ny fitsanganan'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" izay tsy ho ela akory. isaoranay mandrakariva Ianao ry Tompo satria dia mamela ary tsy manakana ny hampandrosoana ny hambain-dain'ny fanjakanao eto Madagasikara. Bitsiho @ Fanahinao Masina ny olonao mba hanaiky marina tokoa ho irakao n'aiza n'aiza na @ fotoana inona na @ fotoana inona. Amena
mimikeliko il y a 11 mois
Tompo o, tonga eto amin'ity sehatra ity indray ny tenako anio. Eny, ela dia ela tokoa izay no tsy nandalovako teto, noho ny zavatra be dia be nitranga tamiko. Indrindra ny aretina izay nahazo ahy teo. Eny Jesosy malala o, misaotra anao mandrakariva aho satria nomenao fahasalamana indray, nomenao ireo soa sesehena tsy takatry ny saiko, ary mbola nomenao tombon'andro ahafahako manantanteraka ireo adidy maro napetrakao tamiko.

Be dia be ny toetra, ny fitondrantena, ny teny ataonay isan'andro tsy mifanaraka amin'ny sitraponao. Mifona aminao izahay amin'izany ary mangaka aminao mafy, mba amelanao izany heloka izany.

Entiko eto ampelatananao manokana androany Tompo o ny fianakaviana keliko. Faniriko Tompo o, ny idiranay mianakavy kely any antranonao. Mangataka aminao aho, bitsiho ao antsofiny izany, indrindra fa ny vadiko. Ampahafantaro azy fa lehibe Ianao, namanay Ianao, ary manampy anay mandrakariva Ianao. Raha tsy teo Ianao Tompo malala o, dia tsy ho toy izao akory ny fiainanay mianakavy. Misaotra sahady aho Ray o, ny amin'ny mbola itantanao izany fiainanay rehetra ho avy izany.

Mangataka aminao koa aho, nisy ilay entretien momba ny asa nataoko fotoana vitsivitsy lasa izay. Tompo o, ankiniko aminao izany. Enga anie mba ho tanteraka soa aman tsara raha toa ka sitrakao sy fantatrao fa mety amiko izany asa vaovao izany. Fantatrao Tompo o ny faniriko mafy te hiasa. Fantatrao ny hetahetako, ary fantatrao ihany koa ny fiainako. Misaotra anao sahady Tompo o, amin'ny fanomezanao ahy izay mahasoa sy mahatsara ahy.

Deraina sy ankalazaina mandrakizay anie Tompo o, ny anaranao. Misaotra Tompo o, amen
Adinoina il y a 11 mois
Jesosy malala ô, miombom-bavaka tanteraka amin'ny zanakao malalanao miadana izahay mba hihainoanao ny hetahetany rehetra ka hovalianao vavaka izy eo ambanin'ny tanam-pahasoavanao sy ny famindramponao hahatanteraka ny fifaliany sy hanomezany voninahitra anao fa manana Andriamanitra tsara sady mahatoky izy sy ny ankohonany ary ny vady aman-janany, manana anao!

Mino sy mahatoky izahay fa mpihaino sy mpamaly vavaka Hianao koa misaotra anao Jesosy malala ô fa ao aminao ny momba izany ankohonana izany manontolo! amena!
miadana il y a 11 mois
Faly miarahaba antsika indray ary miarahaba manokana an'i Adinoina sy ny ray rehetra tratry ny fetin'ny ray ,ho aminareo mandrakariva anie ny fitahin'Andiamanitra sy ny fahasoavany ary mba ho modely tsara hatrany eo anatrehan'ny ankohonana tsira2 avy anie ianreo ray rehetra eto @ ty groupe ty
Misaotra ano ihany koa zahay Ray ny @ valim-bavaka nomenao anay t@ fampihavanana nasehonao satria fantatrao loatra zany faniriana taty anatinay zany
Mametraka manokana an' Malala sy Mahery zanako eo am-pelatananao aho Jesosy @ fanadinana zay atrehany @ ty herinandro ity ,ny fanahinao masina anie hampahafantatra sy hampatsiaro azy ny zavatra rehetra araka ny teninao ary de hanome saina azy ihany koa ianao ,arovy @ tsirambina sy ny kitoa2 ary zay mety ho asa matin'ny satana rehetra izy reo mba hanamarinana ny teninao fa ho lohany fa tsy ho rambony @ fianarana zay ataony ;
Toy zany koa Manoa kely zandriny dia entiko sahady eo am-pelatananao ny fanadinana ataony atsy ho atsy , fanirianay ny mba hahatonga zay reo @ toerana nomaninao ho azy de toerana avo satria teninao zany ko de ianao Tompo no ametrahanay ny fahatanterahan'izany teninao zany ary isaoranay sahady satria tsy mba mamitaka ianao fa zay lazainao de hainao atao
Ankiniko aminao ihany koa ny @ vadiko hitanao ny momba azy rehetra ianao anie hanafaka azy @ ze mbola fatopatotra manageja azy ,fantatrao fa te hanao ny sitrakao izy nefa hitanao ihany koa ny fahalemeny ,noho ny toky omenao anefa Jesosy fa ny herinao de tanterahana @ fahalemena de mahazo toky zahay fa ho afahanao izy ary raha ianao zanaka no manafaka de ho afaka tokoa izy :de misaotra tompo fa azo antoka ny valim-bavaka omenao
Mba omeo hery hatrany zahay hiatrehanay ny asa aman-draharahanay isan'andro ,hitanao ny hazakazaka isan'andro hampitoerinao aminay tokoa anie ny asan'ny tananay nefa aza avela hanadino anao zahay @ zany zavatra rehetra zany ary arovy @ fakam-panahy ny tokatranonay mba ho iana o hatrany Tompo no ho lohany @ tokatranonay .
Mametraka ihany koa anay rehetra ato anatin'ty groupe ty eo am-pelatananao zahay Jesosy ,ho aminay hatrany anie ny fanahinao masina hitari dalana any tsrai2 avy ho @ sitraponao .Misaotra Jesosy AMEN
Adinoina il y a 11 mois
Dia am-pifaliana no iarahabana ny raim-pianakaviana rehetra eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" mahatratra ny fetin'ny ray 2011!

Andriamanitry ny fiadanana anie hampitombo aminareo tsirairay avy fahendrena sy fitiavana ary finoana ao amin'i Jesosy! amena!
Adinoina il y a 11 mois
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany!
Deraina Jesosy nitahy sy niaro ary nahatanteraka ny fikasany tamin'ny ankohonan'i hayve ka nanomezany zazakely araka ny fanirian'ny ray aman-dreniny!

Mankasitraka anao izahay Jesosy ô, fa tsara Hianao sady Mpanao tsara ka iza moa no toa anao, fa asehonao anay ny fitiavanao sy ny famindramponao ary ny voninahitrao amin'ny famalianao ny vavakay!

Dia am-pifaliana tanteraka no iarahabana anareo mianakavy nahazo valim-bavaka lehibe, nomen'Andriamanitra fara handimby!

Aza adino ny mankasitraka an'Andriamanitra ka manome Azy ny fisaorana sy ny fideràna manontolo, amin'ny fanavaozanareo ny fanoloran-tenanareo ho Azy, ny fankasitrahanareo an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanati-pisaorana, ny faherezanareo mivavaka amin'ny fiangonana amin'ny fitiavana sy ny finoana ary fitondranareo amim-bavaka ihany koa izay mitalaho sy mangataka zanaka mba hahafeno ny fifalian'ny zanak'Andriamanitra...

Dia ho aminareo anie ny fiadanana! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
miadana il y a 11 mois
Miarahaba antsika rehetra eto @ groupe ary miaraba manokanana ny namantsika tafita soa t@ fiterahana ary misaotra an'Andriamanitra noho ny fitahiny satria izy no anton'zany fahasoavana lehiobe zany ary de mirary anareo mianaka ho salama tsara harahin'ny fahasoavan'ny Tompo hatrany ;ary de mametraka ihany koa eo am-pelatanany ny fiainantsika tsirai2 eto @ ty groupe ty ,ny fiadanany zay mihoatra noho ny fahalalana tsara rehetra anie hiaro ny fontsika sy ny fihevitsika isan'andro2 mba ho zay sitrany no ho tanteraka eo @ fiainantsika ary de mangataka anao Andriamanitra mba tsy hanaisotra ny fanahinao masina aminay @ androm-piainanay rehetra mba ho tena zanakao tokoa zahay satria zay tarihin'ny fanahinao masina no zanakao indrindra amzao ankatokin'ny pentekosta zao,Amen
hayve il y a 11 mois
Miarahaba antsika indray, tonga t@alarobia vao maraina be ny zaza, misaotra an'Andriamanitra indrindra fa nanatrika teo tokoa Izy, salama tsara izahay mianaka. Amen Misaotra anareo namana nivavaka ho anay koa, Jesosy anie homba sy itahy anareo @zay ataonareo. Amen
nick il y a 11 mois
Ho deraina mandrakizay ny anran'Andriamanitra, Tompo ô! misaotra Anao izahay noho ireo soa maro sesehena izay nomenao anay, indraindray tsy tsapanay akory ny fitivanao ka ifonanay aminao izany. Miantso ny anaranao izahy Tompo amin'izao maraina izao, mba ampaherezo ny fianakavian'ny namanay izay nody any aminao, ny vady aman-janany aza avela ho kamboty satria miankina aminao .
Tahio Tompo i Hay ve sy ny zanany mba ho salama tsara
hitondra hafaliana tsnteraka eo aminy sy ny ankohonanany ny zaza izay nomenao azy, ary ho Reny salama hahavita ny adidiny izy satria miankina aminao.
Misaotra anao izahay nomenao an'i Adinoina izay mampianatra sy mampahery anay ary mampatsiahy anay mandrakariva fa tsy very izay miankina aminao, tahio izy sy ny fianakaviany mba hahavita adidy izaynapetrakao aminy
Misaotra Tompoô! ianao mahafantatra izay tsy voantonin'ny vavavnay sy tsy takatry ny sainay nefa mahasoa anay dia ankinina aminao Amen!
Adinoina il y a 11 mois
Tahian'Andriamanitra hianao sy ny ankohonanao hayve!

Mivavaka ho anao sy ny zaza, sy ho an'ny vady aman-janakao izay manohana anareo mianaka tanteraka, sy ho an'ny ankohonanao, sy ho an'ny mpitsabo rehetra izay mikarakara anareo, sy ny fianakavianao rehetra izahay ary mirary indrindra raha mirary ny ahatongavan'ny vahinikelintsika vaovao, eo ambanin'ny tanam-pahasoavan'Andriamanitra!

« 24 Hitahy anareo anie Jehovah ka hiaro anareo; 25 Hampamirapiratra ny tavany aminareo anie Jehovah ka hamindra fo aminareo; 26 Hanandratra ny tavany aminareo anie Jehovah ka hanome anareo fiadanana. » Nomery 6:26

Amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
hayve il y a 12 mois
Miarahaba antsika rehetra eto ny tenako, mba ento am-bavaka ny fiterahako ry namana fa efa akaiky a! Jesosy ho eo anilanay mianaka, hiaro anay @ loza, fakam-panahy ary Izy no dokotera lehibe indrindra hanatrika @ izany fotoana izany. Misaotra anareo sahady a, tahian'i Jesosy isika rehetra amen
hayve il y a 12 mois
Miarahaba antsika rehetra eto ny tenako, mba ento am-bavaka ny fiterahako ry namana fa efa akaiky a! Jesosy ho eo anilanay mianaka, hiaro anay @ loza, fakam-panahy ary Izy no dokotera lehibe indrindra hanatrika @ izany fotoana izany. Misaotra anareo sahady a, tahian'i Jesosy isika rehetra amen
hayve il y a 12 mois
jesosy o, misaotra @ fitiavanao anay, misaotra @ fandaharana ataonao rehetra, mahasoa anay tokoa ireo. Entiko eto @o ankehitriny ny fianakavian'i Tompokolahy zay nody mandry, Ianao no hampionona azy ireo rehetra, ny namany ihany koa, apetraka Aminao ny ankohonanay, ny fivelomany, ny fitaizana ny zaza... Jesosy ô, aza avela ho kivy izy ireo ary ataovy miankina Aminao irery ihany, fafao ny ranomaso rehetra Jesosy o, aza avela hitanondrika @ tany fa hiandrandra Anao hatrany. Anao ny dera, laza ary voninahitra mandrakizay amen
Adinoina il y a 12 mois
Tahian'Andriamanitra hianareo namana rehetra! amena!

Amin'ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty ao amin'i Jesosy Kristy, no ilàzana aminareo fa maty tamin'ny sabotsy teo ilay namana anankiray izay nangatahako vavaka teto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka, dia tsy iza izany fa ny rahalahy, ny mpiandry-diakona, Rasoamanana Alain Patrick!

Nahavita ny fihazakazahany izy ka nody any amin'ilay mpamorona azy!

Androany no afenina izany rahalahy nahavita be teo amin'ny asan'i Jesosy izany, ka Andriamanitry ny fiadanana anie homba ny vady aman-janany ary hitahy azy ireo manokana hitondra fampiononana sy finoana ary fanantenana ao amin'i Jesosy ho azy ireo, ary ihany koa hiantoka sy hamelona azy ireo araka ny teny fikasany fa zanany sy asan'ny tanany ireo ka dia ho adidiny ihany...

Mankasitraka antsika tsirairay avy niombon'aina tamim-bavaka, nangataka tamin'ny tsy fahasalamany, nitondra azy teo amin'i Jesosy fa tsy nijaly izy tamin'ny nandeha ary nilamina tanteraka teo amin'ny tavany ny fahavononana hiditra any amin'ilay fiadanana mandrakizay!

Ho aminareo rehetra anie ny fiadanana amin'ny anaran'i Jesosy! amena!
hayve il y a 12 mois
Dera hoa n'Andriamanitra, mahery tokoa izy, misaotra Azy isika @ valim-bavaka nahasitranan'i N, hitohy ny fahasalmana tanteraka. tahian'i Jesosy isika rehetra amen
hayve il y a 12 mois
nY FAHASOAVAN4I jESOSY HO AMINTSIKA REHETRA! misaotra an'i Manssé @ fampianarana ataony eto, Jesosy hitahy anao manokana.
Jesosy o mahatsiaro ny niècen'i Alval eto izahay ankehitriny, mamelà ny helony Ianao, mamindrà fo aminy, tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao tokoa, ka dia mangataka ny tananao mahavonjy hanasitrana azy tanteraka @ cancer izay mahazo azy, Jesosy ô, ampaherezonao indrindra izy ary ataovy mitodika Aminao irery. Jesosy o, sitrano re ity mpanomponao, mitalaho Aminao izahay. Misaotra sahady t@ izay efa nataonao sy hataonao. ANAO NY DERA, LAZA ARY VONINAHITRA MANDRAKIZAY; aMEN
FB.Nanah.F il y a 12 mois
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Tompo.
Tena misaotra betsaka Manassé amin'ireo textes marobe fa tena mampahery tokoa sady misy fampianarana mahaliana mandrakariva.Dia mirary fiadanan'i Jesosy Tompo ho amin'ny mpikambana tsirairay avy dia mahereza daholo!
kiou il y a 12 mois
Manao ahoana isika rehetra no manonona ny fahasoavan'i Tompo ho amintsika tsirairay avy.
Misaotra indrindra Manassé nahatsiaro a! na tsy dia hita loatra eto aza aho dia maharay soa amantsara ny fampianarana avy amin'ny tenin'ny soratra masina zay ataonao.
Manararaotra ihany koa mirary fahasalamana tanteraka ho an'ny nièce ny Alval, ny dian-kapoka teo @ Jesosy tokoa no efa nanasitranany antsika ka mino sy mahatoky aho fa hihaino ny fivavahantsika izy raha mino isika.
Mirary soa ho antsika rahatra ihany koa
Zamaria1 il y a 12 mois
Miarahaba ny mpikambana rehetra ato @ groupe vondrom-bavaka, ho aminareo anie ny fiadanan'ny Tompo mharitra mandrakizay.
Miarahaba manokana ny reny rehetra tratrin'ny fetinin'ny reny ho tahin'I Jesosy anie hianareo sy ny ankohonanareo dia mavita be @ asan'ny Tompo.

Inty ny tenin'Andriamanitra ho fampaherezana ho anareo:

1Pet 3:1 Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, manekè ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondrantenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
1Pet 3:2 rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondrantenanareo amin'ny fahatahorana.
1Pet 3:3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
1Pet 3:4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
1Pet 3:5 Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
1Pet 3:6 dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe 'tompoko'; dia zanany hianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.

Mahereza daholo e!

jean Marie
Adinoina il y a 12 mois
Arahabaina tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka kotolitakely!

Amin'ny fifaliana tanteraka no irariana ho anao ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, hitondra fifaliana sy fitahiana ho anao sy ny ankohonanao! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 12 mois
Amin'ny fifaliana tanteraka no andraisana anao sarandria tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka!

Ny fiadanan'i Kristy Jesosy anie ho aminao sy ny momba anao manontolo ka hanome anao fifaliana sy fahombiazana amin'ny fiainanao! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 12 mois
Faly izahay miarahaba anao anjelikelly tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie hiaro anao sy hanafy hery anao ka handrakotra anao fifaliana sy fiadanana amin'ny momba anao manontolo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
nick il y a 12 mois
Misaotra anao hatrany izahay ry Tompo nohon'ny fitivanao mahery nontantananao izahay ka tratry izao maraim-baovao izao indray. Apetraka manadrakariva aminao Tompo ny momba anay rehetra, fantatray fa tsy ho diso anjara izahay satria miankina aminao.
Itanao Tompo ny bitsika ao am-ponay tsirairay, atambatra eto ary asandratray ka mba henoy. Aoka ny sitra-ponao irery ihany no ho tanteraka mandrakizay amen!
richlife2006 il y a 12 mois
Mitrotro amim-bavaka manokana ny reny rehetra eto @ ity vondrom-bavaka ity ny tenako : Andriamanitry ny fahasoavana rehetra anie hanome
- fahendrena
- hery sy tanjaka ary fahasalamana
- fifaliana
- sy fahasambarana
anareo amin'ny fanatontosanareo ny adidy masina sady goavana iantsorohanareo @ maha-reny anareo ...

Mitomboa @ fahasoavana !
Adinoina il y a 12 mois
Amin'ny fifaliana tanteraka no iarahabana anao Pisoukely tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka!

Ny fitahian'Andriamanitra anie handrakotra ny fiainanao sy ny ankohonanao ka hahatanteraka ny fikasan'Andriamanitra rehetra aminareo hitondra fiadanana sy fahasoavana! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 12 mois
Isaorana Jesosy amin'ny famindrampony mandrakariva ka mahatoy izao antsika! amena!

Mankasitraka Zamaria1 amin'ny fampaherezana entinao fa tena manome aina sy hery tokoa ny tenin'Andriamanitra zarainao! dia ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny fifaliana sy ny fiadanana ao amin'i Jesosy Kristy Tompontsika! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Zamaria1 il y a 12 mois
Misaotra betsaka Jesosy nohon'ny famindram-po sy fitahiana marobe nomenao anay isan'andro isan'andro.

Ary mivavaka ho an'ny mpikambana rehetra ato @ "Vondrombavaka sy Valimbavaka" aho mba samy handray ny famindram-po sy famelan-keloka avy @ jesosy Kristy Tompotsika isika ka samy hahazo valimbavaka avokoa araka ny anaran'ny Groupe tsika. Samia mazoto mibebaka sy mivavaka fa izany ihany no ahafantsika mandray ny famonjen'i Jesosy Kristy izay nifidy antsika.

Inty ny teny izay nomeny ho fampaherezana antsika androany:
"Apok. 21:3 Ary naharè feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
Apok. 21:4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.

Koa smia mahereza daholo. Amen!
Adinoina il y a 1 an
Isaorana Jesosy ny amin'ny andro vaovao nomeny anio!

Faly miarahaba antsika rehetra... famindrampon'Andriamanitra anie ho aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Misaotra Anao aho Jesosy malala fa mbola eo ambanin'ny fahasoavanao ka omenao famindrampo mandrakariva afaka mitodika sy miantso ny anaranao.

Misaotra Anao aho fa mbola nomenao andro sy zavatsoa maro tsy takatry ny saina amin'izao anio izao ka iderako anao amin'ny foko manontolo.

Indro aho mitondra ireto rahalahiko mpiara-manompo amiko aminao dia i Patrick sy Mamy fa mavesatra ny fo Jesosy malala ô. Raha mety hianao dia sitrano izy mirahalahy... mamindrà fo amin'izy mirahalahy sy ny ankohonany Jesosy ô! diovy amin'ny rànao masina Jesosy malala ô dia tendreo ny lohan'areina sy ny fanaintainana rehetra ary ny rofy tsy hanapaka azy mirahalahy! sitrano izy ireo Jesosy dia tsarovy izay anjara tsara nataony teo imasonao mba ho isan'ny fahamarinany... koa hianao niteny tamiko : mangataha dia omena hianareo dia indro aho manatona anao amin'ny fanetren-tena mangataka Aminao : mamelà sy helok'i Patrick sy Mamy ary ny ankohonany Jesosy ô dia sitrano ny olonao fa mila ny famonjenao!

Tsaroana amim-bavaka ihany koa ny tsy salama rehetra sy ny manana rofy ato amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka mba hojerenao manokana Jesosy malala ô! vonjeo ny olonao fa mitaraina Aminao miandrandra fahadiovana sy fahasitranana! amena!

Anao irery ny voninahitra! amena!
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny finoana sy fanantenana ary fitiavana no angatahako vavaka avy amintsika namana rehetra ho an'ny rahalahy mpanompon'Andriamanitra mirahalahy :
- ny mpiandry sady diakona, Rasoamanana Alain Patrick, marary fo sy lalan-drà sy aty ary vavony, ary tratran'ny goty ary reraka ankehitriny... mila évacuation nefa 800 millions de fmg no ilaina..., sy ny vady aman-janany miatrika izao mahazo azy izao ;
- ny mpiandry sady diakona, Rakotonanahary Mamy Tantelihavana, marary reins ary efa any frantsa ka miandry ny anjarany araka izay afaka manome reins ahafahana manao opérations... , sy ny vady aman-janany miatrika izao mahazo azy izao.

Mankasitraka anareo namana rehetra amin'izay azonareo atao, indrindra fa ny fitondrana amim-bavaka...

Ho aminareo anie ny fiadanana! amena!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Andriamanitra tsara sady tia ny mpanomponao ô!

Maharipo sady be famindrampo amiko Hianao, misaotra Anao aho fa anehoanao ny fahasoavanao isanandro isanandro!

Ny fitavanao tsy manam-petra no tsy mahalany ritra ahy sy ny ankohonako sy ny fianakaviako sy ny mpino rehetra namako sy ny fireneko, ka itahianao anay amin'ny antsipiriam-piainanay manontolo!

Deraina mandrakizay Hianao! iza no toa Anao? Hianao no Ilay Andriamanitra mahatoky ka aroko sy fiarovana ho ahy, antoky ny famonjena sy fifalian'ny foko manontolo...

Ankalazaina mandrakizay anie ny anaranao Jesosy malala, Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka!
Haleloia! amena!
TJK12 il y a 1 an
Tompo malala ô, tsy hay ny tsy hankasitraka anao satria navotanao tamin'ny herinao mahagaga, mamaly vavaka tokoa Ianao, Dera sy laza ho Anao irery ihany. Mifona Jesosy tamin'ny fisainana rehetra tsy nifanaraka tamin'ny sitraponao!
Dia mbola ny tananao mahery hatrany anie no hiaro anay. Voninahitra ho anao irery!!!!!
nick il y a 1 an
Tompo Ray masina , tena tsy takatry ny sainay ny fitivaanao , notantananao izahay ka nomenao izao maraim-baovao izao, vangio ny fonay tsirairay avy Tompo ô! mba ho tsaroanay mandrakariva fa mitantanta anay Ianao, lehibe ny fitiavanao anay, ka nahatonga anay ho amin'izao toerana misy anay tsirairay avy izao.
Ray ô! aza avelanao hisedra izay tsy zakanay izahay ary mba henoy vavaka
Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanan'ny Ray ahafahantsika hanatanteraka ny sitra-pony amen!
hayve il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra eto aho, Jesosy hitahy antsika rehetra ary hanafy hery @ fanatanterahana ny asany.
Faly mandray an'i Ianja izahay, mahereza indrindra ary aza kivy @ asan'ny Jesosy.
Misaotra ireo modérateurs ny site fa raha tsy eo zareo dia tsy à jour ny ataontsika eto ka Jesosy anie hanafy hery anareo rehetra ary hanome fahendrena.
Tahio ireo mpivavaka eto Jesosy o, ambino izy ireo.
Amen
Zamaria1 il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra @ anaran'I jesosy
Inty misy hafatra ho antsika: Aza variana amin’izao fiainana izao intsony ary aza manao kitoatoa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra;
Saino ny any an-danitra ary atolory ho an’Andriamanitra ny fiainanao sy ny aminao rehetra. Ianao irery no erany ary
tandremo sao tara fa tsy afaka manao na inona na inona aminao intsony Jesosy amin’izay fotoana izay.
Zarao amin’ny olona (na fantatrao na tsy fantatrao) ity hafatra ity fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Ho faly Jesosy ny
amin’izany fihetsikao izany ary hotahiany amin’izay hataonao rehetra ianao satria nahatanteraka ny “mission”
nampanaoviny anao ianao.
Ny Fanahy Masina anie hirotsaka aminao ary hanome anao hery vaovao ho amin’ny fanovànao ny fiainanao tsara kokoa
noho ny teo aloha, mba ho sitrak’Andriamanitra TOKOA ny aminao manontolo.
Mahereza ary samy ho tahian’i Tompo isika rehetra
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao lanja!

Arahabaina hianao, amin'ny fifaliana no irariana ho anao sy ny ankohonanao ny fiadanana sy ny fahasoavan'i Jesosy, handrakotra ny momba anareo manontolo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
asimbola il y a 1 an
Ray ô! misaotra Anao @ foko rehetra noho ny famalinao ny vavaka izay nasandratray tsiray2 avy @ zao groupe izao, misaotra ny @ namana izay tena manohana ambavaka, misaotra ny @ fahasalamana izay nomenao ahy nandritry ny sabotsy sy Alahady nanaovana ny asanao, misaotra indrindra ihany koa fa ny voninahitrao no niseho t@ seminera izay notanterahinay, mankasitraka feno Andriamanitra ny @ olona izay nanaiky Anao ho Tompo sy Mpamonjy indray teo @ fiainany, Ianao no mbola hametrahako ny tohin'ny fiainan'ireo izay nateraka indray ireo mba tsy hiverin-dalana mandrapakanao azy ireo ho any Aminao. Misaotra indrindra ry Ray tsara indrindra ho Anao irery ihany ny voninahitra mandrakizay, mandrakizay Amen!
miadana il y a 1 an
Miarahaba natsika rehetra @anaran'i Jesosy ary misaotra azy ny @ mbola ahafahana mifampizara zay mavesatra sy mifampitondra am-bavaka indray.De ankinina aminao Tompo ireo zay anaty aretina ,ny hiteraka,sy izay manana olana rehetra na de tsy voalaza eto aza izany de hitanao ary de ianao no hiahy izany ary mahalala ny fomba hitondrana anay tsirai2 avy ary de ny fanahinao masina anie hiaro ny fihevitray ,ny fonay sy ny fanahinay @ fanahina sy ny tahotra rehetra,matetika tokoa zahay Tompo de tsy ampy fahatokina anao ka mierikerika mila vonjy etsy sy eroa fantatrao tsara nefa zany fahalemenay zany nefa noho ny toky omenao fa ny herinao de tanterahana @ fahalemena de faly zahay ary de manantena mandrakariva fa ny indrafonao no ijerenao ary fahasoavana no amonjena anay fa tsy noho ny aminay.Eny Jesosy hitanao tsara ny afanirianay hanao ny sitrakao ,ampio zahay .AMEN
TJK12 il y a 1 an
Dia mbola midera sy mankalaza anao indray izahay ry Jesosy mpanjakanay amin'izao maraim-baovao izao!
Misaotra Tompo fa mbola notahianao izahay dia mbola velon'aina soamantsara ka afaka ny midera sy mankalaza anao indray!!! Ny Voninahitra sy ny Dera ary ny Laza ry Tomponay malalanay dia ho anao hatrany izany!! mandohalika eo anatrehanao ihany koa izahay satria mpanota tsy mendrika na dia ny hanonona ny anaranao aza, mifona Tompo ô ary mangataka ny ranao masina handrakotra anay ka hanadio anay mba ho mendrika anao izahay.
Ankininay eo am-pelatananao ary ny andronay anio, dia ny Fanahinao Masina no hameno anay ka ho voninahitrao anie izay rehatra ataonay, ary ho feno fanambinana tokoa satria Ianao no miasa miaraka aminay. Dia apetrako eo am-pelatananao koa ny fianakaviako izay ao anaty tsy fahasalamana amin'izao fotoana izao dia Ianao anie ry Jesoa Tomponay no hikasika ny faritra maharary rehetra ka hanongotra hatramin'ny fakany ny aretin-dratsy rehetra. Amen!!!
hayve il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra indray, misaotra an'i Jesosy fa tsy mbola teraka aho, tany @ hôpital alina ka mila mitandrina be fotsiny fa vizana be aho, ka mila repos be. Ny zaza koa salama tsara, misaotra anareo rehetra nivavaka, Jesosy hampitombo avo zato heny ny vitanareo. Milkaza vaovao matetika eto aho a, samy ho tahian'i Jesosy daholo isika rehetra.
hayve il y a 1 an
Misaotra Anao Jesosy @ fitiavanao sy ny famindram-ponao @y na dia mpanota aza izahay, Jesosy o, mifona Aminao @ fahotanay rehetra eto @ vondrom-bavaka aho, mamindra-fo @y. mISAOTRA @ITY GROUPE ITY? AOKA NY VONINAHITRAO NO HO HITA ATO ARY HO MPIANATRAO TOKOA IZAHAY. jESOSY MISAOTRA aNao fa salama tsara izahay mianaka, mbola tsy tonga tokoa ny fotoana aterahany, misaotra t@ fiarovanao anay, Jesosy o, mangataka ny tananao hiaro anay @ loza sy ny fakam-panahy. Tahio reo namana nivavaka ho anay, Ianao hamerina izany avo zato heny, tahionao izy ireo, ny ankohonanay, aza avela misaraka @o akory,. Misaotra Jesosy o, @ anaranao no angatahiko izany Amen
Adinoina il y a 1 an
Velom-pisaorana anao mandrakariva Jesosy noho ny fitahianao an'i hayve sy ny ankohonany!
Mankasitraka tanteraka anao noho ny amin'ny famindramponao aminy sy ny ankohonany!

Raha meety hianao dia mihainoa vavaka Jesosy malala ô fa miantso anao ny mpanompovavinao, mangataka ny hery avy aminao mba hitahianao azy amin'ny dingana sarotra lalovany ankehitriny dia ny dingan'ny fiterahana ka mba iarovanao azy sy ny zazakely ho salama tsara ary ho tonga fiterahana tsy misy fahasarotana!

Dia apetraka feno eo am-pelatananao Jesosy ny aminy sy ny zazakely ary ny ankohonany! amena

Hayve, mahereza hatrany dia ho aminao sy ny ankohonanao anie ny fahasoavan'i Jesosy sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina! amena!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Mankasitraka anao Miadana amin'izany fampaherezana lehibe entinao izany fa tena marina tanteraka ny tenin'Andriamanitra ambaranao manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : « Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. » Fitomaniana 3:22...

Fa tena raha ny ratsy ataontsika isanandro dia efa ripaka isika fa mbola mamindra fo Jesosy...

Mifandrohy tanteraka amin'ny lohahevitry ny FJKM amin'ity volana mey ity manao hoe : "mamindra fo amintsika isanandro Andriamanitra"... ary dia io teny nofidianao io ihany koa no perikopa omaly alahady tamin'ny firaisana latabatra tamin'i Jesosy...

Dia ampitao amin'ny zanakao ny fiarahabana azy mahatratra ny faha-14 taonany dia Andriamanitra ilay manan-karem-pahasoavana anie hiaro azy sy hitahy azy hitombo fahendrena sy finoana ary fahadiovana amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany dia ho aminao sy ny ankohonanao anie ny fiadanana! amena
Manassé
hayve il y a 1 an
Jesosy, misaotra Anao raha mbola velon'aina, mifona t@ fahotana rehetra vitako, jESOSY O? iANAO NO TOMPON4NY FOTOANAK ARAHA HITERAKA AHO DIA ANKINIKO FENO aMINAO IZANY? TAHIO NY ZAZA AO AN6KIBO? OMEO FAHASALAMA TANTERAKA IZY? IZAHO KOA TORAK4IZANY? iANAO MIAMBINA ANAY MIANAKAVY KELY; Meteza eo anilako rehefa ho avy lay fotoana, mora fiterahana tokoa aho, ka misaotra Anao @zany, arovy izahay mianaka kely, AnAO NY DERA, laza voninahitra mandrakizay. amen
hayve il y a 1 an
managataka vavaka re aho ry zareo a: izao e, bevohoka mantsy aho io, 32 semaines zao, ka ohatrany nisy perte des eaux teo ka matahotra aho fandrao hiteraka sahady, satria ny zanakay farany nandeha réanimation ka traumatisant ho ahy izay, misaotra sahady re a, Jesosy hampitombo avo 100 heny ny laninanareo,.
miadana il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny paska de manantena hatrany ny famindram-pon'Andriamanitra ho amintsika hatrany satria dia ny famindram-pony irery no tsy nahalany ritra antsika ,misaotra azy Tompo ko noho ny tsingeri-taona faha 14 nahaterahan'iMalala zanako t@ paska teo ary de mametraka ny taona manaraka rehetra eo am-pelatanany indray
miadana il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra
Adinoina il y a 1 an
Dia faly miarahaba anao mahatratra ny paska toy izany ihany koa! ho aminao sy ny ankohonanao ny fandresena! amena!

Mahavità soa hianareo Asimbola amin'ny anaran'i Jesosy fa mitondra amim-bavaka anareo izahay!

« Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. » I Korintiana 15:58

Ny ràn'i Jesosy Kristy avy any Nazareta anie hanasa anao sy hanadio anao ho afaka amin'ny rofy sy ny harerahana ary ny gripa sy tazo sy ny aretina rehetra izay mitady hamatotra sy hamitaka anao, koa miorena tsara Aminy, ka ny Fanahiny Masina anie hanome hery sy fahasalamana tanteraka ho anao sy ny ankohonanao ary ny mpiara-manompo aminareo rehetra sy ny fiangonana hahatontosa izany fikasana tsara izany ho voninahitr'i Kristy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
asimbola il y a 1 an
Faly miarahaba antsika reetra tratry ny Paska 2011, mba handresy toy ny nandresen'ny Tompo ny fahafatesana isika reetra!

Miarahba manokana an'i Alval noho n'ny fitsingeranan'ny taona anio, "Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka" ISai 46:4

Mangataka antsika namana mba hitondra ambavaka ,y évangélisation ataon'ny fiangonana misy anay rampitso sy afak'ampitso, de ento ambavaka ko za hanana fahasalamana feno anaovana ny asany somary tsy de salama tsara mantsy za @zao!

MAnonona ny fiadanana avy @ Andriamanitra ho antsika reetra!
Adinoina il y a 1 an
Tahian'i Jesosy hianao cath, tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka".

Ho aminao sy ny momba anao ary ny akaikin'ny fonao rehetra anie ny fitahian'Andriamanitra sy ny fahasoavany hahatanteraka ny fikasany tsara rehetra ho anareo amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao Rajoelison!

Amin'ny fifaliana tanteraka no irariana ho anao sy ny ankohonanao fitahiana sy fahombiazana amin'ny firaisanareo sy ny finoanareo an'i Jesosy ka hahatanteraka ny fifalianareo amin'ny anarany! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amim-pifaliana tanteraka no iarahabana anao amin'ny anaran'i Jesosy alval noho ny ahatratraranao anio ny tsingerintaona nahaterahanao ka nitahiany anao nandritra izay 48 taona izay!

Ny fahasoavana sy ny fiadanana ary ny fifaliana ao amin'i Jesosy anie hameno ny fiainanao, anio, ampitso ary ho mandrakizay! ary Izy anie hamaly fitia anao ka hanome anao izay rehetra irian'ny fonao anio mba ho voninahitry ny anarany! amena!

Mifalia mandrakariva!
Mahereza hatrany!
Adinoina il y a 1 an
Misaotra hayve!
Dia ho aminao sy ny ankohonanao koa anie ny fiadanan'i Jesosy! amena!
Mahereza hatrany!
hayve il y a 1 an
Tratrin'ny paska daholo isika rehetra eto, Jesosy hanafy hery, fiadanana antsika rehetra.
Deraina aIzy nohon'ny fitiavany lehibe sy mahagaga. Tahian'i Jesosy isika rehetra @ ity andro anio ity. Amen
Adinoina il y a 1 an
Vaovaontsika tsirairay avy?
Nanao ahoana ny Paska?

Mahereza hatrany!
Ho aminareo ny fiadanana!
leellah il y a 1 an
Misaotra indray Jesosy fa nomenao namana vaovao maromaro izahay eto. Tononinay @ anaranao ho azy ireo tsirairay ny fiadanana hanapaka ny fiainany mbamin'ny ankohonany. Ary mba hisy vokany eo @ fiainam-panahiny tokoa ny nidirany ho mpikambana eto.

Dia hotahianao koa anie ity groupe ity mba tena ho fitaovana maranitra eo an-tànanao hampitombo ny tsirairay ara-panahy, ary aoka ny voninahitrao ihany no hiseho eto. Amen!
Adinoina il y a 1 an
Fifaliana tanteraka no iarahabana anao harilala tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana ka itoeranareo eo ambanin'ny famindrampon'Andriamanitra amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
nick il y a 1 an
Tompo ô! miantso ny anaranao masina indray izahay, ao anatin'ny fiainanay Tompo dia mifamofaho ny hafaliana sy ny manjo kanefa Ianao mitantana anay amin'izay rehetra aleha sy izay rehetra ataonay ka tsy ho very mihitsy izahay satria miankina aminao. Tompo ô! miantso ny anaranao manokana ho an'i Leelah izay manana fikasana hanorina tokantrano, tantano sy vimbino mba ho tokantranom-piadanana , omeo ny fitahianao sy ny fanambinanao ka hahazo izay irina ho entiny iderana ny anarano irery ihany.
Izahay rehetra mpikambana eto Tompo mba vangio ny fonay tsirairay avy, henoy ny vavakay ary tariho izahay hanao ny sitrakao irery ihany Tompo ô!
amen!
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina hianao amourfraternel tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Andriamanitra anie hiaro anao sy ny ankohonanao, hiaro ny fonareo, ny tenanareo sy ny hevitrareo ka hiahy ny momba anareo amin'ny mahakasika anareo manontolo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Faly mandray anao Vonisoa33 tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie ho aminao sy ny momba anao ary ny ataonao rehetra anio, ampitso ary ho mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka no iarahabana anao Ianta tonga soa eto amin'ny groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie hirotsaka betsaka aminao sy ny ankohonanao hahatanterahanareo izay anirahan'i Jesosy anareo ka hitondra fifaliana sy fahombiazana amin'ny momba anareo sy ny ataonareo manontolo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
amourfraternel il y a 1 an
Fifaliana ho ahy ny miditra ho mpikambana ato @ Vondrom-bavaka sy valim-bavaka. Misaotra indrindra ho an'ny namorina azy ity. D ho amintsika rehetra anie ny fitiavana sy ny fiadanan'i Jesoa Tompontsika
leellah il y a 1 an
Misaotra antsika namana rehetra @ firarian-tsoa sy fitondrana am-bavaka. Tena mampahery tokoa izany ary misaotra ny Tompo aho nomeny namana be dia be miara-miombom-po sy fanahy eto.

Jesosy malala ô! manakaiky ny fotoana hahatsiarovanay ny nandresenao ny fahafatesana. Tsaroanay @ity herinandro ity ny fijaliana mafy niaretanao hamonjy anay. Misaotra Anao izahay noho izany fitiavana fara-tampony nasehonao izany. Tompo ô! tahaka ny niasanao taty anatinay ka nikasihanao ny fonay hahatsapa ny fitiavanao, dia toy izany koa no angatahinay hijerenao manokana ireo izay mbola tsy ao Aminao, mba tsy handalo fotsiny ity Paska 2011 ity fa hahataona olona maro ao Aminao tokoa. Ireo izay efa nandray Anao kosa ry Tompo dia hampaherezo mba hampiorina mafy ny finoany sy fitiavany Anao izao fotoanan'ny Paska izao.Amen
asimbola il y a 1 an
Mirary soa sy tokantrano sambatra ho an'i Leelah. Fiadanan'i Jesosy Kristy ane hameno ny tokantranonareo. Mitrotro ambavaka izany tokantranonareo izahay fa mahavità soa!

Mangataka vavaka amintsika tsirairay ho an'ny ol reetra izay hiditra any ampiangonana mandritra n'izao herin'andro masina sy Paska izao mba ho betsaka ny fanahin'ol voavonjy handray ny famonjen'i Kristy. Sarobidy loatra ny ra nalatsak'i Jesosy ho famonjena ny tsirairay ka mba tsy ho very maina izany fa samy ho voavonjy daholo izay mahatsiaro sy mankazala izao Paska 2011 izao.
miadana il y a 1 an
Mangataka aminao zahay Tompo ny hanefanao ny fikasana tsara aty anatinay araka ny toky nomenao anay rahateo fantatrao ,ny fanirina aty anatinay te hanao ny sitrakao ,fantatrao koa anefa ny fahalemenay nefa ianao lay niteny fa ny herinao dia tanterahana @fahalemena ko de misaotra anao zahay satria enao no hiasa aty anatinay .Amen
kiou il y a 1 an
Misaotra indrindra an'i Manassé mampahatsiaro indray @ ity herinandro masina mialoha ny Paska ity sy mampandini-tena hoe mbola hanombo an'i Jesosy eo @ hazo fijaliana ihany aho ve sa mba efa horaisiko ho Mpanjaka ny fiainako rehetra Izy.
Mampahery antsika rehetra hatrany hanavao ny fanoloran-tena ho an'i Jesosy Kristy
hayve il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako, ny fahasoavani Jesosy ho amintsika rehetra, ho voavela ny helon-tsika koa ary hanam-piadanam-po isika rehetra ato.
Tongasoa ny namana vaovao rehetra ary faly mandray antsika rehetra, tena mahafinaritra eto.Amen
richlife2006 il y a 1 an
Tso-drano ho an'i Leelah hanorin-tokantrano :
"Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany. Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao... Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy (sy vehivavy) matahotra an'i Jehovah. Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao..." Salamo 128: 1 - 4

Amena !

Mandehana @ fiadanana dia marena tokantrano e !
miadana il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra ary mirary ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika rehetra
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" Nanah!

Andriamanitra anie hitahy anao sy ny ankohonanao ka hanoro anareo mandrakariva ny lalan'ny fitahiana sy ny fahasoavana ao amin'i Jesosy Kristy velona! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
(ps: mandeha tsara ve ny application BE ao?! mazotoa)
Adinoina il y a 1 an
Deraina mandrakizay Jesosy fa lehibe ny voninhainy ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fahasoavany!

Deraina mandrakizay Jesosy fa amin'ny fitahiany mahagaga dia asehony ny mpanompony rehetra ny fahatsarany maharitra hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay!

Deraina mandrakizay Jesosy fa na inona toerana misy ny mpanompony, na inona fahalemeny dia ataony ambony indrindra noho izay hita sy tsy hita ny fitiavany sy famindrampony tsy manam-petra!

Ho anao ny voninahitra mandrakizay ry Andriamanitra Tsara indrindra ô! amena!

Raha misy ny vaovao tsara indrindra dia izany omen'i leellah izany no anisany!

Miasa Andriamanitra...
Mitahy Andriamanitra...
Mamaly vavaka Andriamanitra!

Dia am-pifaliana eram-po era-tsaina no andraisana izany vaovao tsara dia tsara izany koa dia hotanteraka araka izay irianareo anie ny fanambadiana izay kasainareo hatao ny faha-30 aprily ho avy izao, ka Andriamanitra anie hanapaka sy hanjaka amin'izany tokantrano aorinareo izany, hihaino ny vavakao sy Miandra ary ny fianakaviana sy ny namana rehetra hahatontosa izany tsy misy tomika ho voninahitr'Andriamanitra sy hahatanteraka ny fifalianareo amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina, manan-kery avy anay Nazareta! amena dia amena!

« Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma] » Filipiana 4:4

Mitondra amim-bavaka anareo izahay koa dia mahereza!
Homba anareo anie ny Fanahy Masina! amena!
leellah il y a 1 an
Ry namako rehetra, amin'ny fifaliana lehibe no hanambarako aminareo eto fa ny asabotsy 30 Aprily izao no hohamasinina ny fanambadiako. Isaorako ny Tompo ny nanomezany ahy an'i Miandra, izay nitia ahy t@ fitiavana araka ny Tompo, ary izy no isan'ny nampiasain'Andriamanitra mba hisintona ahy hiverina ao am-balany. Tonga ny fotoana ankehitriny hitondranay ny fikambananay eo anatrehan'ny Ray ka hanasanay Azy hiditra sy hitantana ny tokantrano nay. Apetrakay Aminy ny zavatra rehetra, ary inoanay fa tahaka ny efa nombany anay t@ fiarahanay hatramin'izay no mbola hankasitrahany koa ny fanambadianay.
Koa mangataka vavaka aminareo rehetra mba ho tanteraka soa aman-tsara izany, ary mba ho ampian'i Jesosy izahay amin'ny fikarakarana rehetra, na @ lafiny ara-bola, na ara-pitaovana, na @fandaminana rehetra mba hisehoan'ny voninahitry ny Tompo.

Jesosy ô! mahatoky Anao aho fa tsy hanary anay Ianao. Dia ankinina Aminao sahady ny tokantranonay, anjakao Tompo; aorinay eo Aminao Ilay vatolampy sy fehizoro indrindra. Ho tokantrano haneho Anao amin'izao tontolo izao, ho fianarana ho an'ny mino, ary aoka ny fitiavanao no hanjaka ao. Dia eo am-pelatananao ny fiomanana rehetra, ary aza avelanao manadino Anao izahay fa tsy mahefa n'inona n'inona izahay raha misaraka Aminao. Raha misy Dera, Laza sy Voninahitra ankehitriny sy @ ho avy Jesosy, dia atolotro feno ho Anao izany fa mendrika Anao. Haleloia! Amen.
richlife2006 il y a 1 an
Andriamanitra ô !

Trotroiko amim-bavaka ho Aminao ankehitriny
i Mimikeliko sy ny olany ary koa ny faniriany
Tsy misy miafina Aminao raha ny fiainany rehetra
satria Ianao ry Tompo no Ilay tsy manam-petra
Fa raha nekenao hikatona ny varavarana iray
dia satria Ianao hanokatra vaovao ho azy indray
Fa izay tsara lavitra no efa omaninao ho azy
asa feno fitahiana, ampoka izay sahaza

Misaotra Tompo ô! satria Fitiavana Ianao
ka hamaly vavaka mihoatra ny nangatahiko Aminao...

Amen !
richlife2006 il y a 1 an
Filipianina 2: 1 - 5 : "Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa..."
Misaotra ny mpiandraikitra ny vondrona ny amin'ny fampahatsiahivana ny lesona sarobidy ny amin'ny antom-pisiantsika eto amin'ity izao tontolo izao ity. Ny Tompo anie hitahy antsika hahatanteraka izany fikasany izany !
hayve il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako, faly tokoa ny tenako satria mahafinaritra ny fiaraha-mivavaka eto. ho tahiani Jesosy anie ianareo rehetra, misaotra @ vavaka asandratrareo ho ahy, JESOSY HAMALY AVO 100 HENY IZANY ANAREO REHETRA;
Ho azy irery ihany ny voninahitra mandrakizay, ary ny fiadanany ho amintsika rehetra. Bonne journée daholo a, dia aza adino ny miresaka @ Jesosy fa Izy ihany no lakile an'izao fiainana izao. Amen
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao miadana! mankasitraka feno amin'ny fanetren-tenanao sy ny fitiavanao namaly ny antso!

Fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie handrakotra anao sy ny ankohonanao ka Izy anie hiaro ny fonareo sy ny fanahinareo ho amin'ny fitiavany tsy manam-petra amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
asimbola il y a 1 an
Ray ô!! Tsara loatra Ianao, Andriamanitra lehibe @ ataonao rehetra, tsy misy ny tahaka Anao, ary tsy misy azo ampitahaina Anao. Ny saotra tsara indrindra no atolotra ho Anao, ny haja, ny voninahitra, atolotra aho Anao Tompo, ny fiderana efa anao hatrizay izany ary mbola ho Anao mandrakizay dia ho Anao irery ihany!
Misaotra indrindra ny @ fitahianao an'i Hayve, ka nahitana soamantsara ny sca nisy ny papiers reetra,fanaksitrahana feno no atolotra Anao ny @ zany. De mametraka ny tokantranony eo ambany fahasoavanao sy ny fitarihan'ny Fanahy Masinao hampitombo finoana sy fahendrena azy sy ny ankohonany. HAmarino aminy ny teninao Tompo fa izay rehetra mangataka no omena hoy Ianao, koa mangataka i Hayve ny hitantanao azy ra mikasa ny hividy trano zareo, de hamarino ny teninao. Misaotra Ray fa mihoatra nohop izay voatononay no efa hataonao sahady eo @ tokantrnon'i Hayve.
Aminan'ny anaranao Jesosy no hanaovana izany vavaka izany. Amen!
leellah il y a 1 an
Jesosy ô! Ianao izay efa nilaza fa hanefa ny irian'izay matahotra Anao, Ianao no hametrahako indray ny mpikambana rehetra eto @ty groupe ity sy ny faniriany rehetra. Singaniko manokana i hayve, mino aho fa mihoatra lavitra izay angatahany dia afaka manome azy Ianao raha fantatrao fa mahasoa azy izany. Misaotra Tompo ô! fa manana Ray Mpiahy izahay, ary tsy manana ahiahy satria manana Anao Mpiantoka ny fiainanay manontolo.
Miondrika eo anatrehan'ny fahalebiazanao sy ny fiandriananao, ny fahefana anananao. Tsara Ianao, tsy misy toa Anao. Avo indrindra Ianao, be famindram-po Ianao, masina Ianao, lalina ny fitiavanao ary lazainay androany fa tsy misy na inona na inona hataonay hampisaraka anay @izany fitiavanao izany na hatakalonay Anao. Misandrata Jesosy ô! derainay mandrakizay ny anaranao. Amen.
nick il y a 1 an
Tompo Ray mahefa n'ny zavatra rehetra mba henoy ny vavak'i Hay ve Ianao izay tompon'ny fahefana rehetra anie hamaly vavaka azy araka ny sitra-ponao amen! hoderainay mandrakizay ianao nohon'ny haben'ny voninahitrao sy ny fitahianao anay isan'andro misaotra tompo ô! amen!
hayve il y a 1 an
Miarahaba antsika rehetra eto ny tenako, ho amintsika mandrakariva anie ny fahasoavan'i Jesosy. Tongasoa ho an'ireo vao tafiditra @ groupe.
hayve il y a 1 an
Misaotra an'Andriamanitra aho @ hafasoavana rehetra ataony @ko, NY heriny sy ny fahagagana vitany dia tsy takatrin'ny saiko tokoa. Misaotra satria very ny sac-ko teo, zay nisy ny cartes rehetra, ny telefona, ny lakilé fiara... ka nivavaka aho dia kay lay voisineko no nahita azy ka nomeny ahy, tahio izy mianakavy kely Jesosy, misaotra satria, tsinotsinona aho, ary sahirana tokoa raha tsy hita teo lay izy. Mamelà ny heloko rehetra Ianao ary omeo fiadanam-po aho, tahio ny tokatranonay, ny zanakay, omeo fahendrena izahay tsirairay avy. Mba te hividy trano zahay Jesosy, mba ampio ary aza avela ho voambaka satria maro tokoa ny mpangalatra, manararaotra aty, misaotra @ izay ataonao anay. Deraina Ianao mandrakizay. @ anarani Jesosy no angatahiko izany vavaka izany. Amen
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka eram-po era-tsaina Pasteur Hery ny andraisana anao eto amin'ny groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" sy iarahabana anao tonga soa!

Ny fiadanan'Andriamanitra ombam-pahasoavana ao amin'i Jesosy anie homba anao sy handrakotra anao sy ny ankohonanao ka hahavitanareo izay tsara sy maharitra ao Aminy, anirahan'Andriamanitra anareo! amena!

Dia mankasitraka indrindra amin'ny fitiavana lehibe sy ny fanetren-tena lalina asehonao sahady manaiky hifampitondra amim-bavaka amin'ny namana rehetra eto amin'izao groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" izao.

Isaorana indrindra Andriamanitra manome anao anay hiombona eto noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika!
Ho Azy irery ny voninahitra amena!
Manassé
hery il y a 1 an
Miarahamba anareo tsirairay avy @ n'i anaran'i jesosy,dia faly koa hifampitondra ambavaka aminareo,ary misaotra indridra ny tompon'andraikitra,ho amin-tsika rehetra ny fiadanana sy ny fahasoavana
leellah il y a 1 an
Ray malala ô! feno fisaorana sy fiderana Anao indray ny vavako @ty maraim-baovao nomenao ity. Anao izao rehetra izao, Ianao no mihazona azy ary Ianao no antony, homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Tompo ô! jereo ireto mpanomponao rehetra eto izay mitalaho Aminao. Samy manana ny adinay izahay, samy manana izay mba fanirianay sy hetahetanay, entinay eo Aminao Ray mpamaly vavaka ireny rehetra ireny, ary inoanay fa efa miasa aminay tsirairay sahady Ianao hanatanteraka izay tsara sy mety ho @fiainanay.
Tononiko manokana Jesosy mimikeliko. Mino aho fa efa voasoritrao ny làlam-piainany rehetra. Tariho ho @izany izy Tompo ô! Efa nampanantena fiainana tsara lavitra ho anay Ianao, ka ampaherezo ny mpanomponao eo am-piandrasana ny fotoananao. Omeo azy izay zavatra sitrakao hitondrany avo ny anaranao na asa, na eo anivon'ny tokatranony, na inona na inona Tompo, mba hamirapiratan'ny voninahitrao eo @ fiainany.
Eo koa i hayve Jesosy, hitanao ny fanahiany rehetra. Entinay eo Aminao izany fa tsy misy tsy hainao atao. Mahay ny zavatra rehetra Ianao, porofoy aminy indray fa hafa ihany ny miankina Aminao.

Deraina mandrakizay ny anaranao masina. Amena!
Adinoina il y a 1 an
Andriamanitra ô, fantatrao ny mpanompovavinao, i hayve!

Misaotra anao mandrakariva ny amin'ny nitahianao azy manokana sy ny ankohonany!

Iombonanay vavaka ny hataka rehetra italahoany aminao mba hovalianao vavaka izy Jesosy ô ka ahitany fifaliana fa manana anao ho Tompo sy Andriamanitra! meteza hiasa amin'ny Fanahinao Jesosy malala ô! koa raha mety hianao dia omeo fahasitranana ny tsy salama, vonjeo ny reraka sy ny osa, mamindrà fo ka omeo ny Fanahin'ny fibebahana sy ny fifonana izay tianao hiverina Aminao ahitany ny fahasoavana sy ny famonjenao rehetra... dia ireo olona sy fianakaviana ary naman'i hayve rehetra ka na voatoniny anarana na tsia dia apetrakay feno eo am-pelatananao miaraka aminy izy tenany sy ny ankohonany!

Midera anao amin'ny foko manontolo aho Jesosy ô fa mihaino vavaka sy mamaly vavaka hianao!
Ho anao irery ny voninahitra! amena!
Adinoina il y a 1 an
Misaotra anao mandrakariva Jesosy ny amin'ny asanao mahagaga rehetra amin'ireto mpanomponao marobe, indrindra ny ato amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Mametraka feno an'i mimikeliko eo am-pelatananao aho hahita ny voninahitrao sy ny fahazavanao Jesosy ô! Hianao no fahazavanay ary fiainanay... koa porofoy amin'i mimikeliko Jesosy fa tsy misy maizina haharesy ny fahazavanao fa izay raisinao an-tanana dia tanteraka ho amin'ny fifaliana sy ny fiadanana ao Aminao! koa mihainoa vavaka Azy Jesosy ô, raha mety hianao dia ilay Tsara indrindra avy Aminao no andrandrainay ho azy, na ny asa, na ny fivelomana, na ny andraikitra, na ny fiadanana sy fifaliana ao an-tokantrano, ny fiainany manontolo satria Andriamanitra Tsara hianao!

Ambarao an'i mimikeliko Jesosy malala ô ny sitraponao lalina ho azy sy ny ankohonany dia izay rehetra efa nataonao fanekena taminy rehetra!
Misaotra Jesosy malala ô!
Ho anao ny dera sy laza ary ny voninahitra mandrakizay! amena!
mimikeliko il y a 1 an
Tompo o, tonga eto amin'ity sehatra ity indray aho amin'izao fotoana izao, hisaotra sy hidera ny anaranao amin'ireo fahasoavana be dia be nomenao anay. Mbola isaoranay anao koa na ireo zavatra ratsy izay nitranga tam ny fiainanay tsirairay avy satria izay no zavatra fantatrao fa mety ho anay zanakao.
Ifonanay aminao koa Tompo o, ireo fahotana sesehena vitanay tety. Mamela ny helokay Ray o!

Be dia be ny hatakay tsirairay avy Tompo o, miangavy sy mihanta aminao izahay mba hanomezanao anay izany zavatra tadiavinay izany raha toa ka izay no fantatrao fa mety. Entiko am bavaka manokana eto ny tokantranon'i Asimbola. Meteza Ianao Andriamanitra o, mba hamerina indray ny fitiavana ao anatin'ny tokantranony ary koa mba ampiverina ny vadiny am fanompona anao indray. Ny fikasan'i Asimbola hitondra ny zanany 2 vavy eo anatrehanao anie Tompo o, mba ho tanteraka soa amantsara ihany koa amin'ity taona ity.

Mangataka aminao koa aho Tompo, ny amiko manokana, 2 volana izao no tsy niasaka intsony. Raha ny marina dia tsy fantatro akory hoe inona no tiako atao amin'ny fiainako ho avy. Tompo o, azavao ny saiko, atoroy ahy ny zavatra tokony ho ataoko. Raha sitrakao Jesosy o ny iasako indray, dia omeo asa sahaza ahy aho. Raha tsy izay kosa ny sitrakao dia atoroy ahy Tompo tsara indrindra o, ny lalana tokony alehako. Apetrako tanteraka eo ampelatananao Andriamanitra o, ny fitantana ny fiainako ho avy rehetra, na eo am asa, na tokantrano, ... ny amiko manontolo.

Misaotra anao sahady aho am fihainoanao ny vavaka nasandratro teto. Deraina mandrakizay anie ny anaranao, amen!
asimbola il y a 1 an
Ray malala ô! Misaotra ny @ namana, ny iray tampoho ao Aminao izay nomenao, misaotra Ray ny @ fifankatiavana omenao anay, misaotra koa ny @ firaisantsaina omenao anay @ vavaka izay tononina eo Aminao, misaotra Ray satria ataoko toy ny efa nahazo valimbavaka sahady ny tenako satria marina @teninao enao ra nilaza fa ho azonay avy Aminao Rainay izay any andanitra izany, misaotra fa hotanterahinao zany teninao izany @ reny vavaka tononina reetra eto ireny, misaotra Ray ô fa ampesainao ny zavatra reetra hampahery anay mpanomponao.
Amin'ny anaranao Jesosy no anonona izany vavaka izany.
Amen!
hayve il y a 1 an
Misaotra Aki Ray @famindram-ponao ka mahavelon'aima ahy indray, lirons @ fahotana rehetra, entiko Aminao ny androko anio. Matsiaro ani MiA kely 2ans zay natao opération, esory ny rofiny rehetra Jesosy ô,ary ny helony. Amperezo ny ray an-dreniny, ataovy mitodika Aminao indrindra fa i Pa zay athé. Mitondra ani dada koa égo Aminao mbà hanomezanao fahendrena, mamela-keloka ary hery ho azy fa sabots-tsaina izy @ asa zay atolotra azy ankehitriny, JÉSUS, ataony ahoana ny fiangonana raha manaiky ny asa izy? Partis dis tsy maintsy miasa alahady rigolo izy? Izy anefa mila vola mafy fa maro ny charges, sady efa ela koa izy tsy nahita asa. JESOSY Ô, Ianao mahalala ny mahasoa azy ka amperezo izy, fa kivy @zao fitsapana izao, izy anefa katekista, ka mbà omeo asa hafa tsara kokoa mety @asa fanompoana nomenao azy. Mamela ahy @ tsy finoanay, misaotra ary @ anarani Jesosy no angatahiko izao vavaka izao. Amen
leellah il y a 1 an
Misaotra indray Jesosy noho ny fahatsaranao rehetra asehonao isan'andro aminay. Misaotra fa raha ny vitanay, raha ny fiainanay dia tsy mendrika na dia ny hanonona ny anaranao akory izahay, kanefa be famindram-po Ianao Jesosy, ka tsy mitahiry fahatezerana aminay. Mankasitraka feno Jesosy ô!

Mitondra an'i Asimbola sy ny fianakaviany eo Aminao izahay. Ianao no efa nifidy azy ireo Jesosy, indrindra fa izy sy ny vadiny, avereno ho mamy ao am-bavany indray ny miaraka Aminao. Hafanao indray ny fony Jesosy ary ampaherezo tsy ho ketraka, satria mbola lavitra no tianao itondrana azy ireo. Ianao Fanahy Masina ô! hikasika azy indray, hanorotoro ny fony ka hahatsapany indray fa very izy raha lavitra Anao, ary eo Aminay ihany no mahatsara azy.

Jereo manokana koa Tompo ô! ny fikasany ho an'ny zanany 2vavy, Ianao mahalala izay mety aminy, apetrakay Aminao ny fahatanterahan'izany araka ny fotoananao.

Manjakà feno ao @ tokatranony Ianao Tompo ô! ho lohany @ zavatra rehetra ao anie Ianao, hanapaka @ zavatra rehetra, ary hameno @ zavatra rehetra. Dia tononiko @ anaranao Jesosy ny fiadanana sy ny fitsaharana hanapaka ao @ tokatranon'i Asimbola.

Deraiko mandrakizay Ianao Jesosy! Amen
Adinoina il y a 1 an
Mankasitraka anao mandrakariva izahay Andriamanitra ô ny amin'ny fandaharanao rehetra sy ny fitiavanao anay ary ny fiarovanao anay ka mahatoy izao anay!

Tsaroanay ny tsy fahatanterahanay rehetra ka tsy mahafantatra akory ny sitraponao ary tsy mahafantatra ihany koa izay sahaza ho anay! mifona aminao izahay, mamelà ny helokay ny amin'ny fahasahisahianay manatona anao! diovy amin'ny rànao izahay Jesosy malala ô!

Mametraka feno an'i Asimbola sy ny tokantranony, ny vady aman-janany eo am-pelatananao Jesosy ô mba ho vangian'ny Fanahinao Masina ka iverenan'ny vadiny amin'ilay fitiavana voalohany, amin'ny hafanampo, amin'ny finoana anao tanteraka ka iverenany aminao amin'ny fibebahana sy ny fifonana ary ny fivavahana... anekeny anao ho Tompo sy Mpamonjy tanteraka ka ahatsiarovany fa tsinontsinona ny fiainana lavitra anao, matimaty, sy tsy mahatsiaro anao!

Mametraka feno ihany koa ny fikasan'i Asimbola ny hanolotra ny zanany roa ho anao amin'ity taona ity! moa misy fikasana tsara toa izany va Jesosy ô, dia ny manolotra ny ankohonany sy ny taranany ho anao? nefa faniriana ny an'i Asimbola fa hianao no tompon'ny teny farany, hianao no mpanapaka koa apetrakay eo am-pelatananao izany fikasany izany Jesosy ô mba hodiovinao sy hamasininao amin'ny rànao sy ny Fanahinao mba tsy ananan'ilay ratsy anjara sy ho tanteraka araka ny fandaharanao mahagaga!

Meteza Fanahy Masina ô hamboatra izany ankohonan'i Asimbola izany ho mendrika ny fandaharanao raha mety hianao!

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra! amena
hayve il y a 1 an
Misaotra an'Andriamanitra ahy nohon'ny fitiavany ahy, mamela ny heloko, mamindra ci @y. Jesosy ô, ny andronay anio ankinina @o, vonjeo @tsy finoanay izahay. Mitondra ny vadin'i Asimbola égo izahay, mamela ny helony, ampivereno ao ambalanao izy, miasa mahery ao an-pony arakin,'ny haben'ny famindram-ponao, misaotra Jésus amen
nick il y a 1 an
Tompo Ray mahefa ny zavatra rehetra mbola miantso ny anaranao indray izahay izao maraina izao, misaotra anao noho ireo zavatra rehetra izay nomenao anay, na ny mety aminay na tsia nefa sitra-ponao, ideranay anao izany, mifona aminao izahay Ray avelao ny heloka rehetra sy ny ratsy vitanay.
Ao aorian'izany fisaorana sy fifonana izany no mbola hahasahianay indray Tompo ô mangataka sy mihanta aminao henoy ny vavak'iAsimbola, iraho ny fanahy masinao hiasa ao anatiny sy ny vadiny mba ho mpanompo anao hatrany izy ireo, tariho ireo zanany, Ianao Tompo mahafantatra ny mety sy tsy mety, aoka izahay hatoky anao foana, Ray ô midina ao anatinay tsirairay avy izay tonga eto hitalaho ny anaranao
Ho anao irery ihany anie ny voninanhitra mandrakizay amen!
asimbola il y a 1 an
Hoy Jesosy hoe: "Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany." Mat 18:19. Koa mangataka amintsika mpiaramivavaka aho mba hitondra ambavaka ny vadiko mba hiverenany mafana indray @ fiarahana sy fanompoana ny Tompo. Ny mba hahatanterahan'ny fanoloranay ny zanakay 2vavy hatolotra ho an'ny Tompo ihany koa @ ty taona ity.
Misaotra ny @ vavaka izay asandratrareo. Ho an'i Jesosy irery ihany ny voninahitra @ zany reetra izany.
hayve il y a 1 an
Jesosy ô, mivavaka ho an'i Nick mianakavy aho, ampionony izy sy ny fianakaviany; fafao ny ranomaso rehetra, ampaherezo ny vady aman-janany sy ny tapaka sy namana, mba hanaiky ny fitondranao. Mafy totkoa izao, fa Ianao no tompon'ny fahefana rehetra ka ampaherezonao izy ireo Jesosy o. Mamelà ny heleokay @ zay nataonay tsy nifanaraka t@ sitraponao, misaotra mampahatsiaro anay mandrakariva fa manadalo ihany izahay eto an-tany eto, omeo fahendrena mba ahay hanompo Anao araka ny talenta nomenao anay tsirairay avy. Jesosy o, vangio ny fon'i Nick ankehitriny, esory ny alehony, Anao ny dera laza voninahitra mandrakizay. Amen
nick il y a 1 an
Misaotra anareo namako rehetra nivavaka ho ahy sy ny fianakaviako, tena tsy hita izay lazaina satria tampoka loatra, betsaka loatra ny zavatra novinavinaina ho atao miaraka nefa dia tapaka tampoka teo!Hoy ny Tompo ny fihevitro tsy fihevitrareo!
Tena zava-poana ny eto an-tany ary tena fandalovana fa aoka isika hanantena daholo izay nomanin'ny Raintsika any an-danitra any.
Ao anatin'izany fahorina maizina dia maizina izany nefa dia mbola hidera ny anaranao mandrakizay izahay Tompo fa nampisehoanao ny fitiavanao mahery ka dia nifankatia mafy tokoa na ny aty antany lavitra na ny any antoerana! Tsy manenina satria nomenao fahafaha lehibe nitsabo hatramin'ny farany nefa Tompo mbola miaky indray izahay fa Ianao no tompon'ny zava-drehetra, ampio izahay hahay hanaiky ny fitondranao na dia mafy tena mafy aza izany, fantatray fa tsy ho very izahay satria miankina aminao.
Ho tahianao izahay rehetra tonga eto hidera sy hankalaza ny anarano mandrakizay fafao ny ranomasonay Tompo ô! atrakao izahay amen!
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny vondrona i Calamar!
Tahian'Andriamanitra hianao dia ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao mandrakariva! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Mirary fiononana feno ho an'i Nick sy ny fianakaviana rehetra ary indrindra ho an'ireo vady aman-janaky ny lasa!

Mahereza hatrany! ny tenin'Andriamanitra dia mampianatra antsika hifankatia, "hiara-mitomany amin'izay mitomany"...

Miombom-po amam-panahy aminareo tanteraka ny namana rehetra ato amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"... niaranizaka taminareo ny nitranga rehetra ka nitondra anareo amim-bavaka na dia mifanalavitra aza isika, na dia tsy mifankahita vatana aza isika, mba handraisan'Andriamanitra an-tanana tanteraka ny tsy salama tamin'ny fotoan'andro sy hampaherezana anareo fianakaviana rehetra... Jesosy nefa manana ny fandaharany sy ny sitrapony izay tsara sady maharitra! ary mino izahay fa eo am-pelatanan'i Jesosy ny momba azy manontolo sy ny momba anareo ihany koa!

Koa aza kivy, miorena tsara, mahereza fa Andriamanitra tsy mandao anareo ary Izy homba anareo mandrapihaviny! mafy ny fisarahana an-tany nefa Andriamanitra mahafantatra izay mahasoa indrindra ka manao izao! mbola hihaona avokoa isika rehetra, amin'ireny nialoha lalana rehetra ireny! ary minoa fotsiny ihany dia matokia fa Jesosy ilay inoantsika dia Andriamanitry ny fiadanana sy ny fiononana ary ny fitiavana ka tsy hamela anareo irery fa hiahy anareo sy hitahy anareo araka izay efa nampanantenainy fony Izy nialoha lalana namboatra fitoerana ho antsika rehetra!

Dia amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, Ilay efa nitsangana tamin'ny maty, Lohan'ny fahazavana, Andriamanitra velona no anononako ny fiadanana sy ny fiononana rehetra ho an'i Nick, sy ny fianakaviana ary ny vady aman-janaky ny lasa! ka Izy anie hampahery anareo raha niaritra fahoriana vetivety hianareo ka hitahy anareo sy homba anareo hahatanteraka ny teny fikasany rehetra nomaniny ho anareo!

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra! amena!
mimikeliko il y a 1 an
Miarahaba an i Nick manokana ary mirary fiononana tanteraka ho anao sy ny fianakavianao aho.

Tompo o, misaotra anao nanome anay an ity herinandro vaovao ity indray. Herinanandro izay nitondra fahoriana lehibe ho an'ny sasany aminay ary herinandro izay irianay koa mba hitondra fifaliana. Eny Tompo o, mafy tokoa zany misaraka am reny, iray tam-po, havana izany am maha olombelona, nefa Ianao ry Tompo mahery, efa niteny taminay fa tsy hanome anay zavatra tsy zakanay olombelona. Mangataka aminao izahay,omeo fiononana tanteraka Nick sy ny fianakaviany.Ianao no mahafantatra ny mahamety sy ny mahatsara ny fiainanay tsirairay avy, ka ampianaro Nick sy ny fianakaviany hahatsapa Tompo o, fa matoa izy nalainao ho any aminao dia izay no mahatsara azy.

Misaotra koa aho Tompo o, noho ireo hasoavana sy hasambarana nomenao ahy eo anivon'ny tokantranoko. Betsaka Jesosy ny fitsapana nataonao ahy tato ho ato, fa ataoko izany hanamafy orina ny finoako sy ny fitiavako anao. Mbola maro ihany koa ny olana tsy miravona eo amin'ny fiainako, fa apetrako eo ampelatananao mahery izany Tompo o. Aoka ihany irery ho hanana plan amin izany fiainako izany. Ianao irery no hanana programme am fiainako, ny hany angatahako Anao Tompo malala tsara indrindra dia ny hanomezanao ahy toetra mahay miandry. Satria misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra rehefa miankina Aminao.

Mbola apetrako eo Aminao koa Tompo o, ny fiananay tsirairay avy eto. Samy manana olana daholo izahay eto any amin ny tokantranonay tsirairay avy any. Ianao irery Tompo o, no jiro hanoro ny lalana tokony alehanay tsirairay avy. Ianao koa no hanome vaha olana am fiainanay tsirairay avy.

Apetrako eo ampelatananao ihany koa Tompo tsara indrindra o, ny fiainan'ity firenena malalanay ity.

Deraina sy ankalazaina mandrakizay ny anaranao ry Tompo ambony indrindra, amen!
leellah il y a 1 an
Mampahery manokana an'i Nick @'izany zava-manjo izany. Ny fihevitry ny Tompo tsy fihevitsika, izao no mahasoa matoa izao no tanteraka, ary tsarovy foana fa hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza ny hevitra iheverany antsika, mba hananantsika fanantenana ny @ ho avy. Mahereza fa mivavaka ho anareo mianakavy izahay.

Tompo ô! misaotra Anao indray aho, noho ny @ fifandimbiasan-javatra rehetra eo @ fiainanay tsirairay. misaotra ny @ cousine-an'i Nick izay nalainao ho any Aminao, Ianao tokoa ry Tompo no nanome, ary Ianao no nanaisotra. Manana fahefana feno aminay Ianao , ka matoa izay no tanteraka dia izay no sitrakao, eny na dia teo aza ny fiala-nenina nataon'ny fianakaviana sy ny vavaka nasandratray rehetra ireto. Ianao efa nampianatra anay hoe "misaora @ zavatra rehetra", dia indreto indray izahay mankasitraka Anao. Ray ô, fantatrao fa mafy ho anay @ maha-olombelona anay ny fisarahana an-tany, nefa Tompo manam-tombony kokoa izahay manana Anao fa tsy tapitra eto ny fiainana, fa mbola misy ny tsara lavitra efa voaomanao ho anay, ary mbola hiaona am-pifaliana any indray izahay indray andro any. Ampaherezo ary Tompo ny fianakaviana rehetra, bitsiho an-tsofiny fa tsy manary azy Ianao, fa manatsotra ny tànanao hisakambina azy, ary afaka mameno ny banga rehetra @ fiainany noho izao fahalasanan'ny havany izao.
Mivavaka ho an'i Nick sy ny fianakaviany any an-tany lavitra any, aoka ny Fanahin'ny fiononana no hameno azy, hampahatsiarovy azy koa fa miara-miasa hahasoa izay tia Anao ny zavatra rehetra. Hampitony ny fony Ianao, hanome azy fifaliana indray ka hampitraka ny lohany, na dia mafy aza ny entiny, ampahatsiarovy azy fa efa nitondra ny entany rehetra Ianao.
Ireo kamboty kely mianadahy kosa, ny teninao efa nilaza fa Ianao no hiahy azy, marina @ teninao Ianao Tompo ô! porofoy indray fa tsy misy tsy hainao atao.
Apetrakay feno eo Aminao ny amin'izy rehetra ireo sy izay ho tohin'ny fiainanay. Ho Anao hatrany Tompo ô! ny voninahitra @ zavatra rehetra. Amen
nick il y a 1 an
Ry namako rehetra, nandao anay omaly alina ny rahavaviko izay nagatahiko fivavahana teto, ao anatin'izany fahoriana sy fitsapana tsy takatry ny saina izany dia misaotra an'Andriamanitra be fitiavana fa nampindraminy anay nandritry ny 41 taona izy, mbola mangataka fivavahana amintsika rehetra mba hitondra sy hitrotro ny fianakaviana , indrindra fa izahay aty antany lavitra izay tsy afaka nandeha. Misaotra foana ny anaran'Izy Tompo mahery koa nefa satria afaka niala nenina, nampanjakainy tato anatinay ny fitiavany ka nahay nifanampy hatramin'ny farany izahay
Ny fanahy masina anie mbola idina ao anatinay tsirairay avy mba hitondra fiononana sy hanoro anay ny tokony hatao ho an'ireto kamboty kely mianadahy.
Tompo ô! tsy ho takatry ny saiko izay rehetra alahatrao fa angatahiko re ry Raiko aoka aho hatoky anao amen!
nick il y a 1 an
Misaotra anareo rehetra namako eto amin'ny vondrom-bavaka mitondra ny fianakaviako amam-bavaka , Andriamanitra tompon'ny hery rehetra hitahy antsika ka hanome hery mba hanaiky ny sitra-pony isika.
Ry namako, mandia fitsapana mahery vaika izaho sy ny fianakaviako ka mbola mangataka antsika rehetra hanohana anay amim-bavaka
Tompo ô! mafy loatra, jereo izahay, aza avelanao hivily fa hitana foana ny finoana izay napetrakao ao anatinay amen!
asimbola il y a 1 an
Mahereza Nick fa manohana ambavaka ny cousine nao zaay.
Faly miarahaba an'i MAnjatohary tonga eto @ vondrombavaka. MAZotoa @ asa fa aza malaina, mitondra ambavaka anao zaay.

Asimbola
manjatohary il y a 1 an
Tompo ô,misaotra anao ny @ fahasoavanao mbola mamindra fo aminay na dia tsy mendrika anao aza izahay;misaotra noho izay taona voalohany nanomezanao ny zanako izay,deraina ianao.Jesosy ô,mifona aho nefa ny @ tsy fahatokiako anao izay miseho @ fanahiako matetika,ny sao de sao de,mamelà ahy ary ampitomboy isanadro ny fahatokiako anao. ny androko sisa,sy ny an'ny ankohonako dia apetrako feno eo ampelatananao,misaotra Jesosy ô!Tompo ô,tsy mety mazoto miasa mitsy aho fa dia ifonako,ampio aho aharitra sy azoto lalandava ary mangataka asa vaovao mahafapo aminao aho raha sitrakao,misaotra Jesosy ô!AMEN
Adinoina il y a 1 an
Jesosy malala ô!
Miombom-bavaka amin'i Nick aho mangataka aminao, mitalaho aminao, hihainoanao vavaka ny vady aman-janaky ny tsy salama... ny fangatahan'ny fianakaviana hahasitranan'ny cousine'n'i Nick... ny fitahianao ireo mpitsabo azy rehetra mikarakara ny tsy salama izay tonon'i Nick etoana amim-bavaka... ary ny hamalianao ny hetahetan'ny rehetra dia ny hiverenan'ny fahasitranana amin'ny cousine'n'i Nick tanteraka, raha mety hianao Jesosy ô!

Hianao efa niteny hoe "mangataha dia homena hianareo..." dia am-panetren-tena tanteraka no hanatonanay anao Jesosy malala ô hangataka, fa hianao efa niteny ihany koa, "fa izay manatona anao dia tsy mba misy holavinao mihitsy..." koa dia manantena izahay fa hihaino vavaka hianao Jesosy ô!

Mamelà ny helok'izany tsy salama izany sy ny vady aman-janany ary ny ankohonany sy ny fianakaviany Jesosy malala ô! aza jerena Jesosy ny lasa sy ny vitany rehetra ka tsy nifanaraka tamin'ny sitraponao, nandikany ny didinao sy ny teninao, ny tsy ninoany anao sy ny teninao, ny fahalotoana rehetra vitany Jesosy ô, mangataka anao hanadio azy ireo amin'ny rànao masina! meteza Fanahy Masina ô, raha mety hianao, hamangy ny fon'i Nick, ny fon'ny tsy salama (cousine'ny), ny fon'ny vady aman-janany, ny fon'ny fianakaviany tsirairay avy ka handresy lahatra azy ireo hifankatia, hifamela heloka, hibebaka mihitsy aza, handray izay rehetra alahatrao amin'ny fitiavana sy ny fankatoavana mba hanekeny anao ho Tompo sy Mpamonjy satria fantatro fa misy antso tianao ambara amin'ny cousine'ny Nick sy ny vady aman-janaky tsy salama ary i Nick manokana.

Dia tsaroana amim-bavaka ihany koa ny tsy salama rehetra na iza na iza eto amin'ny groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" Jesosy ô mba hotendrenao amin'ny rànao ny lohan'aretina rehetra... mba hosasanao madio amin'ny rànao ny loto sy ny heloka ary ny ota rehetra ary iasan'ny Fanahinao ny fo sy ny saina rehetra handray anao Jesosy ho tena Tompo sy Mpamonjy ny fiainany!

Mamindrà fo Jesosy ô!
Mihainoa vavaka Jesosy ô!
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina avy any Nazareta! amena!
nick il y a 1 an
Tompo Andrimanaitra mahery, tompon'ny aina sy ny zava-drehetra, miantso ny anarano aho amin'izao ora izao, mitalaho mafy, mba jereo ny cousine-ko izay tapaka lalandra androany, Ray ô! mbola tanora loatra mbola kely loatra ny ankizy, mba omeo tombon'andro, Ianao Tompo mahefa ny zava-drehetra tariho ireo dokotera rehetra izay miandraikitra azy, misaotra sy midera ny anaranao satria anomenao fitahiana ka misy moyen afaka mitsabo, nefa Ray ô! na inona na inona fahafahanay mitsabo dia ho very maina foana raha tsy miankina aminao, mafy ny lalana lalovan'Izy ireo Ray o^! omeo hery ny ankizy rehetra ary izahay aty antany lavitra aty , omeo fo mahay mizara mba afaka hifarimbona amin'ny any antoerana, mafy loatra Tompoô! mitalaho aho mba misehoa indray Tompo ô! toy izay rehetra efa nomenao ahy hatrizay ka hiderako ny anaranao mandrakizay. Ho anao irery anie ny dera sy laza ry Raiko masina ô! ombay ny vady aman-janany, omeo fo mifankatia izahay rehetra mba hifampitantana anatin'izao fitspana mahery vaika izao? Ray ô! aza ariana izahay amen!
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" manjatohary!

Ny fiadanan'i Jesosy sy ny fahasoavany anie handrakotra anareo mianaka ka hitahy anareo sy homba anareo amin'ny mahakasika anareo manontolo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Deraina Jesosy amin'izany vaovao mahafinaritra nitahiany an'i hayve izany! amena!

Velona Jesosy!
Mamonjy Jesosy!
Mitahy Jesosy!

Mahereza hatrany hayve! Jesosy Kristy avy any Nazareta anie homba anao sy ny ankohonanao! amena!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Mampahery anao Nick amin'izany adidy goavana sy masina tanterahanao izany!

Fantatrao fa Jesosy tsy mametraka ny asany amin'izay tsy hahavita fa amin'izay tiany sy itokisany irery ihany. Ary satria hianao no nantsoiny ka namaly Azy hoe "eny"... tsarovy fa ny "eny" masina nataonao tamin'i Jesosy hikarakarana ny osa sy ny tsy salama ary ny antitra sy ny malahelo dia harena velona ho anao ao amin'Andriamanitra ka sady ho rakitra any an-danitra hotsaroan'Andriamanitra mandrakizay no mamelona ny anaranao ao amin'ny bokin'ny fiainana.

Hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy : "Miambena hianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza." I Korintiana 16:13

Mivavaka ho anao ny namana rehetra koa dia mahavità soa fa Jesosy homba anao mandrakariva amin'izany asa masina tanterahanao izany! amena!

Aza kivy, mahereza hatrany! Hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy : "Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena." II Timoty 1:7

Ho aminao anie ny fiadanan'Andriamanitra! amena!
Manassé
asimbola il y a 1 an
Ray ô!! mankasitra Anao ny @ fiasanao ho anay zanakao, indrindra Tompo ho anay eto @ vondrombavaka sy valimbavaka, misaotra Ray satria miahy anay tsy tapaka Ianao de mamaly vavaka anay. Misaotra manokana Tompo ny @ Hayve, fa marina teo aminy ny teninao hoe "ho lohany fa tsy ho rambony", misaotra fa noho Ianao dia voalohany izy t@ concours zay nataony, Ianao ane Ray no mbola hitantana Azy ho tonga any toerana ambony izay tinao hametrahana azy. Ray ô de vangio toy ny efa nataonao ihany koa ny fianan-tokantranony, ny fiainampitiavany. Jereo koa Andriamananitra ô, ny fanompona izay efa niantsonao Azy, mba ho fitaovana mahomby eo ampelantananao Izy ho fitoriana ny filazantsaranao any @ toerana izay efa niantsonao azy, omeo Azy Ray ny moyen reetra hahatanterahany izany asanao izany. Misaotra fa mihoatra noho izay votoanon'ny vavako no efa hataonao sahady eo @ fiainan'i Hayve.

Tompo ô! de mahatsiaro an'i Nick ihany koa eto anatrehanao, tolory saina izy Ray mba hanana fahaiza-mandamina eo @ fitezany izany olona karakarainy izany, omeo hery, tanjaka ary fahasalaman izy hahatontosany izany asa napetrakao eo aminy izany. Dia tahio ihany koa Andrimanitro izany olona karakarainy izany.

Vangio ny tsirairay avy zay mandalo olana, Ianao hampahiratra ny masony ny @ zay tinao hatao eo @ fianany ary hamaphaery sy hamoka azy ireo ao anatin'izany.
Misaotra Ray fa mamaly izany vavaka reetra izany Ianao ary manao mihoatra noho izay fangatahanay àza.
Amin'ny anaran'i jesosy Kristy no hanaovana izany vavaka izany.
Amen
nick il y a 1 an
Misaotra an'i jehovah ny fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaotra ny anarany masina
hayve il y a 1 an
midera an 'Andriamanitra aho nohon'ny fitiavany ahy, misaotra tokoa satria nataony 1 aho t@ concours izay nataoko omaly, misaotra jesosy satria, tsy mba nanam-bola hanaovana enregistrement ny hirako aho, ka izao nomenao maimaimpoana, Tsy takatrin'ny saiko ny halebiazanao, misaotra @ talenta nomenao anay, ny talenta nomenao no entiko iderana Anao, ary ampio izahay @ enregistrement izay atao mba ho voninahitrin'ny anaranao irery ihany ary koa hanavotana fanahy maro aty an-dafy aty, satria izay no nahatonga anay mianakavy aty, irak'i Jesosy hitory teny @ alalan'ny hira ka dia misaotra ani Jesosy. Ary misaotra anareo rehetra ato ho @reo anie ny fiadanana. Amen
nick il y a 1 an
Ho deraina mandrakirzay anie ny anaran'i Tompo
Ry Namako, mangataka aminareo aho mba hivavaka ho ahy fa mikarakara antitra be izay tsy salama amin'izao fotoana izao, indraindray aho reraka ka mila tsy hanampotoana sy hanadino ny miantso an'Andriamanintsika, mba magataka amintsika hivavaka ho ahy sy ny olona karakaraiko, ny sitrapon'Izy Tompo anie ho tanteraka ka andfa ny fanahy masiny hanomezany hery sy fahasalamana hahavitako izany adidy mavesatra izany amen!
asimbola il y a 1 an
Faly miarahaba an'i hayve @ anaran'i Jesosy de manolotra anao ampitiavana ity tenin'ny Tompo ity ho anao ao @ Isaia 41: 8-10, ho anao avy @ Tompo io teny io de soloiko ny anaranao manao hoe: "Fa ianao kosa, ry Hayve mpanompoko, izay nofidiko, ianao izay efa notantanako avy tany @ farann'ny tany ... ka nilazako hoe :mpanompoko ianao, efa nofidiako ka tsy mba nariako; aza matahotra ianao, fa momba anao Aho, ary aza miherikerika foana fa izaho no Andriamanitrao, mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny mitantana anao @ tanan'ankavanan'ny fahamarinako Aho" Tian'i Jesosy ianao de antsoiny indray hiverina ao Aminy f'efa nitia anao Izy ary mbola tia anao mandrakizay satria fitiavana mandrakizay ny fitiavany anao, ny olana misy eo @ tokantrnaonao avelany hitranga mba hanakekezanao Azy misy2 indray, de mampanatena anao Izy ry Hayve fa mampahery anao sady mamonjy anao. Ny tanany mahery no hamaha ny olana misy ao aminao fa mandrosoa hatrany miaraka Aminy de ho hitanao ny famonjeny Anao.

Mahereza fa manohana anao ambavaka izahay, ary mitrotro ambavaka isan'andro tsy tapaka ho anao sy ny ankohonanao. Sokafy ho an'ny Tompo indray ny fiainanao sy ny fonao fa tia anao Jesosy.
hayve il y a 1 an
Misaotra an'Andriamanitra tokoa aho raha mbola tratr'izao fotoana izao, ary koa maha eo anareo rehetra, mivavaka ho ahy sy ny ankohonako. Jesosy anie hamaly fitia anareo avo 100 heny. fALY AHO SATRIA TIA AHY TOKOA jESOSY,TSY AVELANY HO VERY AHO, ENY NA DIA @ TSY FISIANY FANANTENANA AO @KO INTSONY DIA mbola maniraka anareo Izy mampahery sy mampibebaka ahy. Misaotra an, ho an'ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA; aMEN
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka Tony no andraisana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"

Ny fitahian'Andriamanitra tsy hita lany anie handrakotra ny fiainanao sy ny ankohonanao ka hanome anareo izay tsara indrindra ao amin'i Jesosy! amena!

Ho aminareo anie ny fiadanana! amena
Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Jesosy malala ô!
Andriamanitra tsara hianao sady mpanao ny tsara!
Mpamindra fo sady be famindrampo!
Mamelà ny heloky i hayve sy ny vady aman-janany Jesosy ô! izay rehetra tsy sitraky ny fonao rehetra nataony na nambarany ka tsy mifanaraka amin'ny sitraponao Andriamanitra ô!
Vonjeo i hayve sy ny tokantranony Jesosy ô!
Hafaho i hayve sy ny vady aman-janany tsy hoviravirain'ilay ratsy Jesosy ô! ka meteza hanafaka sy hanasitrana ny ratra am-po rehetra Jesosy ô!
Vangio amin'ny Fanahinao ny fony sy ny fanahin'izany mpanompovavinao izany sy ny vady aman-janany Jesosy ô hahita ny voninahitrao!
Hosory ny rànao masina i hayve sy ny vady aman-janany Jesosy ô!
Mihainoa vavaka Jesosy ô, raha mety hianao dia sitrano ny olonao! amena!
leellah il y a 1 an
Jesosy ô! mitalaho Aminao aho, ho an'i Hayve, jereo izy Jesosy; hitanao fa reraka izy, ka mila hahafoy Anao. Jesosy ô! Ianao efa niteny fa tsy handao anay mihitsy na hahafoy anay akory, tazony izy Jesosy, sintony indray izy hitsangana, atolory azy ny tànanao Jesosy, mila Anao izy. Avereno ao an-tsainy indray ny teny fikasanao be dia be, izay mampanantena fandresena ho an'izay rehetra miandry Anao, ampaherezo izy, sitrano ny ratram-pony, ary ampahafantaro azy izay tokony ataony. Tononiko Jesosy ny fiadananao sy ny fitsaharanao ho ao aminy sy ao @ ankohonany, ary aoka ny ranao soa sarobidy hanafaka ny tokatranony @ gejan'ny satana. Asehoy indray ny herinao Jesosy ô! fa tsy misy tsy hainao atao. Amena! Amena!!!
Adinoina il y a 1 an
"hayve", étant membre de ce groupe, je me permettrais de transmettre auprès de tous les membres tes messages dans la demande de prière afin que nous intercédons en ta faveur auprès de notre Seigneur Jésus Christ!

Prions pour notre soeur "hayve" mes chers amis! d'autres sujets que je n'ai pas relevé ont été également soulevés par notre soeur!

"Posté par hayve aujourd'hui
4 personnes ont prié pour ce sujet

Priez pour ma vie personnelle avec Dieu
Je me suis égarée, je ne prie plus depuis quelques jours, je suis fatiguée et je n'ai plus d'amour pour mon mari. Je voudrais avoir un coeur pur, sans rancunes. J'ai abondonné Jésus alors que je ne suis rien. Je n'ai plus d'espoir envers mon couple, je reste polie envers mon mari malgré tout ce que je ressens. jE suis dans les griffes de satan. Délivre moi Jésus, pardonne mes faiblesses JésusAmen"

"Autre sujet
Déposé par hayve le samedi 12 mars - 9 personnes ont prié pour ce sujet

Jésus fait qu' un miracle s' accomplisse, que mon mari arrive à débloquer l'ordinateur car tous nos souvenirs sont dedans. pardonne moi car j ai limpression qu'il le fait express, c est la 2nde fois quil efface tout. J'ai besoin de ces documents Jésus, répare les erreurs. au nom puissant de Jésus amen"

"Merci Action de grâce, remerciements
Déposé par hayve le samedi 12 mars - 11 personnes ont prié pour ce sujet

Gloire à DIEU JE ME SENS MIEUX, LE MÉDECIN M'a osculté et je suis juste fatiguée, besoin de repos et de détente. Merci à vous tous qui ont élevés vos voix pour ma guérison, mes angoisses, que Dieu vous bénisse et vous le rende 1000 fois plus. au nom de Jésus amen"

Que Dieu te libère et te bénisse soeur "hayve" par le sang précieux de Jésus Christ! qu'Il intervienne dans ton foyer pour rétablir la paix, la joie et l'amour! amen!
nick il y a 1 an
Ho deraina madrakizay anie ny anaran'Andriamamnitra masina indrindra ary Isaorana Izy satria nanome antsika ny fitaovana rehetra ahafahantsika manatona azy bebe kokoa. Misaotra koa Tompo fa miasa ao anatin'i Manassé ny fanahy masinao ka ahfahany mampita aminay sy mampianatra anay ny momba anao, tariho lalana izahay mba tsy ho very na dia betsaka ny zavatra manahirana anay tsirairay avy dia aoka mba hanjaka ao anaton'ny fonay isan'andro isan'ora ny fitiavanao. Aza avelanao variana lava izahay Tompoô! fa tariho. Aza avelanao hitondra izay tsy zaka satria olombelona ka malemy dia ho anao irery ihany anie ny vonnahitra mandrakizay Amen!
TJK12 il y a 1 an
Any an-danitra any, any misy fiainana,
Ny mino any no mbola hody fa tsy maintsy ho tody!
ny ety dia mandalo ihany sy miserana,
Jesosy any, efa mikarakara ny toerana!
Jesosy ô, Jesosy a, tsy misy atakaloko anao,
Lalaiko Ianao, ety an-tany hatrany an-danitra any!!!!!!
Any an-danitra any, izay tonga ihany no arahabaina,
fa manana tombotsoa ny velon'aina!
Mihetsiketsika fa manorina ny any ankoatra,
Jesosy any efa mikarakara, efa manamboatra!
Jesosy ô, Jesosy a, tsy misy atakaloko anao,
Lalaiko Ianao, ety an-tany hatrany an-danitra any!!!!!!
Tsy hangorohoro ny fonareo,
Ianareo mahalala ny feoko,
Tsy hangorohoro ny fonareo,
fantatrareo izay alehako!
Aza manahy oa, aza manahy e,
Ho avy haka anareo Aho!
Izay Hisy Ahy, any koa no hisy anareo!
Jesosy ô, Jesosy a, tsy misy atakaloko anao,
Lalaiko Ianao, ety an-tany hatrany an-danitra any!!!!!!
(Rija Rasolondraibe)
Deraina JESOSY! Amen, ALELOIA
Adinoina il y a 1 an
Amim-pifaliana tanteraka no andraisanay anao eto amin'ny groupe Shula!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie ho aminao sy ny momba anao ary ny ataonao rehetra amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
leellah il y a 1 an
Miarahaba ny namana vaovao rehetra eto @ groupe @ anaran'i Jesosy! Dia manantena fa tena hifampizara ny soa rehetra ao @ Tompo tokoa isika, ka hifampandroso ary tena hifampitantana mandra-pahatongantsika rehetra any an-danitra!!! Amen.

Jesosy ô! @ty maraina ity dia faly misaotra Anao indray noho ny soa rehetra atosakao tsy tapaka ho anay. Mankasitraka Tompo ô! fa tsapanay ny tànanao momba anay, mitantana anay, manitsy anay koa rehefa mivily làlana izahay.
Indraindray Jesosy, tsy miafina Aminao fa toa manadino Anao izahay, indrindra rehefa sendra zava-tsarotra eo anoloanay. Toa kivy sy reraka izahay, ka mila tsy ho tsaroanay hoe eo akaikinay Ianao, miaraka @ teny fikasanao be dia be; fa toa takon'ny olana eo anoloanay. Tompo ô! ifonanay Aminao ireny fotoana tsy ninoanay ny teninao ireny, mamelà ny fahalemenay. Hay moa Ianao Jesosy efa nampanantena fitsaharana ho an'izay mitondra ny enta-mavesany eo Aminao; izahay nefa na mitondra am-bavaka ny adinay aza, dia indraindray mbola velon-taraina ihany, toy ireny tsy mino ny teninao ireny. Mifona Tompo ô! fa tsapanay ny hadisoanay. Aoka ny rànao hanafaka anay @ tsi-finoanay, hanasa ny loton'ny fonay hanananay fahadiovam-po indray eo anatrehanao. Ampianaro izahay hankato sy hanaraka ary hino izay rehetra efa voalazanao, ary aoka ny Fanahinao hampahatsiahy anay mandrakariva ny fanatrehanao ny fiainanay.
Dia avaozinay indray Tompo ny fanekenay efa nataonay Taminao, fa hanaraka Anao izahay na aiza itondranao, manaiky ny hitoeranao sy hanjakanao aty am-ponay, ary hiezaka hatrany hahatratra ny mariky ny fiantsoanao ho voninahitrao irery ihany.
Ampaherezo ary izay rehetra misedra olana aminay ireto, ary ampahatsiahivo azy toy ny nataonao tamiko fa izay mangataka Aminao dia mila mino fa toy ny efa nahazo sahady satria Ianao no miady ho azy, ary izay miandry Anao Jehovah dia mandroso hery.
Dia miandry Anao izahay Tompo ô! ary mino fa @ fotoananao dia hamaly anay Ianao.
Raha misy dera sy laza Jesosy, dia atolotray ho Anao irery ihany izany mandrakizay. Amen!
nick il y a 1 an
Misaotra Anao Ray fa mbola novimbininao ka nomenao maraim-baovao indray. Mifona amAminao noho ireo izay zavatra rehetra tsy mety nataonay, avelao ny helokay Tompo ô ary ampio izahay mba ho mendrika hatrany hanononona ny anaranao. Miantso Anao izahay Ray ô! tariho eo amin'ny fiainanay tsirairay avy, Ianao mahafantatra ny olana rehetra misy aminay, angatahiko aminao izao maraina izao Ray o^! Iraho ny fanahy masinao hitondra fitiavana ao anatinay hahaizanay mifankatia, na ao anatin'ny fianakavianay tsirairay izany na ao amin'ny firenenay ihany koa. Mizarazara avokoa izahay Tompo ô! nefa ataovy tsapanay fa Ianao irery no rainay rehetra kla ampianaro izahay hifankatia ka hahita fiadanana eo ampiandrasana ny hasambarana nampanantenainao. ho deraina mandrakizay ny anaranao Amen!
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina Roger tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao sy ny ankohonanao ka hiaro anareo sy ny hevitrareo ary ny fonareo hahatanteraka ny fikasan'Andriamanitra tsara rehetra aminareo amin'ny anaran'i Jesosy Kristy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao Aina Rafamantanantsoa!

Andriamanitry ny fiadanana anie hiaro anao ka hitahy anao amin'ny antsipiriam-piainanao ka hamaly fitia anao amin'ny anaran'i Jesosy amin'ny safidy tsara nataonao niditra eto amin'ity groupe ity! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
asimbola il y a 1 an
Ray ô!! Misaotra fa tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay ianao, misaotra fa tsy miova @ herinao ianao, misaotra koa fa na inona karazana olana lalovanay dia manana havaly sy omena anay Ianao.
Mahatsiaro manokana an'i Mimikeliko eto anatrehanao aho, raisiko ny fahefana izay efa nomenao ahy; koa @ anaran'i Jesosy no handravana sy hanapotehana ny fanahin'ny fanakorontanana ao an-tokantranon'i Mimikeliko, didina miala @ anaran'i Jesosy ny korontana sy tabataba. Mitsahatra izany @ anaranao Jesosy.
Tononiko kosa ny fiadanana zay efa navelonao hoa anay, fiainana be dia be, ary ny fifankatiavana zay efa nampianarinao ho anay mba hanapaka ao @ zany tokantrano izany.
Hampaherezo toy ny efa nataonao taminy hatrizay i mimikeliko mba ho jiro sy fanasina, hitondra izany tokantrano izany ho ao Aminao, de hamarino ny teninao fa refa mino an'i jesosy Tompo izy de hovonjena miaraka @ ankohonany.

MIsaotra Jesosy fa efa midina ao @ tokantranon'i Mimikeliko sahady ny valimbavaka, misaotra koa ny @ zay efa nataonao teo Aminy. Misaotra Jesosy fa marina @ teninao Ianao ary tsy miverina foana any Aminao ireny teny alefanao ireny ra tsy efa mahatanteraka izay nampanirahinao azy.

Amen! Amen!!
TJK12 il y a 1 an
Hankalazaina mandrakizay anie ny Anaranao ry Andriamanitra Rainay be fitiavana, Rainay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, izay nanolotra ny ainy teo amin'ny hazofijaliana mba ho fanavotana anay. Hoderaina mandrakizay anie ny Anarany masina! Manantona anao ary miankohoka eto anoloan'ny seza fiandriananao indray izahay, manatitra ny fisaorana Anao satria raha tsy Ianao no manampy anay amin'izay rehetra ataonay dia tsy mahefa na inona na inona izahay, raha tsy Ianao no miaro anay amin'ny ratsy rehetra dia efa ripaka izahay, raha tsy Ianao no manoro ny lalan-kalehanay amin'ny alalan'ny Fanahinao Masina sy ny Teninao dia efa very izahay. Ny dera sy ny laza ary ny voninahitra dia ho Anao irery ihany izany Tompo ô!
Ray ô,mifona Aminao izahay noho ny fahotana rehetra vitanay teo anatrehanao, na ny fihetsikay tsy mendrika, na ny fiteninay nanala baraka anao, na ny eritreritray, na ny fijerinay, ny hadalanay rehetra Tompo ô, ifonanay izany. Matetika izahay Tompo,mieritreritra hoe mety tsara, tsisy tohina mihintsy ny fifandraisanay Aminao nefa ao Tompo misy fahotana izay tsy fantatray akory, mampalahelo Anao, tsy noeritreretinay ho fahotana akory nefa tsy mendrika teo anatrehanao izany, mifona Aminao izahay Tompo ô, mpanompo tsy mendrika izahay koa dia mangataka famelan-keloka avy aminao, sasao madio izahay Tompo ô amin'ilay Rànao Masina indrindra mba ho mendrika ny hijoro eto anatrehanao.
Ray ô, ankehitriny izahay mpikambana eto dia mangataka aminao, mametraka eo an-tananao ny olana misy eo aminay tsirairay avy, ao ny eo amin'ny lafiny tokantrano, ao ihany koa ny fianakavianay izay efa Anao nefa mbola eo ambanin'ny fangejan'ny satana; Ray ô, ny tananao mahery no italahoanay hanafaka izay rehetra mangeja anay, ny asan'ny satana Tompo ô dia roahina amin'ny Anaranao tsy hanan-kery ,tsy hanam-pahefana! Dia ankinina feno eo am-pelatananao ihany koa izay rehetra tsy voalaza, Ianao no handahatra izay rehetra mahasoa anay. Misaotra Tompo ô! Amen
Adinoina il y a 1 an
Jesosy malala ô!
Hianao no Andriamanitra marina sy masina ary andry sy tokinay!
Miantso Anao aho hiasa sy hanafaka manokana an'i mimikeliko amin'ny olana rehetra izay mangeja azy!
Miantso Anao aho Jesosy hiasa sy hitoetra aminy sy ny ankohonany mba iverenan'izy mianakavy eo am-pototry ny hazofijalianao!
Miantso Anao aho haniraka ny Fanahinao Masina hampibaribary ny fahazavanao Andriamanitra handrakotra ny ankohonany ialàn'ny asan'ny fahamaizinana rehetra!
Miantso Anao aho hamangy an'i mimikeliko sy ny ankohonany ary ny fianakaviany amin'ny alalan'ny Fanahinao mba hampiova ny fo vato rehetra ho tonga fo nofo, tia Anao, tia ny teninao, ary feno fahendrena mankato ny sitraponao...
Jesosy malala ô! ifonanay eo anatrehanao ny tsy fahatanterahanay rehetra eto amin'ity groupe ity, amin'ny toetra, amin'ny fiteny, amin'ny atao, amin'ny fihevitra fa mpanompo tsy mahasoa ihany izahay! aza ny fahakelezanay sy ny tsy fahatanterahanay Jesosy malala ô no jerenao fa ny halehiben'ny voninahitrao sy ny fitiavanao anay ka iantsoanay anao hihaino vavaka sy hamaly vavaka ho an'ny namanay, i mimikeliko sy ny ankohonany ary ny fianakaviany... koa vonjeo ny olona Jesosy ô fa manantena anao!
Ho anao irery ny voninahitra anio ampitso ary ho mandrakizay, amena!
Adinoina il y a 1 an
Seigneur Jésus Christ de Nazareth!
Tu es le Roi des rois! aucun autre Dieu n'est comme toi! tu es libérateur et ne laisse aucune de tes brébis sous l'emprise du mal... je crois en ta grâce qui accorde en tes serviteurs ton amour et tes compassions!
Gloire soit en ton nom Eternel Seigneur Jésus Christ qui nous accorde tous les jours tes bénédictions et ta protection! tu es le chemin, la vie et la vérité! tu ne laisses personne d'autre prendre tes décisions et n'accorde aucun compromis avec le mal car tu es juste!

Je porte en prières Nivoharimanda, notre soeur bien-aimée en toi Seigneur Jésus, afin que tu lui viennes en ta présence lui apporter grâce et paix... que ton précieux sang couvre Nivo et son enfant et les protège sous le sceau de ton sang versé à Calvaire... et que ton Saint-Esprit remplisse son coeur de reconfort, de sagesse et de compassion... tu es amour et je te demande si tu le permets que Nivo et son enfant ainsi que sa famille soient guéris de toute forme de haine, de maladie et de mensonge! agis Seigneur selon ta grâce et aide Nivo à retrouver ton amour éternel afin qu'elle partage avec son enfant, avec sa mère et avec sa famille tes bénédictions...

Je porte en prières la mère de Nivo en toi Jésus! reviens à elle! pardonne-lui toutes ses offenses envers toi! tu l'as choisi parmi tant d'autres pour être une de tes serviteurs... tu lui as oint de tes bénédictions de devenir berger... viens en elle cher Seigneur et aide lui à retrouver le chemin de la vérité et de l'amour qui mène vers Toi... Seigneur, je t'en supplie, ne laisse pas le mal se rejouir d'une âme qui ne lui appartient pas... la mère de Nivo a droit à ta liberté par le sceau de ton sang qui lui est accordé et par le pouvoir du Saint Esprit qui lui est oint lors de son sacrément... Seigneur Jésus Christ, écoute notre prière...
Merci mon Dieu! amen!
mimikeliko il y a 1 an
Misaotra sy midera ny anaranao aho Tompo, nanomezanao anay rehetra eto, sy ny fianakavianay, tompon'andro iray indray androany. Misaotra anao koa izahay Tompo, satria mbola nomenao fahasalamana, fahasoavana, fitiavana, fandeferana... Be dia be ny soa azonay avy aminao Tompo o, ary tsy voatanisa izany.

Betsaka aminay eto Jesosy Tompo no manana olana ara-pahasalamana, ny tokantrano, ny vola, ny asa... Fantray ianao fa mahay sy mahalala izay mahasoa anay mandrakariva. Ianao tsy manome anay ny zavatra tsy ho zakanay, ka dia manakina tanteraka aminao ny fiainanay manontolo izahay.

Amiko manokana Jesosy Tompo o, dia toa tsy mety mahita mangirana am ny tokantranoko aho matetika. Misaotra anao manokana aho, nanomenazanao ahy an'i Manassé sy Nick, mba ho namana sy mpanolo-tsaina ahy manokana, miaraka aminao, amin'ny fanomezana ahy hevitra ary indrindra fitrotroana ahy am-bavaka isan'andro. Ankiniko aminao samirery Jesosy izany tokantranoko izany, aza avela ho viravirain'ny devoly, aza avela hanjakan'ny fanahy ratsy. Aoka Ianao irery Jesosy Tompo o, no hanjaka sy hitantana an io tokantrano izay mamy sy lalaiko io. Roahy iala tao ny devoly, ny fanahy ratsy fa tsy ilaiko velively izany.

Deraina sy ankalazaina anie ny anaranao Tompo o, amen!
leellah il y a 1 an
Jésus, je Te remercie pour cette nouvelle journée, cette nouvelle semaine que Tu nous a donné. Merci pour Ta miséricorde et pour Ta grâce qui, vraiment, nous suffit amplement.
Jésus, je porte au pied de Ta croix le fardeau de Nivo. Que Ton précieux sang qui a coulé pour nous libérer remplisse sa mère afin que le diable ne puisse plus l'emprisonner de la sorte.
Gloire à Toi ô! Jésus; Tu es si bon, si merveilleux, Tu es grand, Tu es Amour, Tu es toute notre vie. Merce d'être toujours là pour nous.

Que Ton nom soit glorifié. Au nom du Seigneur Jésus. Amen! Amen!
Adinoina il y a 1 an
Tu es la bienvenue dans le groupe Nivo!
Nous sommes très heureux de t'accueillir dans ce réseau qui appartient au Seigneur Jésus Christ!

Que le sang précieux de Jésus Christ de Nazareth vous couvre, toi, ton foyer, ton enfant, ta famille, ta mère et tous ceux qui te sont chers! amen!

Je prie pour vous afin que le mal n'a plus d'accès à ta famille et vous libère de ce fardeau au nom de Jésus Christ de Nazareth!

Les membres de ce groupe vont intercéder pour combattre à tes côtés et prier afin que Jésus règne dans ta famille...

Bon courage!
Que la paix de Jésus remplisse vos coeurs! amen!
Manassé
nivoharimanda il y a 1 an
bjr à tous les mebres!
je suis très heureuse d'etre parmi vous
je me présente
je suis Nivo,malgache ,30ans,célibataire mais j'ai un enfant de 12ans.Je l'ai eu quand j'étais encore au lycée
j'ai reçu Jesus dans mon coeur en 2003
je Le remercie chaque jour car tout ce qu'Il a fait c'est dans le but que je ne tombe pas
je voudrais que vous priiez pour ma famille car ma mère est possédée par le démon alors qu'elle est "mpiandry"
ma famille est désespérée !!
voici les démons qui la possèdent: l'orgueil,fumer des cigarettes,mensonge,qui détourne les Paroles de Dieu,
accusateur,tueur,qui la détienne prisonière...le Diable a fait en sorte qu'elle n'accepte pas le fait qu'elle est malade
veuillez prier sans cesse pour nous car JE CROIS EN LA PUISSANCE DE JESUS QUI PEUT TOUT TRANSFORMER ET QUI A TOUJOURS VOULU SAUVER NOS AMES
je vous remercie de tout coeur!
Jesus soit avec vous!
leellah il y a 1 an
Misaotra Jesosy ô! fa tena manan-karem-pahasoavana Ianao ary ampy mizara ho anay rehetra izany. Mankasitraka noho ny fitsinjovanao anay, ny fihainoanao ny tarainanay isan'andro ka anehoanao aminay ny fitiavanao @ famalianao anay. Deraina Ianao noho ny @TJK12 izay nokasihinao manokana ka nahatsapa fahafahana, fahasitranana, fandresena, teo anatrehan'ny zavatra nanjo azy. Tsy misy maharombaka tokoa Tompo ny eo Aminao ary fantatray fa izahay rehetra ireto dia samy eo ambany fiahianao avokoa ka tsy manahy izahay, satria manana antoka tanteraka ny @ fiainana ao Aminao. Asandratray ho Anao mandrakizay ny dera ny laza ny voninahitra fa mendrika Anao izany. Amen
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka no iarahabana an'i TJK12, velona tra-pamonjena, sitrana nieren-doza, eo ambany tanam-pahasoavan'Andriamanitra!

Deraina mandrakizay Jesosy!
Ho Azy irery ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Velona Jesosy, miasa Jesosy, mamonjy Jesosy, tia ny olona rehetra Jesosy, mamela heloka Jesosy, manafaka Jesosy, manome fiadanana sy fiainana Jesosy!

HALELOIA! HALELOIA! HALELOIA!
Deraina ny anaranao ry Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina ô!

Amena! amena! amena!
nick il y a 1 an
Ho deraina mandrakizay ny anaran'Andriamanitra nohon'ny fahasitranan'i TJK12. Ho omba antsika rehetra anie Izy ka hitantana antsika hitondra antsika amin'ny fiadanana amen!
TJK12 il y a 1 an
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny Anaran'nyTompo indray! Misaotra antsika rehetra nitondra am-bavaka, nandroaka ny asan'ny maizina fa tena nisy vokany tokoa. Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie homba anareo hatrany, hanome izay rehetra irin'ny fonareo anie Izy, Jesoa Kristy anie handrotsaka be dia be ny andon'ny lanitra aminareo ary dia ho feno ny Fanahy tokoa ka ho vavolombelony hatramin'ny farany! Tononina manokana i Adinoina sy i nick! Omaly hariva no efa nanomboka nisava ny aretina, afaka ilay havizanana be. Amin'izao fotoana izao dia efa tsy maninona fa somary mbola tsentsina kely fotsiny ny orona. Betsaka no efa afaka ary tsy henoko intsony ilay zavatra mavesatra be tao anatiko. Tsapako mihintsy ny "présence" ny Fanahy Masina. Deraina ny Tompo, Voninahitra ho Azy irery ihany, ary dia mbola mamerina ny fisaorana antsika rehetra!!Tena ilaina mihintsy ny fiaraha-mivavaka sy fifanohanan'ny samy mpino amin'ny fotoana rehetra arak'ilay tenin'ny tompo hoe: "Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." Jakoba 5:16 Mahery tokoa ny fiombonambavaka sy ny fiasan'ny fivavaky ny marina!!! Miasa amin'ity vondrom-bavaka ity tokoa ny Fanahy Masina fa dia voatononareo tany anaty vavaka daholo ny zava-drehetra na dia tsy nambara mivantana teto aza (Adinoina). Tena niaiky aho hoe marina daholo izany tonom-bavaka izany raha namaky ilay izy! Que Dieu vous bénisse tous!!!!!!!!!!!!!!
rindraI il y a 1 an
Faly miarahaba antsika rehetra eto tokoa ny tenako, Rindra moa no anarako. Na dia efa elaela ihany aza no naha-membre ahy tato @ groupe dia androany vao handray fitenenana. Raha avy namaky ny lahatsoratr'i Manassé moa aho momba ny fitiavana dia tiako ny manamarika fa na dia tsy membre active @ fanoratana aza aho eto, miombom-po @ groupe mandrakariva ny tenako. Aty am-piasana aho mantsy no connectée dia tsy afaka mandany fotoana be. Marina oe tsy mifankahita mivantana isika fa isika dia ao anatin'ny atao oe tontolon'ny fanahy. Andriamanitra dia Fanahy, mila mino isika na ny mpitondra am-bavaka, na ny miandry valim-bavaka fa ny Fanahy no miasa ao anatin'ireny na dia mifanalavitra aza isika.
Ampelatananao tokoa Andriamanitra no hametrahana an'ity groupe ity, ny mpamorina, ny mpikambana tsirairay avy. Ny hangatahina aminao dia aoka ny hosotrao ahidinao @ olonao ato mba ho tena fitaovana mahomby avy aminao hifanampianay tsirairay avy eto ny fijoroan'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka. Tahio ny antsipirian ny fiainan'ny mpikambana eto, tahio ny tokatranony, ny ankohonany, ny asany, ny fidiram-bolany, ny fahasalamany, ... indrindra ny fiainam-panahiny. Zava-poana ho anay tokoa ny handray zava-tsoa nefa tsy itoeran'ny Fanahy Masinao, ka mihoatra ny zava-drehetra dia aoka ho hita masina izahay @ fiainanay rehetra. Aoka ho tena fitaratra hitarafana ny fahazavanao, ho fanasina, ho sira ho an'ny manodidina anay izahay ka mba tena hijoro @ fananana Anao Jesosy. Omeo fo madio tokoa izahay hahaizanay mitia anao Ray sy hahaizanay mitia ny hafa ihany koa eny hatr@ fahavalonay. Ny ranao Jesosy no aoka hanadio, handrava, hamatotra izay mety ho loto, sakatsakana rehetra ao am-ponay ao tsy hahitanay ny voninahitrao. Ongoty hatrany ifotony mihitsy izay mety ho lolom-po, alahelo sy ratra anaty, tsy fitiavana, valifaty mba ho tena fitiavana marina tsy misy kilema no hanjaka sy hanapaka ao am-ponay. Ho ataonao anie izany Andriamanitra @ anaran'ny Jesosy Kristy tomponay. Amen.
Samy hotahin'ny Tompo avokoa isika rehetra.
TJK12 il y a 1 an
Ho an'ilay Tompon'ny Tompo, Mpanjakan'ny Mpanjaka dia JESOA KRISTY Zokintsika anie ny Voninahitra,ny Dera,ny Laza, mandritra ny taona rehetra mandrakizay! Hankalazaina mandrakizay anie ny Anarany Masina!
Dia misaotra anao indray izahay ry Tompo Masina indrindra fa Mpamonjy mora azo amin'ny fahoriana tokoa Ianao, tsy manary ny olonao ary marina daholo ny teny fikasanao! Faly izahay manana Anao. Te hihiaka mafy izahay Tompo ô, te hidera anao fa MPanafaka tokoa ianao, Tsara Ianao sady mpanao ny tsara! Na mandalo ady sarotra aza izahay, moa tsy anay tokoa va Ianao Jesôsy? Aronay sy mandanay, sady Tokinay! Na hisesy eto anoloanay aza izay mety ho fakam-panahy, mampandresy anay hatrany i Jesoa! Gloire à Toi Seigneur!! Comment te remercier Seigneur? je crois que nous ne te remercierons jamais assez pour ce que Tu as fait pour nous!!!
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny vondrona hianao Jean Marie, amin'ny fifaliana tokoa no iarahabana anao, ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
nick il y a 1 an
Ry Tompo mahefan'ny zavatra rehera, mba henoy ny fitarainan'ity rahavavinay ity, mijaly ka mba vonjeo, aza avelanao ho viravirain'i satana, hirao ny fanahy masinao Tompo ô! hanazava ny sainy ka hanasitrana azy tanteraka, dia ho afaka hijoro vavolombelon'ny fitiavanao eto izy rehefa hahazo fahasitrananan avy aminao, Tompo ô henoy ny vavakay. Misaotra anao mafy izahay tompo ô fa mbola nontantananao sy novimbininao ka mbola samy velon'aina, mino izahay Tompo fa tsy hanome zavatra izay tsy zakanay Ianao. Ho deraina mandrakizay anie ny anaranao masina Amen!
Adinoina il y a 1 an
Isaorana Jesosy fa namaly vavaka Izy ka dia nihaino ny vavaka nentintsika nandritra ny telo andro nanomboka tamin'ny alakamisy lasa teo!

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!
- lasa ny rivodoza! haleloia!
- mijery ny olony Andriamanitra satria dia fikambanana maro no mandray an-tanana ireo traboina sy trapahoriana rehetra
- mamonjy sy manasitrana Jesosy ka dia olona maro no nadray fahasoavana sy famonjena nandritra nanomboka tamin'ny alakamisy ka mandrakizao
- mijery ny firenena sy ny vahoaka Malagasy Jesosy ka tsy mamela intsony ny isian'ny rà mandrika sy fikorontanana eto amin'ny firenena
- mitahy manokana ity "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" ity Jesosy ka dia tsy mamela irery ny mpikambana sy ny ankohonany rehetra fa miahy ny tsirairay avy araka izay sahaza azy avy
- nihaino ny vavaky ny tsirairay Jesosy ka "mitsinjo sy mihaino" ny fangatahan'ny tsirairay araka ny famindrampony
DERAINA JESOSY! AMENA! AMENA! HALELOIA! AMENA!

Izany rehetra izany dia fahasoavana lehibe tsy hita noanoa ary tsy takatry ny saina... mbola maro ihany koa nefa ny vavaka sy fangatahana eo ampelatatan'i Jesosy "toy ny tsy mbola novaliany"... miasa Izy ary mamonjy Jesosy saingy manana ny fotoany ihany koa Izy ka mahalala mihoatra lavitra izay soa sahaza antsika amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra...

Koa « ... Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana, » Kolosiana 4:2 fa Andriamanitra tsy mahafoy anao ary tia anao mandrakariva, mijery sy miahy anao fa aza matahotra, na inona na inona miseho...

Ho aminareo anie ny fiadanana! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifialiana tanteraka Solomamy no andraisana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka".

Dia Ilay Andriamanitry ny fiadanana anie hameno fifaliana anao sy ny ankohonanao ka handrakotra fitahiana ny fiainanareo mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina Skininoo, tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka", ho aminao sy ny momba anao manontolo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana hitondra fifaliana amin'ny fiainanao rehetra amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Koa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta no anapahana ny gadra sy ny fatorana rehetra avy amin'ny demonia mitady hamitaka an'i TJK12! efa tonga ny Fanahin'ny Mazava ankehitriny dia Jesosy Kristy, ny Amena dia Amena, Rain'ny mandrakizay, Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, efa novidiany Jesosy tamin'ny ràny i TJK12 ka dia tsy anao intsony, koa MIALA HIANAO SATANA SY NY FORONGONAO REHETRA, RY FAHAVALO RESY, MIALA AMIN'NY ANARAN'I JESOSY! MIALA NY FANAHIN'NY TAHOTRA REHETRA, NY FANAHIN'NY TSY FINOANA, NY FANAHIN'NY MAIZINA REHETRA, NY FANAHIN'NY TSY FITIAVANA REHETRA, NY FANAHIN'NY FANAKORONTANANA REHETRA, NY FANAHY MPAMITAKA REHETRA, NY FANAHY MPANENDRIKENDRIKA REHETRA, NY FANAHY MALOTO REHETRA... MIALA AMIN'NY ANARAN'I JESOSY KA MANDEHANA AMIN'NY FARIHY MIREHITRA AFO!

Dia apetraka aminao Jesosy malala i TJK12, mino sy mahatoky aho fa miasa hianao ary manafaka ny olonao hianao!

Ho anao ny dera sy ny laza, anio, ampitso ary mandrakizay ry Andriamanitra Tsara indrindra ô! amena! amena!
Adinoina il y a 1 an
Isaorana mandrakizay anie ny anaranao Jesosy malala ô! Andriamanitra velona sady Mpanapaka ny hita sy ny tsy hita rehetra!

Rakofy ny rànao masina ny tenanay raha manatona anao izahay, mpanompo tsy mahasoa nefa nomenao izao fotoana izao hivavahana aminao Andriamanitra!

Entina aminao manokana Jesosy i TJK12 amin'izao fotoana izao satria fantatray fa mihaino anay hianao! hianao no mahalala ny manjo azy, hianao no mahafantatra ny mahazo azy ary antsoinay manokana hiaraka aminy amin'ny ady izay atrehany ankehitriny!

Mihainoa vavaka Jesosy ô! ny fangatahany rehetra entiny aminao, dia sasao amin'ny rànao masina mba hodiovinao, hohamasininao ka meteza hiasa aminy amin'ny alalan'ny Fanahinao Masina hanafaka azy amin'ny fitarainany, amin'ny fanaintainany, amin'ny aretina, amin'ny fatorana izay mitady hangeja azy! raha mety hianao dia vonjeo ny mpanompovavinao, afaho Izy Jesosy ô!

Ho any amin'iza moa izy Jesosy malala? ao aminao ihany no tena famelan-keloka, ao aminao ihany no tena fiadanana, ao aminao ihany no tena fahazavana, ao aminao ihany no tena fiainana, ao aminao ihany no tena fahasitranana, ao aminao ihany no tena fifaliana... Hianao Jesosy no tena famonjena sy fanafahana koa mitalaho aminao aho, vonjeo TJK12 fa mitaraina aminao...

Jereo ny antsipiriam-piainany sy ny fikasany sy ny fivelomany rehetra Jesosy ô, ka dia mangataka aminao hanendry izany amin'ny rànao masina mba tsy hananan'ny ratsy anjara intsony amin'ny anaranao Mahagaga!

Koa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta no andidiana anao Satana, hiala ka handeha amin'i TJK12! ento ny forongonao rehetra, miala amin'ny TJK12 hianao sy ny demonia rehetra, ny tazo, ny gripa, ny aretina rehetra, ny lainga sy ny fitaka rehetra dia MIALA AMIN'NY ANARAN'I JESOSY KRISTY VELONA SY MASINA MANAN-KERY AVY ANY NAZARETA! Miala hianareo ka alefa any amin'ny farihy mirehitra afo sy solifara, any ny toerana sahaza sy voaomana ho anareo! efa novidian'i Jesosy tamin'ny ràny i TJK12 ka dia tsy manana anjara aminy intsony hianareo amin'ny anaran'i Jesosy! Tendrena amin'ny ràn'i Jesosy latsaka tao Kalvary ny fo sy ny fanahy ary ny tenan'i TJK12 manontolo!
Adinoina il y a 1 an
Misaotra anao mandrakariva izahay ry Andriamanitra tsara indrindra ô, maharipo aminay sady be famindrampo, Tompon'ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka miaro ny fonay sy ny fanahinay tsy ho viravirain'ny ratsy satria eo am-pelatananao ny momba anay manontolo amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, velona sy masina manan-kery, avy any Nazareta!

Deraina mandrakizay ny anaranao Andriamanitra tsara indrindra ô, Tompo sady mpanome aina, ny amin'ny fitahianao anay isanandro, isanora, isan-tsegondra amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra misy anay ka anomezanao anay, aina sy fanavaozana ao amin'ny fanahinao ka ahasahianay miantso ny anaranao! Haleloia! Haleloia! Masina hianao! Marina hianao! Mahery hianao! ka mahita ny momba anay amin'ny antsipiriany!

Bitika sy kely tokoa izahay eo imasonao Andriamanitra ô! ary tsy vitan'izany fa sady tsy mino anao, no tsy mifankatia fa samy tia tena tsy mijery afatsy izay mahakasika ny tenanay ihany ka manadino ny rahalahinay sy ny anabavinay rehetra, no sady tsy mihaino anao, no tsy mankato anao ka manao tsinontsinona ny teninao sy ny fananaranao sy ny fampianaranao! aina ho an'ny mahazo azy nefa ny teninao ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra, koa mamindrà fo aminay hianao Jesosy, mamelà ny helokay, velomy ao anatinay ny teninao handidy sy hanapaka ny fonay sy ny fanahinay ary ny tenanay manontolo ary meteza hitombo ao anatinay amin'ny alalan'ilay Fanahinao Masina izay efa nomenao anay sy ao anatinay, izay mino sy manaiky anao!

Ho anao ny dera sy ny laza Jesosy Malala ô! amena!
TJK12 il y a 1 an
Faly miarahaba antsika rehetra eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka! Ny fiadanan'ny Tompo anie ho amintsika mandrakariva! mandalo faharerahana tanteraka ny vatako amin'izao fotoana izao ary misy fiantraikany amin'ny ara-panahy! voan'ny gripa miaro tazo izany aho, ary dia reraka be ny vatako iray manontolo, ny fanahiko moa dia tsy ao mihintsy, ohatry ny maniditsidina izany, ny vavaka dia mandeha ho azy, tsy voacôntrôler-ko tsony izay lazaiko, ary refa avy eo vao tonga saina hoe inona ary izany teneniko izany, manafika ahy mafy dia mafy satana, tena reraka aho, mangataka fiaraha-mivavaka avy amintsika, na dia mandroaka ny asan'ny satana aza aho dia mahatsapa ho tsy tena afaka izany, tsy vitako samirery intsony ilay izy, mila fanampiana avy aminareo aho, hafahafa be ny mahazo ahy,asan'ny satana mihintsy ary dia mangata-bavaka amintsika. Tsy mbola voan'izany aho hatramin'izay. Henoko misy zavatra mavesatra be izany eo amin'ny fiainako ary ohatry ny te hanohitra be izany foana aho. Dia misaotra antsika rehetra! Dia samy hotahian'ny Tompo!
mimikeliko il y a 1 an
Misaotra Tompo o, satria mbola nomenao andro iray vaovao indray izahay. Misaotra ihany koa satria mbola notarihinao fona ny fiainanay,matoa izahay mbola velon'aina soa amantsara tahako izao. Ary mbola misaotra anao koa izahay Ray be fitiavana, satria nomenao fahasalamana, fifaliana, ary indrindra fotoana ahafahanay miresaka aminao.

Entiko am bavaka manokana Tompo o, ny fiainanay Malagasy sy ny tanindrazanay. Aoka Ianao irery no handidy sy hanapaka eto, ary indrindra aoka Ianao ihany koa no hitarika ny sain'ireo mpitondra anay. Ankiniko aminay koa Jesosy Malala o, ny fiainanay, ny asanay, ny momba anay rehetra eto amty vondrom-bavaka ity. Atoroy anay mandrakariva ny lalana tokony alehanay. Mahay ny zavatra rehetra ianao Ray o, mahalala ihany koa ny mahasoa anay. Apetrako eo ampelatananao irery ihany Tompo o, ny fitantana ny fiainanay rehetra.

Deraina sy ankalazaina mandrakariva ny anaranao masina, amen!
leellah il y a 1 an
Tompo malala ô! mbola velom-pisaorana Anao indray izahay noho izao andro vaovao natolotrao izao, ny famindram-ponao Tompo vaovao aminay isa-maraina ary ny fahasoavanao no mbola maha-toy izao anay. Tompo ô! dia mitrotro am-bavaka ny tontolo andronay tsirairay ireto izahay, aoka Jesosy ho eo ambany elatrao mahery ny fiainanay. Ho rakofan'ny ranao anie izay rehetra ataonay, ka ho tahianao ny asa fivelomanay, ny fianaranay, ny fianakavianay, sy izay rehetra mahakasika anay. Apetraka Aminao koa ny olan'ny tsirairay. Mahay ny zavatra rehetra Ianao,ary manana hevitra hieverana ny tsirairay, mino izahay fa tsy hitaredretra Ianao fa hamaly ny vavaka asandratray Aminao.
Dia entinay eo Aminao koa Jesosy ny firenenay. Hitanao ny zava-mitranga rehetra, ny korontana ateraky ny politika izay mitarika fahantrana ho an'ny vahoaka. Kasiho ny fon'ny rehetra isan-tsokajiny hitodika Aminao ka mba hihevitra izay hahasoa ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Tsy ny mpitondra ihany Jesosy, fa ny vahoaka rehetra dia ampahatsiarovy tena hiverina Aminao. Tsy misy vahaolana Tompo afa-tsy eo Aminao ihany, koa aoka ho ravàna @ anaranao ny asan'ny satana rehetra misakana ny fitahianao tsy hirotsaka @ firenenay. Jereo manokana ireo tsy an'asa, ireo mahantra tsy manan-kohanina, indrindra koa ireo niharam-boina noho ny rivo-doza. Ampy mizara ny fahasoavanao ary tianao avokoa ny olona rehetra koa aza manary an'i Madagasikara Tompo. Tohano koa ireo malagasy efa Anao mba hijoro tsara ho fahazavana eto @ firenena mba hahataona olona maro ho ao Aminao. Ankinina aminao ny asa fitoriana ny filazantsara manerana ny nosy mba haneho marina ny voninahitrao. Izao "vondrom-bavaka" izao koa anie ho fitaovana maranitra hifampandrosoanay. Miasà Fanahy ô! hanavao anay isan'andro ka hitomboanay @ fanarahana Anao.
Hitanao izay mba nofy, hetaheta, vetsom-ponay tsirairay, miandry Anao izahay Tompo. Misaotra betsaka Jesosy @ fihainoanao ny feonay mitaraina aminao isan'andro. Voninahitra ho Anao.Amen
nick il y a 1 an
Tompo Ray tsy toha , mahery Ianao sy ny fitantananao, henoy ny vavakay ry ray be famindram-po, tonga eto amin'ity toerana fihaonanay ity aho Ray hangataka aminao sy hitalaho ho an'ireo namako, ho an'ny fireneko, ho an'ireo rehetra izay azon'ny fitsapana, tsy mifankahita izahay eto nefa miaraka manonona ny anarano ka mba henoy ny vavakay tsirairay avy ary mba hekeo. Ampio izahay mba tsy hiaraka hivavaka fotsiny fa ho tena mpirahalahy sy mpianabavy sy mpirahavavay satria Ianao irery ihany ny Rainay rehetra. Tompo ô! napetrakao amin'ny toerna misy anay tsirairay avy izahay, dia nomenao ity toerana ity iarahanay mivavaka, Ianao no nitarika anay tonga eto, iraho ny fanahy masinao Tompo ô hanazava ny sainay mba hahaizanay hifanampy ao anatin'ny fitiavanao tanteraka, samy manana ny manahitrana anay tsirairay avy izahay ka mba henoy Tompoô ka omeo valim-bavaka. sasao amin'ny ranao masina ny fahotanay ka hadio izahay ary ho mendrika ny hanonona ny anaranao.
Tompo ô! mba jereo ny tanindrazanay, mijaly ny olona tsy mahita asa, mahantra aram-pivelomana, vangio Tompo ô!
Ireo manana marary, ireo irery lavin-kavana, ireo misara-toerana aza avelanao irery. Henoy ny vavak'ireo rehetra izay manonona sy miantso ny anaranao amin'izao ora izao, aza avela diso anjara amin'ny fitahianao
Ho anao Irery Tompo ny dera sy laza mandrakizay Amen!
Adinoina il y a 1 an
Tahian'Andriamanitra hianareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy ry namana isany eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"! amena!

Miangavy anareo aho raha sitrakareo hitondra amam-bavaka ireto lohahevitra ireto :
- Andriamanitra handray an-tanana ny vahoaka Malagasy
- ny firenena miatrika izao fitsapana voajanahary izao (rivodoza) raha efatra sahady no maty araka ny loharanom-baovao omaly,
- ny vahoaka Malagasy tra-pahoriana sy fahavoazana noho izao rivodoza izao,
- ny tra-pahavoazana sy ny mitady fahasalamana rehetra, mitady fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana, vokatr'izany
- ny fiverenan'ny Malagasy amin'Andriamanitra
- ny mpikambana tsirairay avy eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka" sy ny ankohonany mba harovan'Andriamanitra manokana hijoro amin'ny finoana sy hifampitondra amim-bavaka araka ny hetahetan'ny tsirairay avy
- Andriamanitra hamaly vavaka araka ny sitrapony...
- "ny vavaka manokan'ny tsirairay"...

Raha sitrakareo dia isaky ny amin'ny 09 ora alina (ora any amin'izay misy antsika tsirairay avy) isika no mivavaka momba izany araka izay azo atao nefa tsy an-tery fa an-tsitrapo mandritra ny telo andro misesy...

Dia ho aminareo anie ny fifaliana sy ny fiadanana ao amin'i Jesosy velona! amena!
Mahereza sy mazotoa avokoa! homba anareo anie Jesosy! amena!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao Tiana (Kyou)! faly tanteraka izahay mandray anao amin'ny anaran'i Jesosy!

Dia hahita ny soa sy ny tsara indrindra ao amin'i Jesosy anie hianao dia ny valim-bavaka amin'ny fiainanao sy ny momba anao manontolo, ka hahita fifaliana sy fahombiazana mba ho voninahitr'Andriamanitra! amena!

Mahereza hatrany Andry!
Manassé
kiou il y a 1 an
Deraina hatrany ny Tompo manome ny fomba rehetra entina hifampitrotroana sy hifampizarana ny soa sy zay mavesatra eo @ olony.
Misaotra an'Andriamanitra ihany koa fa tafaray eto @ ity groupe vondrombavaka sy valimbavaka ity.
Dia manonona hatrany ny fiadanan'i Tompo ho @ tsika rehetra
mimikeliko il y a 1 an
Tompo o, mbola fisaorana be dia be no atolotro anao amty andro iray vaovao omenao anay ity; misaotra anao fa nomenao fahasalamana, nomenao hery, nomenao tanjaka ary nomenao fotoana iresahana aminao indray. Eny Tompo o, betsaka ny toetra tsy mendrika ataonay isanandro, ny vava tsy ambina voalazanay amreo olona tianay rehetra, ny fahotana maro izay vitanay. Ifonanay aminao izany Tompo o.

Ankehitriny dia mametraka ny olanay tsirairay avy eto ampelatananao aho Tompo. Maro ny hetahetanay, ny fanirianay. Fa aoka Tompo o, ny sitraponao irery ihany no ho tanteraka fa tsy anay. Mafy ny ady hatrehan'ny sasany aminay eto, mangataka aminao aho Tompo malala o, aoka ny fahasoavanao irery ihany no hilatsaka amin'ireto namako manana olana ireto. Aza avela ho kivy i Hayve, tahio izy am ady mafy iatrehany isanandro ary indrindra, aza avela hanadino anao Izy.

Ny amiko manokana Tompo o, dia apetrako aminao tanteraka ny fiainako. Toa mahatsiaro very aho matetika, mahatsiaro adala, mirenireny eny rehetra eny. Tsy manana tanjona manokana amty fiainana ty, tsy fantatro izay lalana ho alehako. Aza arianao aho Jesosy o, fitsapana lehibe ny mitranga ami fianako ankehitriny. Tsy manana asa. Toroy ahy Ray be fihatrana ny lalana marina sy mazava tokony alehako. Mbola maro olana ao an-tokantrano na dia ataoko hoe mifankatia aza zay mivady dia mbola ao fona ilay olana iray lehibe ao an tokantranonay dia ny rafozambaviko zany. Jesosy o, entiko am bavaka manokana ny momba azy. Omeo fahasalamana haingana izy mba ahafahany miala ao aminay am zay. Toroy hevitra ny vadiko ny momba ny fanapahan-kevitra tokony ho raisina ny momba azy.

Jesosy Tompo o, misaotra ahy nihaino ahy mandritra izay fotoana izay. Ankalazaina mandrakizay anie ny anaranao Ray o, amen!
marosolo il y a 1 an
Misaotra amin'ireo hafatra mamy sy feno fankaherezana. Mahafinaritra loatra ny mandre izany. Ka ny fahasoavan'andriamanitra anie hitoetra aminao mandrakariva Manassé.
Adinoina il y a 1 an
Amim-fifaliana tanteraka Radoo no andraisana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"...

Andriamanitra ilay manan-karem-pahasoavana anie hitahy anao sy ny ankohonanao ka hiaro anareo amin'ny momba anareo manontolo! amena!

Ho aminao sy ny ankohonanao ny fiadanan'i Jesosy! amena!
Mahereza hatrany
Manassé
nick il y a 1 an
Mbola eo ampelantananao indray ry ray no ametrahanay ny fiainanay tsirairay avy, aza avelanao irery izahay ianao mahafantatra ny mety sy tsy ety aminay. Fantatrao ry Ray ny zavatra angatahiko Aminao, Tompo ô! mba valio vavaka aho ary Ho anao irery ihany ny dera sy ny laza mandrakizay, aoka ny sitraponao irery ihany no ho tanteraka aminay Amen!
Adinoina il y a 1 an
Faly tanteraka miarahaba anao radoo tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fiadanany anie hiaro anao sy handrakotra ny fiainanao hahatanteraka izay rehetra tsara indrindra nomanin'Andriamanitra ho anao amin'ny momba anao manontolo amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany! dia manantena ny fiombonana eto hitondra fandrosoana ho anao eo ambany fiahian'ny Fanahy Masina!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amim-pifaliana lehibe no iarahabana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" Mitiaa! tonga soa!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie handrakotra anao amin'ny momba anao manontolo hahatanteraka ny fikasany tsara rehetra ho anao amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany! manantena ny fiombonana eto hitondra ny soa sy ny tsara amin'ny fiainanao eo ambanin'ny fiahian'ny Fanahin'Andriamanitra.
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Misaotra anao Jesosy amin'ny fitahianao ka nanomezanao ny andro vaovao, andro mafana sy tsara, masoandro mamiratra sy rivotra madio, fitahiana mahagaga eo an-tananao amin'ny fiainanay manontolo, eny hatramin'ny tsy takatry ny sainay aza nefa hainay fa miara-miasa hahasoa anay tsirairay avy! mankasitraka Jesosy ô!

Mitondra amim-bavaka ny namana rehetra, tononina manokana i hayve sy ny mpikambana rehetra eto amin'ity vondrom-bavaka ity sy ny ankohonany tsirairay avy, isan-tokantrano, isam-baravarana, isam-batan'olona, mba ho eo ambanin'ny tanam-pahasoavanao anio... indrindra ireo rehetra izay miatrika ady mafy ankehitriny, amin'ny aretina, amin'ny harerahana, amin'ny fahoriana, amin'ny tokantrano mikorontana, amin'ny mpivady tsy mifankahazo, amin'ny zanaka maditra, amin'ny fakam-panahy sy ny ratsy manafika, amin'ny fizahan-toetra mahamay, amin'ny ota sy ny heloka, amin'ny olana ara-bola, amin'ny fahantrana, amin'ny tsy fahampiana amin'ny endriny rehetra, amin'ny toetra ratsy, amin'ny adim-panahy manokana, amin'ny lotom-po sy faharatsiana isankarazany, amin'ny tsy fisian'asa fivelomana, amin'ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro... mamelà heloka Jesosy fa mandika ny teninao sy ny didinao sy ny lalànao sy ny sitraponao, manohitra ny Fanahinao sy ny fandaharanao amin'ny saina ratsy, amin'ny fo maloto, amin'ny avonavon-kevitra, amin'ny fanamarinan-tena izahay... Jesosy malâla ô! vangio ny fonay, monena aty anatinay Fanahy Masina ô ka ovay ny fo vatonay rehetra ho tonga nofo resin'ny teninao, mankato ny hevitrao... ovay ny sainay ho saina mahay manaiky sy manetry tena araka ny fandaharanao rehetra eny fa na dia izay heverinay ho ratsy aza nefa mahasoa anay satria hianao no mandahatra ny fiainanay... meteza Ray ô handray ny fifonanay sy handray ny fanoloran-tenanay noho ny ràn'i Jesosy ilay Tompo sy Mpamonjy anay nanaiky hisolo heloka anay eo Aminao!

Indro havaoziko ny fanoloran-tenako Jesosy ô koa raiso sy anjakao ny momba ahy manontolo... tononina manokana etoana ny mpikambana rehetra eto amin'ity fikambanana ity mba hosoranao ny rànao Jesosy ka ho feno ny fahasoavana sy ny fiadananao! Voninahitra ho Anao irery ihany! amena! amena!
TJK12 il y a 1 an
Jesosy ô, Deraina mandrakizay anie ny Anaranao! Miankohoka eo amin'ny seza fiandriananao indray aho amzao ary mametraka eo an-tananao ny adin'ny rahavaviko, mandalo fitsapana lalina izy eo am-panarahana ny dianao, mafy izany Tompo, mitalaho ny indrafonao aho Ray ô, mba hivaha haingana ny olana izay mianjady aminy, noho ny fanendrikendrehana ataon'ny sasany, tsy hahomby ary tsy hanan-kery amin'ny anaranao mahery anie ny asan'ny satana. Amen
leellah il y a 1 an
Mampahery an'i hayve @'izany ady atrehany izany, tsarovy fa "hain'ny mino ny zavatra rehetra". Mifikira mafy @ Tompo, aza manaiky rerahin'ny Satana izany, fa eo Aminy ihany no misy ny vahaolana ho anao. Dia mivavaka ho anao hatrany fa mahereza !!!
leellah il y a 1 an
Jesosy ô! mitondra an'i Hayve eo aminao aho. Miangavy Anao aho Jesosy, hijery manokana azy. Ampaherezo izy Tompo fa reraka, hazony mafy izy tsy hiala Aminao fa mitady tsy hahazona Anao. Ampioreno ny finoany, omeo hery izy hijoroany ary bitsiho aminy Tompo fa hainao ny zavatra rehetra. Miasà Jesosy ô! asehoy indray ny herinao hisehoan'ny voninahitrao @ fiainany. Mahatoky Anao izahay. Amen
hayve il y a 1 an
Jesosy ô, misaotra Anao indrindra raha mbola velon'aina aho. Mifona re aho t@ fahotana rehetra vitako, na fihevitra, na asa na ireo tsy nahy aza; Esory ato @ko zay rehetra tsy nambolenao fa tsy mendrika Anao izany;
Jesosy ô, mametraka ity groupe ity eto Aminao aho, mba Ianao tokoa no itodianay.
Jesosy o, tahio ny mpikarakakara rehetra ato.
Jereo ny malagasy , mamelà ny helokay rehetra, vonjeo ,@ tsy finoanay izahay;
Vonjeo ireo mahantra mba hitodika Aminao, ireo azon'aretina, mba hiantehetra Aminao Irery ihany.
Jesosy o; jereo indrindra ny firenenay, fa mikorontana, omeo mpitondra hendry izahay, matahotra Anao tokoa, tsy hijery ny tombo-tsoany fa ny any malagasy rehetra.
Jesosy ô mametraka ny fiainako eo Aminao koa aho, hitanao ny olana ao @ tokatranoko, Jesosy ô, vonjeo aho fa mijaly re, vonjeo aho, fa mitady hiala Aminao, hazony mafy aho fa reraka;
Tsy manam-pitiavana ho any vadiko intsony aho, mahatsiaro irery aho, Ianao irery ihany nompamonjy ahy. Jesosy ô, esory @ vadiko zay rehetra tsy nambolenao, ny oloana ara-bola indrindra no entiko eto Aminao, manimba ny tokatranonay izany, aza avelanao ho rava re izany fitiavana izanay Jesosy ô, mitalaho Aminao aho, miasa mahery any @ vadiko Ianao mba hiova izy, navelany niahaka teo hatrizay ny fianakavianay, na miasa aza izy dia ho any havany hatrany no hanaovany an'izany. Tsy te hiresaka @uintsony aho Jesosy fa efa kivy tanteraka ka dia apetrako Aminao izany sisa.
Jesosy ô, ovay indrindra aho, fa efa novaiko ho vato ny foko, tsy te hierika azy intsony, kivy tanteraka aho ary tsy manm-panantenana afa-tsy Aminao irery ihany; Ovay ny toetrany havam-badiko tsy hanararaotra Jesosy ô, ampianaro hikaroka fa tsy omem-potsiny intsony, mba ovay ny fiasainandreo ary ny vadiko koa;
Jesosy ô, mamelà ny helokay tsirairay; Jesosy ô, miasa mahery Ianao any @ vadiko zay lasa niasa, mba ahazoany izay tiako lazaina @ fahanginako depuis qlqs jours izay. Izy Jesosy tsy mba miresaka @ko izany na dia zavatra important @ fiananay sy ny hoavinay aza, fa dia manao izay tiany hatrizay ka na miteny aho dia tsy rahirahianay ka io no mahatonga ahy hangina. Jesosy ô, ampio aho ao anatin'izao fahanginana izao mba tsy ho very, tsy ho irery;
Amen
mimikeliko il y a 1 an
Apetrako tanteraka eo am pelatananao Jesoa Tompo ny androko rehetra androany sy izay zavatra rehetra iseho, misaotra Tompo o, amen!
leellah il y a 1 an
Jesosy malala ô! faly indray aho miresaka Aminao androany. Misaotra Jesosy @ fitiavana asehonao isan'andro aminay, fantatray fa tena tia anay ianao, satria h@ ainao aza nafoinao ho anay. Ampitoero aty anatinay Tompo izany fitiavanao izany, ampianaro hitia toa Anao izahay mba hahaizanay hitia Anao mihoatra ny zavatra rehetra aloha, ary hitiavanay ny manodidina anay koa, indrindra fa izahay mitondra ny anaranao mba tsy hanala baraka Anao.
Dia misaotra koa Tompo noho ny nanasitrananao an'i Manassé. Mino aho fa tsy izy ihany Jesosy, fa izay rehetra manana tsy fahasalamana, na manana olana aminay ireto dia samy hojerenao @ masom-pitiavanao sy hokasihinao daholo.
Dia avaozinay eto indray ny fanoloran-tenanay Jesosy, atolotray feno ho eo ambany fanapahanao ny aminay manontolo, manjakà aty am-ponay Ianao fa manaiky izahay hanompo Anao. Jesosy ô! tsy misy mahavita ny fiainanay afa-tsy Ianao irery ihany, tsinontsinona izahay raha tsy eo Ianao. Mila Anao foana izahay eny na dia @ segondra iray aza, Jesosy ô! Ianao no antom-piainanay.

Eo Aminao ihany no anananay antoka @ fiainanay, koa mahatoky izahay fa izay sahaza anay, sy mahasoa anay dia omenao anay araky ny haben'ny fitiavanao.

Ho Anao irery ny dera sy ny voninahitra mandrakizay. Amen!!!
mimikeliko il y a 1 an
Deraina sy ankalazaina mandrakariva ny anaranao Tompo o. Tonga eto indray ny mpanomponao mba itafa sy iresaka aminao. Misaotra Tompo o, satria mbola nomenao andro iray mahafinaritra indray izahay androany. Betsaka ny adidy sy andraikitra napetrakao ho ataonay androany Tompo o, ka irinay izany mba ho tanterahanay miaraka aminao irery.

Tompo o, betsaka ny hetahetako sy ny ahiahiko tiako apetraka eo am-pelatananao. Indraindray aho nefa dia menatra satria betsaka koa ny fahasoavana azoko taminao na dia mpanota aza, ts mendrika ny hoe antsoina hoe zanakao akory matetika. Nefa dia mbola arovanao sy tantananao fona ny fiainako. apetrako eo am-pelatananao manokana ny fitadiavana asa ho atrehiko. Raha ny eritreritro dia mbola te haka aina kely aho taorian ireny zavatra nitranga tam asako teo aloha ireny, nefa ankehitriny dia efa atolotrao ahy sahady ny vaha olana Tompo o, ekeko zany raha toa izany no mahasoa ahy. Omeo asa sahaza ahy aho Tompo ary aoka ny sitraponao irery ihany no tanteraka fa tsy ny ahy.

Dera sy laza mandrakizay no atolotro anao Tompo o, amen!
mimikeliko il y a 1 an
Mbola velom-pisaorana anao be dia be izahay Ray o, nomenao andro vaovao iray indray, entinay iderana anao, isaorana anao ary hananterahana ireo adidy be dia be napetrakao aminay. Misaotra Anao koa izahay satria nomenao fahasoavana bdb tsy tambo isaina. Izany dia noho ny fahatsaranao daholo Tompo o!

Ankehitriny dia mifona aminao koa izahay , noho ireo adalana sy fahadisoana atay. Be dia be izany Tompo o, nefa dia noho ny fitahianao, dia mbola nofafanao foana izay ota maro be izany.

Apetrak Aminao manokana Tompo o, ny hetahetanay tsirairay avy eto. Ianao no mahalala izay mahasoa anay, ka aoka ny sitraponao no ho tanteraka Tompo o, fa tsy ny anay.

Deraina mandrakizay ny anaranao masina, amen!
Adinoina il y a 1 an
Amin-kafaliana hatrany Perla no andraisana anao eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" amin'ny anaran'i Jesosy!

Ho aminao sy ny ankohonanao ny fiadanana sy ny fahasoavan'Andriamanitra hahatanteraka ny fikasany tsara ho anareo anio, ampitso, ary ho mandrkizay! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Andriamanitra tsara Hianao ary mahatanteraka izay rehetra kasainao! Vatolampy sy fiarovana ho anay Hianao, mitahy anay amin'ny antsipirihan'ny fiainanay tsirairay avy ary mahalala mihoatra lavitra noho ny fonay sy fisainanay izay tsara sy soa tokony ho anay! izany no tsy itsaharanay misaotra sy mankasitraka anao Andriamanitra ô fa heniky ny fitahianao ny momba anay na dia tsy takatry ny sainay aza matetika ny fandaharanao tsara ho anay amin'ny andavanandronay sy amin'ny hoavinay rehetra! mino sy mahatoky nefa izahay ary manantena fa manana ny tsara indrindra izahay manana Anao, Ilay miaro anay sy mikararaka ny momba anay manontolo!

Mahatoky izahay fa mijery manokana ny anadahin'i Nick Hianao Andriamanitra ô, amin'ny asa mafy izay atrehany ka hiaro ny fony sy ny fanahiny ary ny tenany tsy ho tratry ny loza sy ny ratsy ary handrakotra azy amin'ny rà masin'i Jesosy Kristy! dia meteza hiaraka aminy mandrakariva Fanahy Masina ô, hanolo-tsaina azy sy hampahery azy ary hanome azy ny fahendrena eo am-panatanterahana ny asany rehetra! vangio ny fony Jesosy hahatokiany sy iorenany ao aminao ka kasiho tsy hanao sy tsy hanatanteraka afatsy izay ankasitrahanao irery ihany!

Dia meteza Fanahy Masina ô, hiaro sy hampahery ny ankohonany sy ny fianakaviana rehetra indrindra fa ny reniny! Jesosy malala ô, amin'ny anaranao no anonona ny faherezana sy ny fiadanana ho an'izany fianakaviana rehetra izany ka anongotana ny fanahin'ny tsy finoana sy ny tahotra sy ny ahiahy rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy velona sy masina manan-kery avy any Nazareta! amena!

Aminao no ametrahana mandrakariva ny mpikambana rehetra eto indrindra ireo manana olana manokana ka entina hosorana amin'ny rànao Jesosy andravana ny fatorana sy ny gadra ary ny tsy fahatanterahana rehetra!
amena!

Ny voninahitra dia ho Anao irery ihany Andriamanitra ô! amena!
nick il y a 1 an
Voninhitra mandrakizay ho Anao Andriamanitra Ray fa nomenao fahasitranana i Manassé, misehoa Tompo o^mitenena fa mihaino izahay, hekeo ny vavakay tsirairay avy mba hijoro ho vavolombelonao hatrany izahay aoka ny sitrakao irery ihany nefa no ho tanteraka mandrakizay amen!
Adinoina il y a 1 an
Deraina mandrakizay ny anaran'Ilay Rain'ny mandrakizay, Jesosy Kristy velona sy masina, Tompon'ny tompo, Mpanjakan'ny mpanjaka, Andriamanitra velona fa sitrana soamantsara aho, ary tanteraka ny tenin'Andriamanitra nanao hoe : « Miaro ny taolana rehetra Jehovah; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. » Salamo 34:20
Tsara Andriamanitra, sady mpanao ny tsara ka tanterahany avokoa ny fikasany rehetra...

Misaotra sy mankasitraka anareo rehetra ihany koa tamin'ny fitondrana amam-bavaka fa nivaly ny vavakareo ka dia tafaverina amin'ny fahasalamana tsara ity mpanompon'Andriamanitra, kely sady tsy mahasoa ity... Andriamanitra anie hamaly fitia anareo rehetra ka hanonitra izay rehetra laninareo, na tamin'ny fotoana, na tamin'ny hery, na tamin'ny vola sy fananana (connexion sns) ary indrindra hampitombo be dia be ny finoana ao anatinareo hahatanteraka aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy izay rehetra irian'ny fonareo amin'Andriamanitra na inona na inona mba ho voninahitr'i Jesosy Kristy!

Jesosy malala ô! mamindrà fo mandrakariva amin'ny mpikambana rehetra sy ny ankohonany tsirairay avy, isam-baravarana, isam-batan'olona, na ny kely na ny lehibe na ny zaza na ny tanora na ny antitra na ny vavy na ny lahy, ato amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao! mamalia vavaka azy ireo hianao araka izay irian'ny fony hahatanteraka ny fifaliany! mihainoa Jesosy malala ô fa tsy manan-kaleha afatsy any aminao izy ireo ka manetry tena mangataka valim-bavaka aminao raha mety hianao! ary raiso ny fanoloran-tenan'izay manaiky anao sy manolotra ny fony sy ny tenany ary ny fanahiny manontolo ho anao Jesosy malala ô! misaotra sy mankasitraka anao feno aho amin'izay rehetra efa nataonao ho azy ireo sy mbola hataonao rehetra! Fanahy Masina ô, meteza honina amin'izy ireo tsirairay avy raha mety hianao ka meteza ry Andriamanitra Tsara indrindra ô hanavao sy hampiorina indray ny fitiavana sy ny finoan'izy ireo ary vangio amin'ny herinao ny fony handray ny fahazavan'i Jesosy ananany toky mandrakizay fa Andriamanitra tsy mangina na tsy mihaino hianao fa Andriamanitra mpihaino vavaka sy mpamaly vavaka! ho anao ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! amena!
leellah il y a 1 an
Tompo ô! hitanao ny anadahin'i Nick. apetrakay Aminao ny fiainany, ny làlana ho alehany. Ianao mahita izay zava-miandry azy, mino izahay fa tsy hanary azy Ianao. Aza avelanao manadino Anao koa izy Ray, fa Ianao no apinga sy fiarovana mafy ho azy, fa raha misaraka Aminao izay dia tsy mahefa na inona na inona. Eo koa ireo fianakaviany, ankininay feno Aminao izy ireo. Ianao anie no hiahy azy ireo, hampahery azy @'izay mety ho alahelo noho ny fisarahana. Mombà azy Ray, aza avela ho irery izy. Efa nampanantena fandresena anay Ianao ary inoanay izany. Koa dia ankininay manontolo eo an-tànanao ny momba azy ireo tsirairay. Dia misaotra sahady ny @izay efa nomaninao ho azy ireo.
Voninahitra ho Anao; Amen
nick il y a 1 an
Fangatahana vavaka :
mangataka antsika rehetra mba hivavaka ho an'i anadahiko miaramila andeha an'adyamin'ny zoma. Mba ho tantananao anie Ray masina ny lalany ka ieren'ny zava-mahazo rehetra, omeo tanjaka na ny saina ny fanahy ny vatana satria napetrakao ho reharehanan'ny fianakavianay rehetra nohon'ny fitahianao. Mba ho avy ny andro iray ka hifankahita soa aman-tsara daholo, omban'ny indrafonao ka ho lavitry ny fitsapana. Tahio Tompo ny reniny mba ho salama eo ampiandrasana ny fodiany, vimbino mba tsy hitaintaina lava na dia lalana sarotra sy mafy aza ny lalovany. Arovy ny vadiny amin'ny fakampanahy rehetra mety hahazo satria olom-belona ihany . Efa nampisehonao anay ny fitahianao izay tsy takatry ny sainay ary isaoranay anao mandrakariva; ka izany no mbola ahasahianay mihanta aminao indray tantano izahay. Misaotra ray ô , satria fantatray fa mihaino ny fitarainanay ianao.
Tompo ô! henoy ny vavakay ary ho Anao irey ny voninahitra ny dera sy ny laza mandrakizay
Amen!
nick il y a 1 an
Tompo ô! eo ampelantananao hatrany no ametrahanay ny fiananay rehetra, tarihoo ny dian'ny Ray amandreninay izay hody, mafy ny fisarahana nefa Ray ô! ampio izahay hizaka izany, dia ho tahianao hatrany ka mbola hifankahita samy ho velon'aina, misaotra anao fa nomenao izay 3 volana izay, novahanao ny fatotra namatotra anay tsirairay avy, ka 3 volana tao anatin'ny fifankatiavana nohon'ny herinao masina misaotra Ray ô!, Tomp^ô ombay ny lalan'izy ireo, omeo fahasalamana na izahay mitoetra na izy ireo handeha, aoka ny fitiavanao masina hanjaka anatinay tsirairay avy ka hifankatia foana izahay toy ny hafatrao manao hoe mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo. Henoy ny vavakay rehetra izay miantso ny anaranao amin'izao ora izao, tahio izahay mpikambana eto. Ampitomboy fahasalamana i Manassé ary omeo hery hatrany hanompo anao.
Ho anao irery ihany ny voninahitra mandrakizay Amen!
asimbola il y a 1 an
Ray ô!! Mitsaoka Anao; mankalaza Anao; manome voninahitra Anao fa tsara Ianao sady Mpanao ny tsara. Misaotra fa noho ny fitahianao no mahatoy izao anay indray; misaotra ny @ nanomezanao an'i Jesosy Kristy lahitokanao hanavotra anay hananay fiainana mandrakizay, misaotra ny @ Fanahy Masinao mitarika anay mandrakariva hifandray Aminao; misaotra ny @ teninao manoro sy mitarika ny lalanay; misaotra ny @ olana sy ny fitsapana ataonao eo aminay; misaotra fa Ianao no manokatra lalana hivahan'ireny olana ireny; misaotra fa ianao Lay A/tra tsy manapaharoa midina ao anatinay manamboatra anay ihany koa ao anati'nireny. Misaotra koa Ray fa mamaly vavaka Ianao; manasitrana Ianao. Misaotra fa manana havaly izay rehetra miantso sy mitalaho mangataka Aminao Ianao. Misaotra ny @ zay rehetra aotanao sy atranganao fa fitiavana no hanaovanao ireny. Misaotra Andriamanitro ô; misaotra indrindra.
Amena
leellah il y a 1 an
Ray ô! mamy Ianao. Ataonao hitanay isan'andro fa tsy mitsahatra @ fanasoavana anay tokoa Ianao, ary misaotra Anao izahay @izany. Mankasitraka Tompo ô! noho izay omenao sy izay avelanao hitranga @ fiainanay tsirairay avy ireto, na izay mety heverinay ho tsara na koa ratsy. Mitomboa Tompo aty anatinay, bahano ho Anao irery ny aminay manontolo ary fihino an-tratranao mandrakariva izahay fa eo ihany no mahatsara anay; porofo mivaingana @izany ny zavatra nataonao t@ Manassé. Tsy ampy Tompo ô! ny teny entinay milaza ny fahatsaranao, fa lehibe Ianao, eny, mihoatra lavitra noho izay fahatakaranay aza; Masina Ianao, avo fipetraka Ianao fa iva fijery, Tompo ô! tsy misy toa Anao. Misandrata ambonimbony kokoa hatrany eo @ fiainanay Ianao fa mendrika Anao izany.
Ianao Ilay Mpanasitrana sy Mpanamaivana ny enta-mavesatray, Ianao Ilay mampandresy anay hatrany, Ianao @ maha-Andriamanitray Anao Tompo, Ianao no antenainay amin'ny ho avinay manontolo, ary Ianao irery ihany no hiondrehan'ny lohanay sy andohalehan'ny lohalikay. Voninahitra ho Anao Tompo. @ Anaran'ny Jesosy! Amen
mimikeliko il y a 1 an
Tompo tsara indrindra o, mbola misaotra sy midera Anao mandrakariva aho noho ny hatsaranao, satria nomenao andro vaovao indray izaho sy ny ankohonako androany. Misaotra anao koa izahay, satria notahianao ny namanay Manassé, ka sitrana soa amantsara tam ny fianjerana nahazo azy. Mahery Ianao Tompo, mahalala ny mahasoa anay mandrakariva.

Betsaka Tompo o ny sendra nahazo ahy tato ho ato. Nefa noho ny fitahianao lehibe, dia mbola mijoro ihany aho. Mbola isaorako anao mandrakariva Tompo o, ny fitondranao ny fiainanay mianakavy, na ny anio na ny ampitso na ny ho avy. Aza avelanao hiasa saina izahay, satria Ianao no Tompo sy Mpamonjy anay.

Misaotra Tompo o, deraina sy ankalazaina mandrakizay ny voninahitrao. Amen !
nick il y a 1 an
Tompoô! ho deraina mandrakizay ny anaranao masina, misaotra anao nohnon'ny fitantananao anay rehetra misaotra anao ny amin'ny fijoroan'i Manassé ho vavolombelona, mino mafy izahay ry Tompo fa mihaino vavaka ianao, mino mafy izahay ry Tompo fa miahy anay Ianao, tantano ny tenanay tsirairay avy, ny ankhonanay rehetra mba ho lavitry ny manjo.
Dia ho sahy hijoro vavolombelon'ny fitaivano eto amin'ity toerna fifankahitanay ity izahay rehetra rehefa avy ombain'ny fitivanao
anao ny dera sy laza mandrakizay Amen!
Adinoina il y a 1 an
Fijoroana vavolombelona :
- ny alahady lasa teo aho, teo am-piomanana ny handeha hivavaka maraina teo amin'ny tamin'ny 07 ora maraina teo ho eo no nianjera tamin'ny tohatra avy any amin'ny rihana ambony ka hatreo amin'ny fiolanana voalohany tamin'ny tohatra, (zana-tohatra faha 12 avy any ambony vao tafajanona), tohatra "en béton" misy rirany vy no nianjeran'ny lamosiko tamin'izany ka dia tsy tafatsangana teo noho eo aho fa nahatsiaro tena voadona mafy tamin'ny ilako havia...

Avy hatrany dia notendreko tamin'ny rà masin'i Jesosy tamin'ny anarany ny tenako manontolo sy ny lamosiko ary ilay nanaintaina ahy mafy (toy ny nanevika tsy afaka niaina tsara aho teo)...

Rehefa nivavaka izahay mivady dia niasa tamiko izahay ary dia tafatsangana tsara aho na dia somary mbola nanevika be ihany... nitady mpanotra haingana ary dia novalian'i Jesosy vavaka fa na nisalasala aza ny mpanotra (ny andro alahady rahateo no sady nampiany ahiahy amin'ny fahatapahana sy ny fahavoazana goavana any anaty) tsy ho tonga no sady nanoro hevitra anay hiditra hopitaly dia tonga ihany rehefa niasan'ny Fanahy Masina...

Taorian'izany dia tafatsangana tsara aho rehefa nentina tamin'i Jesosy na dia mbola misy kely aza ankehitriny ilay manevika...

Isaorako mandrikazay Jesosy, tsy indray mandeha aho no zahan-toetra toa izany nefa dia miahy sy miaro ahy Jesosy, fa sady tsy nisy ny tapaka no tsy misy ny simba na tany anaty na ny momba ahy na dia mafy aza ny fianjerana...

Hoy ny tenin'Andriamanitra : "miaro izay rehetra tia Azy Jehovah;..." Salamo 145:20a
Ho Azy irery ny voninahitra mandrakizay! amena!
Ho aminareo namana rehetra ny fahasoavany! amena!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Noho ny fitiavanao anay tsirairay avy Andriamanitra ô, dia misaotra anao aho fa malemy fanahy aminay hianao, maharipo sady be famindrampo rahateo hianao dia mampiseho aminay ny fitiavanao amin'ny mahakasika anay manontolo... ka na ny ainay, na ny fonay, na ny tenanay dia eo ambany fiahianao ka tsy misy avelanao tsy ho voatahy na dia izay heverina ho kely indrindra amin'ny momba anay aza! mankasitraka anao Andriamanitra ô fa tsara hianao, tsara sady mpanao ny tsara rahateo...

Efa mamaly ny vavakay tsikelikely hianao Jesosy ô... fantatro fa mpihaino vavaka sady mpamaly vavaka hianao koa dia tsy mitsahatra ny misaotra sy midera anao aho...

Ny amin'ny asa sarotra nomenao ahy dia tsapako isanandro isanandro fa mitondra ahy sy ny ankohonako ary ny mpino miombona amiko rehetra hianao indrindra fa ireto namana ato amin'ity "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" ity hianao, miaro anay hianao, mitahy anay hianao...

Noho ny finoako anao, ny fahatokiako anao, ny faharetako ao aminao izay tsy misy avy amiko izany na dia kely ary fa anao avokoa no ampitomboanao ato amiko... noho ny teninao, noho ny asan'ny Fanahinao Masina ato amiko no anononako ho an'ny mpikambana rehetra sy ny ankohonany tsy an-kanavaka ato amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" :
- ny fitahiana sy ny fahasoavana ary ny fiadanana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta! amena!
- ny famindrampo sy famelan-keloka ary ny fahasitranana tanteraka ho an'izay mandray sy mino ny teninao sy manaiky ny asanao mahagaga rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta! amena!
- ny fitiavana sy fiaiken-keloka rehetra ho an'izay nisy disadisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta! amena!
- ny fahombiazana sy fahafenoana ho an 'izay nitady sy nikatsaka ny tavan'Andriamanitra rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta! amena!

Ho anao ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina!
Amena!
nick il y a 1 an
Misoatra ny anarano masina fa nomenao maraim-baovao indray izahay rehetra, ampio, tafio hery hidera ny anaranao mandrakizay. Tompo ô! mangataka izahay dia omenao nefa indraindray dia variana manadino ny misaotra, mifona Tompo ô! avelao ny helokay
Tantano izahay amin'ny zavatra rehetra ataonay, mba omeo fahaslamana , henoy ny vavakay rehetra izay miantso ny anaranao, ary mba fenoy ny fiadananao ny androm-piainanay,
Misaotra Tompo ô! ho Anao irery ihany ny voninahitra mandrakizay Amen!
asimbola il y a 1 an
Ray ô!! mankasitraka Anao @ foko manontolo ny @zao groupe nomenao ahafahanay mifampitondra am-bavaka izao. Misaotra Ray fa manana ny hery rehetra hamahaana ny olanay tsirairay avy zay mitaraina Aminao Ianao, ary mampatsiahy anay mandrakariva ny teninao hoe" mangatà de omèna".
Hitanao ary fantatrao mihoatra noho izay voalazany Ray ny olana misy ao @ tokantranon'i hayve, misaotra fa mihaino ny vavakay IANAO ary hiasa ka hikasika ny fon'ny vadiny hanaiky Anao ho Tompo sy Mpamonjy eo @ fiainany. Misaotra ihany koa ny fanampianao an'i hayve a@ fanalebiazana, ny famelomana, ny fitaizany ny zanany 3. Misaotra Ray fa izay rehetra tsy mbola notononinay nefa hitanao mahasoa ho @ fiainan'i hayve aza dia efa ataonao eo aminy sahady.
Ray ô! dia hitanao koa ny zava misy eo @ mpikambana tsiray2 avy @ zao groupe zao, mamalia ny hatakay Andriamanitra ô!
AAtolotray ho Anao ny dera, ny laza, ny saotra, fankasitrahana tsara indrindra fa Anao izany ary mbola ho Aanao mandrakizay.
Amena!
mimikeliko il y a 1 an
Misaotra Anao izahay Tompo noho ny fitsinjovanao anay rehetra ka tratry ty andro androany ty indray. Misaotra Anao koa izahay fa mbola notantanao ka afaka mitafa sy miresaka aminao ihany koa. Tsy tambo isaina Tompo o, ny fahotana vitanay isanandro zao. Nefa dia mbola notiavinao ihany izahay. Menatra izahay Tompo o, diso tanteraka eo anatrehanao, ka mifona mivalo izahay. AMpianaro izahay zanakao mba hanana toetra mendrika Anao.

Ankehitriny ry Tompo tsara indrindra dia tonga eto ny zanakao, mangataka aminao mba amaha ireto olana mavesatra aminay ireto. Izaho manokana Tompo o, dia misaotra anao satria efa manomboka miravona ny fiainana tokantranoko. Izany dia noho ny hatsaranao ry Tompo avo indrindra. Nefa dia mbola misy ilay entana mavesatra tsy zakako izay ao an tokantranonay ao TOmpo, avelako ianao irery no hitady vaha olana ny am zany. Matetika dia kivy sy ketraka ao Jesosy, ny am io olona io, tsy iza fa ny rafozam-baviko izany. Nefa mino aho Jesosy fa raha miaraka aminao mandrakariva aho dia ahita ny vahaolana mahasoa ny momba azy.
Ny zanako koa Jesosy dia entiko eo ampelatananao ny fiahiana azy. Omeo fahendrena, fahasalamana ary hitombo ara tsaina sy ara panahy araka ny sitraponao.

Ireto namako zay manana olana ireto koa Tompo, dia ankiniko aminao mba ahita ny mahasoa azy tsirairay. Hoy Ianao hoe: Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany. Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

Misaotra Tompo o, niheno ahy nandritra zay fotoana izay. Ary mbola angatahiko aminao, ho Ianareo irery ihany no hitantana sy hanoro anay izay lalana mahasoa anay momba ny fiainanay rehetra. Amen
hayve il y a 1 an
Misaotra an'i Jesosy fa mbola velon'aina tokoa, famindram-po tokoa izany. Mamelà ny heloko rehetra Jesosy o, esory zay rehetra tsy nambolenao ato @ko. Omeo fahendrena, fitiavana aho hiatrehako ny olako, Jesosy ô; vangio re ny fon'ny vadiko, mamelà azy Ianao, tsy misy zava-mahagaga tsy hainao, ovao ny toetrany, ataovy tonga saina izy Jesosy o. Jesosy ô, tahio ny zanakay, mamelà ny helok'izy reo Ianao, omeo fahendrena ihany koa, ary ampio @ izay rehetra anatony. Misaotra @ fahasoavana rehetra omenao anay. Eo Aminao no ametrahako ny journée-nay; Misaotra Jesosy, @ anaranao irery ihany no angatahiko izao vavaka izao. Amen
hayve il y a 1 an
Misaotra anareo rehetra @ fampaherezana sy ny fitondrana am-bavaka ny olako. Jesosy lay be fitiavana, no hanonitra avo 100 heny ny lany rehetra. Izy homba anareo rehetra.
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" hianao Clara23!

Ny fahasoavan'i Jesosy anie handrakotra ny fiainanao ka hahatanteraka amin'ny momba anao manontolo ny fitiavany sy ny famindrampony! Amena!

Mahereza hatrany!
Ho aminao ny fiadanana!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka no andraisanay anao eto amin'ny groupe "vondrom-bavaka sy valim-bavaka" amin'ny anaran'i Jesosy Touki!

Ny fitahin'Andriamanitra Mahery anie hiaro anao sy ny fonao ary ny momba anao manontolo ka hanorina aminao finoana matanjaka sy faharetana! Amena!

Mahereza hatrany rahalahy!
Ho aminao mandrakariva anie ny fiadanan'i Jesosy! Amena!
Manassé
leellah il y a 1 an
Ray malala ô! misaotra Anao fa isan'andro dia tsapako ny fitiavanao ahy. Misaotra fa ny tànanao tsy mba miala amiko izany na dia mafy aza ny manjo ahy. Ekeko izay voalahatrao ho ahy @ fiainako androany dy ny ho avy manontolo. Mahatoky ny fitondranao aho. Dia ampitomboy isan'andro ny fitiavako Anao, ny finoako Anao mba hifikirako Aminao bebe kokoa.
Dia hitanao izahay rehetra eto @ ity groupe ity, mitondra am-bavaka ny fiainam-panahin'ny tsirairay aho, mba tsy hisy hiverin-dàlana izahay fa samy hitoetra tsara ao Aminao; ka raha ho avy Ianao indray andro any, dia samy ho tonga eo ankavananao izahay rehetra.
Ianao mahalala izay mety sy mahasoa anay rehetra; tanteraho aminay araka ny haben'ny indrafonao ireny.
Amin'ny anaran'ny Jesosy; Ho deraina mandrakizay anie ny anaranao masina. Amen!!!
leellah il y a 1 an
Mampahery an'i Hayve @anaran'i Jesosy. Tsarovy tsara ry namako fa ny Andriamanitra tsy mampitondra izay tsy zaka. Marina fa mafy ny entinao fa eo indrindra no ilàna ny fijoroanao sy ny fifikiranao @ Tompo. Izy anie hanolo-tsaina anao hahalalanao izay tokony ataonao. Dia mivavaka ho anao. Mahereza e!!!
nick il y a 1 an
Ry Tompo Andriamanitray, fisaorana feno no entinay izao maraina izao fa mbola novimbininao ka samy mbola velon'aina hanantanteraka ny sitra-ponao, Ray ô! henoy ny vavakay tsirairay avy ary mba ekeo raha sitrakao, aza avelanao irery izahay . Ho anao irery ihany ny dera sy laza mandrakizay
amen!
hayve il y a 1 an
Faly aho, fa mbola velmon'aina nohon'ny fahasoavan'i JESOSY. Faly ihany koa satria namanareo ato, manana olana re aho @ vadiko ka mba iangaviako anareo mba ampianareo aho hitondra azy am-bavaka raha mety ianareo.
Izao e, efa 13 taona izahay no miaraka, vao natao mariazy t@ herintaona, manan-janaka 3 izahay ary bevohoka ny zanakay farany aho izao (4 mois). Ny olana dia tsy manome vola ho an'ny dépenses ato an-trano rangahy fa tazominy ho azy irery ny karamany. Nifanaraka izahay volana maro izay fa hanokatra compte commun dia atao ao, daholo ny vola miditra rehetra, kanjo ny azy tsy mba ataony ao mihitsy, ny olana manaraka koa dia mitrosa izy, tsy miera efa in-droa izay, ny dépesnes rehetra anefa any @ CC no miala, ka dia sahirana ihany aho satria, mila misakafo kanefa maro ny vola maiala ao, zara raha hisy ambiny. Rehefa noteneniko izy dia hoy izy t@ko "Tsy mila manontany ny avis-nao aho @ zay anaovako ny volako", sy koa hoe "miasa raha te hanam-bola", mrary anie mahazo an'izany avy @ vady e. Depuis aho, rehefa manontany ny avis-ko izy dia hoy aho "Izay tinao atao" satria ny azy rehefa te hanontany izy dia manontany, ka sady nanana olana t@ rafozam-baviko aho, t@ izy nipetraka tato @y 1an (tsy nety nody izy nefa manam-bady, no nitady vady hafa mihitsy nefa mpiandry), sady nanaratsy ahy t@ gasy rehetra teto @ tanananay, nalahelo anie aho e, fa soa ihany izy nody ny farany rhefa nitolona am-bavaka satria ny vadiko koa tsy mba namako t@ izany fotoana rehetra izany. Nahatsiaro irery aho, ary mbola irery ihany hatramin'izao. Mba niteny azy aho hoe maninona raha samy maka vola mitovy @ CC izahay 2/bolana? dia tsy mety izay (satria izy mandefa vola an-tsokosoko @ havany) ny ahy koa anie mba tiako ampiana rhf misy manahirana e! izaho tsy manam-bola na kely aza, fa dia miafy, tazominy hoa zy daholo ny karamany (hoy izy), nefa nifanaraka izahay fa mijanonan miasa aho mba mikarakara zaza satria mbola kely no sady lafo be raha handoa nounou, crêche...Izay e, ka dia mitamaho @reo aho, mba ampio fa efa tsy mijery ny vadiko intsony aho, tsy miresaka @ intsony satria tena malahelo aho ary leo azy sy ny nataony ahy hatr@zay. Misaotra naharitra a Jesosy hitahy anareo rehetra.Amen
mimikeliko il y a 1 an
Tonga soa i Clara, dia ny fiadanan'i Tompo anie hirotsaka ho anao mandrakariva.
nick il y a 1 an
Misaotra Tompo ô fa nomenao maraim-baovao indray izahay ho entinay hiderana hatrany ny anaranao, mifona aminao izahay amin'izay zavatra rehetra nataonay nefa tsy mifanaraka amin'ny sitra-ponao. Misaotra anao izahay tompo ô tamin'ireo fahasoavana rehetra izay nomenao anay, indraindray izahay tsy mendrika izany nefa dia notsimbininao nohnon'ny fitiavanao hatrany.
Tompoô! henoy ny vavakay tsirairay avy, atoroy anay ny lalana tokony izoranay, ampanjakao ao anatinay ny fiadananao. Hirao ny fanahy masinao Tompo ^! hanazava ny lalanay. Izaho manokana Ray o! dia mijoro ho vavolombelona nohon'ny fitahianao , novahanao tsirairay avy ny olako rehetra, nohenoinao ny vavako, tsy ho voatanisako intsony ny fitahiana nomenao ahy sy ny manodidina ahy, koa mbola mangataka aminao aho Ray ô izao maraina izao, henoy indray ny vavakay, ekeo Tompo ô! araky ny sitra-ponao irery ihany. Ho entinay manokana aminao ny olan'i Mimikeliko sy Leellah ary ny fahasalaman'i Royal. Dia Ianao ihany koa mahita izay vetsovetsom-ponay tsirairay avy , apetraka eo ampelantananao mandrakariva. Ho anao irery ihany ny dera sy laza mandrakizay Amen
mimikeliko il y a 1 an
Amin'ny anaran'i Tompo no iarahabako anareo am zao maraimbaovao omen'i Tompo antsika rehetra izao. ARy fisaorana be dia be no atolotro anareo rehetra eto, mitondra ambavaka an ireo izay manana olana.

Tompo Mpamonjy sy tia anay o, midera Anao aho, mankalaza Anao aho am zao maraina vaovao izao. Betsaka ny fahotanay tsy mifanaraka am sitraponao velively. DIovy izahay Tompo ary esory amin'ny alalan'ny ranao masina ny fahotana rehetra maningotra anay. Mbola ankiniko aminao mandrakariva Jesosy Tompo ny olanay rehetra eto. Misy aminay 15 mianadahy eto ny manana fahasahirana am asa, am fiainana andavanan'andro, am tokantrano ihany koa. Am maha olombelona dia tsy zakanay izany, nefa fantray Ianao fa mijery sy madinika anay tsirairay avy. Ary mahafantatra izay mahasoa anay ihany koa. Aza avela ho kivy izahay ary aza avela hanjaka aminay Jeso tia ny faharatsim-panahy ny devoly.

Tsara tokoa Ianao Jesoa Tompo. Deraina sy ankalazaina mandrakizay mandrakizay anie ny voninahitrao. Amen!
leellah il y a 1 an
Mankasitraka anareo rehetra @ anaran'ny Tompo e! mampahery tokoa ny vavaka asandratrareo ho ahy.

Dia mampahery an'i Mimikeliko koa hitan'ny tompo izay mahazo anao, "Raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra". Mivavaka ho anao mandrakariva.

Hotahian'ny Tompo daholo isika rehetra.
asimbola il y a 1 an
Arabaina tongasoa ato @ vondrombavaka sy valim-bavaka Potse! Hifampitantana ho anay an-danitra isika koa mahefà be mandrakariva @ asan'ny tompo e!
asimbola il y a 1 an
Manonona ny fiadanan'i Tompo ho @ i leellah aho. Hitan'ny Tompo ny asanao sy ny toe-ponao rahavavy eo ampanaovana ny asa izay efa nomeny anao. Dia hitan'ny Tompo ihany koa izany olona hitarainanao mafy Aminy izany. Te hampatsiaro anao ny toeranao eo anatrehan'ny Tompo aho voasoratra ao @ Salamo 43:4 manao hoe: "Satria malala eo imasoko ianao, eny be voninahitra ianao sady tiako"Koa avelao izy hiteny ze tiany lazaina, fa Ilay Andriamnitra ambonin'ny zavatra rehetra tia anao, manisy lanjany anao. Zany no toeranao de hoy koa Izy manao hoe "Izaho hiady ho anareo fa ianareo hangina". Apetraho @ Tompo toy ny efa nataonao ny adinao fa azo antoka izay nolazainy hoe "hiady ho anao Izy". Mahereza rahavavy, mitrotro ambavaka anao izahay.

Asimbola

Asimbola
mimikeliko il y a 1 an
Tonga eto am ty serasera ty indray aho am zao fotoana zao ry Tompo mba hitafa sy hiresaka aminao.

Be dia be tokoa ny fahotako ary tsy mendrika ny ho zakanao akory aho raha ireny no tanisaina. Menatra aho, tsy sahy mijery ny tavanao akory aho satria be loatra ireo teny tsy voahevitra sy teny marary voalazako tamin ny vadiko. Eny Tompo, tsy te hiaino ahy akory izy amin izao fotoana izao. Manaiky aho fa diso ary mifona sy mibabo aho Jesoa o! Satria ny tokantranonay nentinay teo anatrehanao, nentinay ambavaka ary nentinay ho tarihinao, dia raha mbola sitrakao Tompo o, dia aza avelanao ho simba ny tokantranoko. Olombelona ihany izahay, ary tsy ny sitraponay no aoka ho atao fa ny Anao irery ihany. Ampianaro koa io vadiko io Tompo, mba hahay hitodika bebe kokoa aminao. AMpianaro mivavaka izy ary ampianaro ahalala Anao bebe kokoa. Eny, mahatsiaro miasa irery aho indraindray satria toa tsapaka fa tsy mandray Anao am fony manontolo izy. Aza avelanao ho tezitra elabe amiko io vadiko io fa sokafy Jesoa Tompo ny fony ary ampahafantaro azy fa misy Ianao. Tompo o, tiako ny vadiko ary tsy ho avelako ho simban'ny satana ny tokantranonay. Noho izany, Ianao irery no iangaviko hanapaka sy handidy io tokantrano mamiko dia mamiko io.

Ireto namako manana olana rehetra eto ihany koa Tompo, dia iangaviako aminao, mba ahita izay mahasoa azy avokoa ary ho tarihinao mandrakariva ny lalana alehany. Ny fiadananao irery ihany no aoka hirotraka ao an tokantranon'ny tsirairay avy.

Misaotra indrindra Tompo o! Amen
asimbola il y a 1 an
Faly miarahaba anao @ anaran'i Jesosy Tompontsika ny tenako ry Mimikeliko. Te hamapahery anao aho hoe: mandroso ara-panahy ianao, hitan'y devoly fahavalontsika ny fitombonao ara-panhy de mitady hevitra izy hampagatsiahina anao tsy hiaraka @ Tompo izy satria andro farany izao. Tohizo ny fiainambavaka sy fianam-panompoana zay efa nataonao sy nekenao, tohizo ny fitondrana ambavaka ny vadinao mba hiova fo izy ka hanaiky an'i Jesosy Tompo ho mpamonjy azy manokana, angataho @Tompo ny hilaminan'ny tokantranonareo de hinoy fa mamaly vavaka Izy satria hoy Jesosy hoe "Mangatà dia omena ianareo", ary tsy hitaredretra izy hamonjy anao izay tiany sady malala eo imasony. Mahereza ary mahatanjà @ finoana fa izay dia manohana ambavaka anao.
Asimbola
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny groupe hianao RindraI!

Ny fiadanan'i Jesosy anie ho aminao sy ny ankohonanao ka hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ary hitahy ny fiainanareo! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
leellah il y a 1 an
Miarahaba ry namako isany amin'ny anaran'ny Tompo. Mahafaly ahy ny miserasera aminareo gasy toa ahy. Sambany aho angamba manoratra ato, ary misaotra ny Tompo aho nahita ity groupe ity.

Misaotra indrindra Jesosy fa fantatro ary inoako fa Ianao mihitsy no nitarika ahy hahita ity groupe ity. Fantatro fa ny tanjonao dia ny handrosoako bebe kokoa ao Aminao mba hahazoako mizara Anao bebe kokoa.
Mametraka ny tsirairay aminay "membres" eo an-tànanao ary, mahita ny aminay rehetra Ianao: ny olan'ny tsirairay, ny hetahetanay, sns ... Mahalala izay mahasoa Ianao ary fantatro fa tsy hanolo-bato mafana anay izany.

Mino koa aho Tompo fa ity "Groupe" ity dia fitaovana maranitra eo an-tànanao hifanakalozanay trai-kefa eo amin'ny lafiny ara-panahy, mba tsy ho zaza minono foana izahay fa mba hahatratra ny ohatry ny halebiazanao.

Mitondra manokana ny amiko eo Aminao aho Tompo, tsy miafina Aminao ny ady izay lalovako ankehitriny. Hitanao ny asa fivelomako, hitanao ny fomba hitondran'ny lehibe-ko ahy fa tsindry hazo lena mandrakariva no hiainako. Fantatrao fa tena ataoko tahaka ny ho Anao fa tsy ho an'olona ny asako, ary tsy manao atsirambina mihitsy aho kanefa dia teny maharary mandrakariva no mahazo ahy. Tsy sanatria akory aho mila sitraka amin'olona, fa na izany aza mahatsiaro tena ho "exploitée" ihany aho satria dia izaho daholo no asainy manao ny zavatra rehetra, ary avy eo izy no mahazo sitraka amin'ny Vazaha. Izaho anefa dia haratsiany araka izay azony atao any.
Tompo ô! toroy làlana aho, inona no tianao hataoko? Hazavao ny saiko: raha sitrakao ny hijanonako ao, dia omeo ahy ny hery hizakako izany ary ampitoero amiko ny fitsaharana avy Aminao mba hahatsapako fifaliana na dia eo aza izany zavatra izany. Raha ny hialako ao kosa anefa no sitrakao dia asehoy ahy ny làlana tianao alehako hitondranao ahy ho amin'ny fiadanana izay efa sitrakao ho ahy. Raha nisy Tompo, zavatra nataoko tao anatin'ny hatezerako sy alaheloko noho izany nanjo ahy izany ka tsy sitrakao dia ifonako Aminao.
izaho mino fa tsy hanary ahy Ianao, ary efa manana hevitra hiheverana ahy, ary isaorako Anao sahady izany.
Voninahitra ho Anao Amen!!!
mimikeliko il y a 1 an
Misaotra anareo mandrakariva ny tenako, ry anabasy sy anadahy, am ny vavaka ataonareo ho ahy sy ny tokatranoko ho ahy isanandro. Tena tsy afeniko fa tena mitady ho kivy aho satria hitako mihamafy ny fitsapana ao an-tokantrano. Ady, tabataba no iainako isandro tato ho ato, nefa dia tsy mba izany mihitsy ny fiainanay teo aloha. Ny alina mitondra fisainana hoy ny fitenenana.

Maraim-baovao indray no nomen'i Tompo ahy ary dia isaorako Azy fona izany. Misaotra aho satria mbola nomenao fahasalamana, fahazotoana ary herintsaina entiko itaizako ireto zanako nomenao anay ireto. Betsaka ny zavatra tsy nety nolazaiko Tompo tam ireo ady zay nitranga tao antokantranoko ary ekeko zany. Miaiky ny heloko tanteraka aho. Ary dia ifonako aminao tanteraka zany fahotana vitako zany. Tsy mendika ny hiantso ny Anaranao akory aho. Nefa Tompo, tsy mba manana Ray azo italahoana sy iatahana aho afa tsy Ianao irery. Koa dia miangavy aho Jesosy am zao fotoana zao, ady mafy no hiatrehako. Aza avelanao hikorontana ny tokantranoko satria tokontrano naorina teo ambany fitahianao io. Arovy izahay, aza avela ivoana am lalana tokony alehanay izahay mivady. Ary indrindra indrindra, enga anie ny fitiavanao irery no hanjaka ao am io tokantranonay io.

ANkehitriny, dia nanapa-kevitra aho tsy hiteny intsony. AOka Ianao Irery no hiasa Tompo o!

Ho deraina sy ankalaizana mandrakizay ny anaranao Tompo o, Amen!
Adinoina il y a 1 an
Amim-pifaliana mandrakariva no andraisanay anao ato amin'ito groupe ito mimkeliko amin'ny anaran'i Jesosy!

Mirary indrindra raha mirary, ny fiadanan'i Jesosy ho aminao sy ny akohonanao !

Mivavaka ho anao izahay, ny namana rehetra ato mba anapahan'i Jesosy amin'ny ràny masina ny rohy rehetra mitady hamatotra ny fiainanao ka mahatonga anao maniry fatratra ny hahita ny tanan'Andriamanitra haneho ny famonjeny!

Minoa fotsiny ihany fa efa eo am-pelatanan'i Jesosy ny momba anao! tsy hamela anao ho irery Izy fa handray an-tanana ny momba anao! manatona an'Andriamanitra dia hanatona anao Izy, fa izay manatona Azy dia tsy mba holaviny mihitsy ary izay manatona Azy dia omeny bediabe...

Mahereza hatrany hianao mimikeliko!
Jesosy anie homba anao! amena! ary izahay tsy manadino anao am-bavaka!
Manassé
nick il y a 1 an
Ry andrimanaitra Rain'ny fiadanana, mitalaho aminao izahay amin'izao ora izao, ho an'i Mimikeliko, tsapainao Izy nefa Tompo ô! mangataka aminao izahay aza avelanao hitondra izay zavatra tsy zakany
nandalovako ny zavatra andalovany Tompo ô! nasehonao ahy ny fitantananao mahery tamin'ny ora sy ny andro tsy nampoiziko Isaorako ary iderako ny anaranao mandrakizay izany
ka mangataka ny indrafonao aho mba henoy ny vavakay ho an'i mikeliko, omeo vaha-olana izy, ary iraho ny fanahy masinao Tompo anambara aminay izay tokony ataonay tsirairay avy ka mba afaka hifanampy izahay . Mifanalavitra ny toerana misy anay tsirairay avy, tsy mifankafantatra izahay nefa Iray izahay satria Ianao no Ray itambaranay, mitsinjo anay, mitantana anay, mitenena Tompo ô! mihaino anao izahay. Amen!
mimikeliko il y a 1 an
Misaotra betsaka anareo am fitondrana ambavaka ny olako. Tena zava dehibe amiko mihitsy izany am zao fotoana sarotra iainako zao. Raha tsy eo i Jesosy dia fantatro fa tsy ho vitako mintsy ny hiaina an zany olana rehetra zany. Andriamanitra anie hamaly fitia anareo rehetra. Misaotra!
asimbola il y a 1 an
"Izaho mahalala ny hevitra heverako anareo, hoy Jehovah, hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza, mba hananareo fanantenana @ farany" 'de vous donner un avenir et de l'espérance' Jeremia 29:11.
Mahereza fa miaraka aminao ao anatin'io fahasahiranana mandalo aminao io Andriamanitra satria hoy Izy aminao ry mimikeliko: 'Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho, ho eo aminy Aho raha ory izy, hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho" Salamo 91:15.
Efa niantso Azy ianao de andraso Izy fa hohitanao ny famonjeny anao satria Andriamanitra tsy mba mandainga Izy ary manamarina ny teniny ka hitondra fiadanana ho anao ireo olana sy fahasahiranana notononinao ireo. Mitrotro ambavaka anao izahay koa mahereza sy mahatanjà.
mimikeliko il y a 1 an
Andriamanitra o, misaotra anao bdb izahay noho ny fitiavanao anay ka mbola nomenao tombon andro iray vaovao indray izahay androany. Mbola misaotra anao ihany koa izahay noho ireo fahasoavana tsy tambo isaina zarainao aminay isanandro. Nefa dia matetika dia tsy mba mendrika akory izany fitiavana bdb atolotrao zany izahay fa mbola be fahotana, be fahadisoana foana. ANkehitriny dia ifonanay tanteraka aminao izany fahotana rehetra zany. Fantatray fa tia anay ianao ary be famindra-po. Meteza Tompo mba ho Rainay mpamonjy anay ka hanala anay am zany fahotana izany.

Mangataka manokana aminao izaho Ray o, mafy amiko ny fijaliana miajady tato ho ato. Ho very asa, fikorotanana eo am tokantranoko. Ankiniko tanteraka aminao ny fiainako Tompo o. Ianao tsy manome zioga tsy ho zakako zany. Amin ny maha olombelona anefa dia tsy ho vitako samirery ny hizaka izany. Misaotra anao mialoha aho Tompo, satria fantatro ianao fa hanampy ahy sy hitarika ny lalako mandrakariva. Toroy ahy izay tokony ataoko, hampafantarao ahy ny lalana tokony alehako, ary indrindra indrindra, aza avelanao ho kivy aho.

Ianao irery, Jesosy Tompo sy Mpamonjy no hametrahako zany hetahetako zany. Mihainoa ny vavako Tompo o.

Deraina sy ankalazaina mandrakizay ny anaranao. Amen!
Adinoina il y a 1 an
Jesosy Kristy Tompo sy malalanay ô!

Mihainoa ny vavakay, mamalia ny vavakay, mandraisa ny hetahetanay sy ny hatakay!

Fantatray fa tia anay hianao! koa mamelà ny helokay, mamelà ny fahadisoanay sy izay rehetra nataonay sy nambaranay sy noeritreretin'ny sainay ka mandika ny didinao sy ny teninao! dia sitrano izahay amin'ny aretinay raha mety hianao! ary sasao madio izahay amin'ny rànao masina, ilay tokana afaka manadio anay fa ory loatra ny fanahinay amin'ny fahoriana, sy ny aretina, sy ny tsy faampiana amin'ny lafiny rehetra ary indrindra amin'ny tsy fahatanterahana eo imasonao!

Meteza Jesosy malala ô, hamonjy anay ka hanafaka anay amin'ny tsy finoana sy ny tsy fitiavana rehetra mba hampitoetra anay amin'ny lalan'ny fahamarinanao!

Miasà aminay Fanahy Masina ô, hanova ny fo vatonay, hanananay fanetren-tena sy fahendrena ao amin'ny fatahorana anao sy hanavao ny tenanay manontolo ho mendrika ny voninahitrao! koa indro izahay manolotra ny tenanay sy ny maha-izahay anay manontolo manaiky iasan'ny herinao rehetra, mba havaozinao ho tonga vaovao, ho mendrika ny fandaharanao tsara rehetra ho anay sy amin'ny antsipirian'ny fiainanay rehetra!

Dia aminao Andriamanitra, Ilay Rain'ny mandrakizay no ametrahanay ny hatakay sy ny hetahetanay manontolo eto amin'ity vondrom-bavaka ity satria fantatray fa Andriamanitra mihaino vavaka Hianao, Tia anay, maharipo sady be famindrampo!

Mihainoa ny vavakay tsirairay avy mipololotra avy any am-po Jesosy malala ô!

Isaorana anie ny anaranao mandrakizay doria!
Ho anao ny dera sy laza ary ny voninahitra rehetra!
Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, velona sy masina, manan-kery avy any Nazareta!

AMENA!
Adinoina il y a 1 an
Mankasitraka tanteraka Potse amin'ny nifidiananao ny fikambanana!

Dia Andriamanitra Rain'ny mandrakizay anie handrakotra anao ny fitiavany sy ny famindrapony ka hamaly vavaka anao amin'izay rehetra angatahanao Aminy mba ho voninahitr'i Jesosy Kristy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny fikambanana hayve!

Ny tenin'Andriamanitra sy ny Fanahiny anie hiasa sy hahatanteraka ny fikasany tsara ho anao sy ny ankohonanao amin'ny anaran'i Jesosy! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka no andraisana anao eto amin'ny fikambanana fanjanirin amin'ny anaran'i Jesosy!

Ny fitahian'Andriamanitra Tsitoha anie hiaro anao sy ny ankohonanao ka ny andry rahona ho lohalalanao ary ny andry afo ho vodilalanao hahatanteraka izay fikasany rehetra ho anao ho voninahitry ny anarany! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny groupe marosolo!

Ny fiadanan'i Jesosy Kristy anie handrakotra anao ka hahatanteraka aminao izay rehetra soa sy tsara indrindra avy Aminy ho anao mba ho voninahitry ny anarany!

Mahereza hatrany hianao marosolo!
Jesosy anie homba anao
Manassé
asimbola il y a 1 an
"Fa indro very izay rehetra lavitra Anao, ... Fa izaho dia ny akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy". Ilainay isan'andro mihoatra ny zavatra rehetra Ianao Andriamanitra ô! Fenoy Anao, fenoy ny fanatrehanao, fenoy ny Fanahinao fa mila Anao ambonin'izao rehetra izao izahay. Tsy hainay Tompo ô ny miaina lavitra Anao. Misaotra koa anefa satria mihoatra noho izay angatahinay no efa omenao anay sahady. Amen!
potse il y a 1 an
ôtrany ahoana tokoa moa ny fiainanay Tompo ô raha tsy misy Anao? tsy hay ho eritreretina ! Fa hafa miitsy ny manana Anao! Mila anao isan'andro zahay !mila anao zahay eo @ asanay , eo @ fitantana ny ankohonanay , eo @ lalana izay alehany isan'andro ary indrindra Tompo ô eo @ fanapahan-kevitra mety tokony ho raisinay! Ianao tokoa no aoka ho loha laharana mandrakariva ary ho faneva ijoroanay! n'aiza toerana misy anay dia aoka Tompo ô ho vavolombelona foana izahay , hitory Anao fôna ,fenoy ny fanahy masinao izahay mba andeha araka ny sitram-ponao foana ! ho anao irery ihany ny saotra sy ny dera!Amen
nick il y a 1 an
Tompo o ankinina aminao tanteraka ny fiainanay rehetra, hiatrika herinandro vaovao indray izahay, mangataka Tompo ô ombay ny indrafonao ka mba valio ny hethetam-ponay tsirairay avy ary vahao izay manahirana anay fa Ianao irery no afaka hanao izany.
Ho deraina mandrakizay ny anaranao masina Amen!
richlife2006 il y a 1 an
Mankasitraka tanteraka ny fiombonam-bavaka sy fanohanana amim-bavaka nataonareo sy mbola hataonareo rahalahy sy anabavy eto @ ity vondrona ity . Efa misy ny fihatsarana ary mbola miandry fanasitranana tanteraka @ fomba mahagaga avy @ Tompo fa tsy misy azo antenaina intsony raha ny avy amin'ny olombelona . Hoderaina anie ny Anaran'i Jehovah noho ny fahasoavany !
nick il y a 1 an
Nomenao maraim-baovao indray izahay Tompo ö! miaraka amin'ny adidinay tsirairay avy , apetraka am-pelantananao ny fitantanana, ampio izahay hahay hanaiky ny sitra-ponao, omeo fitiavana ahaizanay mifankatia, aza avelanao hisedra izay tsy zaka, mba ekeo ny vavakay sy hetahetam-ponay tsirairay avy ry Ray be fitiavana, ary Izahay dia haneho hatrany fa Ianao irery no masina Indrindra Amen!
asimbola il y a 1 an
Faly mampahery antsika anadahy sy rahavavy ao amin'i Jesosy izay mikely aina mitondra ambavaka ny hafa fa manamarina ny teniny amintsika ny Tompo: ireny asa fanompona rehetra ireny ilay harena tsy mety lo hiariantsika ety ambonin'ny tany; hamantana ireny isika @ fotoana hahatongavantsika any @ fonenantsika mandrakizay.
Koa mahefà be mandrakariva @ asan'ny Tompo!
nick il y a 1 an
des petits mots de réconfort pour mes frères et soeurs qui traversent une épreuve en ce moment. Que notre Dieu tout puissant écoute et éxauce nos prières selon sa volonté amen!

Tranquillement te confier en ton Dieu puissant et fidèle
d'un regard,d'un seul mot prier
c'est trouver la force nouvelle

Nul besoin de parler beaucoup
car il suffit d'une parole
pour que Celui qui comprend tout, vienne à toi, t'aide et te console

Tranquillement metre ta main
dans la main forte de ton Père
et suivre ainsi l'étroit chemin
qui mène à la grande lumière

Si la nuit descend quelquefois
la nuit pesante où l'âme pleure
reste tranquille, attends et crois
Dieu mettre l'étoile à son heure
Que Dieu vous bénisse!
fanjanirina il y a 1 an
Ray ô , misaotra anao izahay fa mbola novelominao tokoa tamin'ity andro androany ity, misaotra anao fa mbola nomena rivotra, aina nahafahanay nivelona toy izao , isaoraka indrindra ianao Andriamanitra Ray fa niaro anay tamin'alina, tsy mitsahatra ny midera anao izahay raha mbola velona koa , fifaliana lehibe ho anay tokoa izzany, ampianaro re izahay ry Tompo mba hahay hakalaza anao amin'ny fo feno fitiavana, aza avela ho very izahay ato anatin'ity vondrom-bavaka ity, Ampaherezo hatrany izahay aza avela ho ketraka amin'ny fiainana, aoka Ianao irery ihany no iankinanay, misaotra indrindra Jesosy ô Amen
nick il y a 1 an
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ka hitantana antsika tsirairay avy amin'izay fitsapana andalovantsika. Hampiseho antsika ny famirapiratan'ny tavany Izy ary hiaino ny vavaka sy ny zavatra angatahintsika aminy.Isaorantsika ny anarany fa nametraka an'i Manassé hitarika antsika hidera Azy mandrakizay. Fifaliana lehibe ho ahy ny idirako anatin'ity fikambanantsika ity,.
Ny Tompo anie homba antsika tsirairay Amen.
marosolo il y a 1 an
Amin'ny fifaliana lehibe no hanekeko ho isan'ity fikambanana ity. Zava-dehibe loatra ny fifampitondrana amim-bavaka, ary vonona ny hanatanteraka ny anjara biriky @ izany izaho.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra. Amena.
TJK12 il y a 1 an
"Koa raha ny zanaka ny hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianarep" Jaona 8:36
Tompo ô, fantatray fa tsy misy tsy hainao atao, Ianao tokoa ilay zanaka manafaka amin'ny lafiny rehetra, ankininay eo aminao ny anadahinay Royal, mba hahazo fahasalamana tanteraka izy, Ianao no dokotera ambonin'ny dokotera, mpanasitrana ambonin'ny mpanasitrana rehetra, asehoy ny voninahitrao Jesosy ô!amen
TJK12 il y a 1 an
Misaotra anao "Adinoina" amin'ny firarian-tsoa! Dia ny Tompo anie homba anao mandrakariva amin'izay rehetra ataonao, ary ny Fanahy Masina no hameno anao ka ho reharehan'I JESOA KRISTY tokoa ianao! Landivola
Adinoina il y a 1 an
Dia mampahery antsika tsirairay avy ranabavy sy rahalahy hifampitondra amim-bavaka isika tsirairay avy amin'ny anaran'i Jesosy!

Dia asaina isika handray anjara feno hitondra amim-bavaka sahady ny rahalahy, anadahintsika, Royal (Richlife2006), mangataka ny fanohanantsika azy amin'izany... raha ny fantatra farany (afaka manitsy ahy hianao rahalahy Royal) dia efa vita ny fikarakarana rehetra ilay aretina fa ilay convalescence sy ny tohiny tato aoriana no tena mila vavaka satria ny harerahana tsy nitsahatra, ny saina mivezivezy sy lasa eritreritra... (afaka manitsy ahy sy manampy hianao rahalahy raha misy zavatra manokana tena tianao entina amim-bavaka amin'Ilay Nahary antsika!)

Ny anabavy Val dia efa nanomboka ary mankasitraka tanteraka sy mampahery anao amin'izany Valérie! Andriamanitra anie hitahy anao mandrakariva! amena!

Hoy Jesosy : « Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » Matio 7:7

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Amin'ny fifaliana tanteraka no iarahabana anao tonga soa eto amin'ity groupe ity leellah!

Ho aminao mandrakariva anie ny fiadanan'i Jesosy ka hiaro ny fonao sy ny fanahinao ary ny momba anao! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka hianao TJK12!

Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie hirotsaka sy handrakotra ny fiainanao manontolo ahitanao fifaliana be amin'ny fanarahana an'i Jesosy Kristy, Ilay Tsara sady maharitra mandrakizay! amena!

Mahereza hatrany!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Misaotra Asimbola amin'ny tenin'Andriamanitra! ho Azy irery tokoa ny voninahitra!

Dia ho aminareo indrindra ihany koa anie izany tsodrano tononinao izany Asimbola, ho anao sy ny ankohonanao, sy ny mpikambana ato amin'ity groupe ity ary ho an'ny topc rehetra! Ny fitiavan'Andriamanitra anie homba anao amin'ny mahakasika anao manontolo! amena!

Dia tsy manadino mitondra anao sy ny mpikambana rehetra ato amim-bavaka ny tenako sy ny namana rehetra!

Mahereza hatrany
Manassé
asimbola il y a 1 an
"..., mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny vavaky ny marina dia mahery indrindra. " Jakoba 5: 16
Tsara be ny toe-po napetraky ny Tompo ao anatinao nanorona an'le association. Ny fampaherezana sy vavaka asandratra ho anao dia ny mba hisandratan'ny voninahitry ny Tompo ho amin'ny asany, tsy adino anatin'izany ianao sy ankohonanao.
Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo!
Adinoina il y a 1 an
Quelle joie immense de te recevoir dans ce groupe Asimbola
Que la grâce et la bonté du Seigneur Jésus Christ de Nazareth te couvrent et te protègent aujour'dhui, demain et à jamais! Amen!
Bon courage!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Bienvenue Nick dans le groupe!
Si tu as des sujets de prières, des choses, des requêtes à remettre à Dieu, à interceder... ou des louanges, des prières à émettre... ce groupe existe pour cela et est prêt à t'appuyer dans tes requêtes ...
Que la grâce et la bénédiction du Seigneur Jésus Christ te couvre et te soit accordée aujourd'hui, demain et à jamais! amen!
Bon courage!
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka hianao Tsirimbola!
Andriamanitra Ilay efa niantso anao ho amin'ny fahazavany mahagaga anie hampamirapiratra ny tavany aminao ahitanao sy ny ankohonanao fifaliana sy fiadanana amin'ny anaran'i Jesosy! Amena!
Mahereza hatrany
Manassé
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina tonga soa eto amin'ny vondrom-bavaka sy valim-bavaka Valérie!
Fitahian'Andriamanitra sy ny fahasoavany anie handrakotra anao sy ny ankohonanao hahitanao fifaliana sy fiadanana ao amin'i Jesosy! amena!
Mahereza hatrany!
Manassé
richlife2006 il y a 1 an
Misaotra indrindra ny amin'ny fampaherezana sy fampahatsiahivana ny teny fikasan'ny Tompo ! Eny , mino izany aho ! Mno aho fa tsy nihafohy ny tanan'i Jehovah fa mbola mahavonjy ...
Hatao anie ny sitrapony fa izaho kosa dia haharitra amin'ny fivavahana .
Hoderaina anie ny Anarany masina !
Adinoina il y a 1 an
Arahabaina hianao rahalahy Royal tonga soa eto amin'ny "vondrom-bavaka sy valim-bavaka"!

Hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy: « 4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika] 5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana] » Isaia 53:4-5

Tsy diso anjara ao amin'Andriamanitra ny amin'izany hianao rahalahy ary mendrika ao amin'Andriamanitra ny nitodihanao tanteraka Aminy.

Efa nentin'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana ny aretina, ary ny dian-kapoka taminy no ananao, ananantsika anjara tanteraka fahasitranana.

Tsy manana anjara amin'ny zanak'Andriamanitra intsony ny aretina ary tsy manapaka ny fiainan'ny zanak'Andriamanitra intsony ny aretina. Tsy ny aretina no manapaka ny fiainantsika fa Jesosy. Ka na inona mahazo antsika na inona dia ento eo am-pototry ny hazofijaliana hosasan'i Jesosy... fahotana, loto, fahadisoana, heloka, tsy fahamarinana, tsy fahamasinana, fahadisoan-dalana, aretina dia azon'i Jesosy sasàna avokoa izany.

Fa hoy Jesosy aminao : « Inona moa no tianao hataoko aminao?... » Lioka 18:41a

Dia manantena valin-teny mahitsy sy tsotra avy aminao Jesosy ary ho tonga aminao izany amin'ny anarany masina.

Andriamanitry ny fahasitranana, i Mahagaga no anarany, ilay Rain'ny mandrakizay, Jesosy Kristy avy any Nazareta anie hanendry anao amin'ny ràny masina latsaka tao Kalvary ka hamaly ny fangatahanao araka izay irian'ny fonao! Amena!

Mahereza rahalahy fa Jesosy tia anao ary tsy manary na manadino anao!

Mitondra anao am-bavaka aho sy ny namana rehetra izay mahatsiaro ny famindrampon'Andriamanitra ho mihoatra lavitra noho izay tsara indrindra eto amin'izao tontolo izao rahalahy Royal, mba hitomboan'ny finoanao ao amin'ny Fanahin'Andriamanitra sy haharetanao ao Aminy handraisanao ilay fahasovana mahagaga efa nomaniny ho anao sy ny ankohonanao!

Ho aminao ny fiadanan'i Jesosy Kristy! Amena!
richlife2006 il y a 1 an
Mangataka vavaka mba hidiran'Andriamanitra an-tsehatra ho amin'ny fanasitranana mahagaga ahy fa efa najanoko avokoa ny fanafodin'ny dokotera fa toa tsy nisy nitondra fihatsarana teo amin'ny fahasalamako . Miantehita amin'ny teny fikasan'Andriamanitra aho no sisa !

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra !
 
Vous devez être identifié
pour rejoindre ce groupe
ou le modifier
 
75 membres



Dernières actions

Il y a 2 jours
hayve a écrit un commentaire : Miarahaba anreo rehetra @ anaran'i Jesosy zokintsika indray, mba mangataka...
Il y a 3 jours
Adinoina a écrit un commentaire : Arahabaina isika namana rehetra! Ny fahasoavan'i Kristy Jesosy anie...
Il y a 8 jours
Adinoina a écrit un commentaire : Deraina mandrakizay Andriamanitra amin'ny fitiavany tsy manam-petra, maharitra...
Il y a 8 jours
Un nouveau message a été posté sur le mur de nouvelles : « Approchez-vous de Dieu, et Il s'approchera de vous. Nettoyez vos mains,...
Il y a 8 jours
hayve a écrit un commentaire : misaotra anareo nitondra am-bavak, teraka soa aman-tsara ny zaza, slama tsara...
Il y a 9 jours
Adinoina a écrit un commentaire : Andriamanitry ny fiadanana anie hiaro sy hitahy ary homba ny zandrinao hayve ka...
Il y a 17 jours
hayve a écrit un commentaire : Hiteraka tsy ho ela ny zandriko vavy ka mangataka vavaa @reo rehetra mba hety...